Miakatra ny onja fanoherana ny fitrandrahana ny fanambanin'ny ranomasina lalina

Natrehan'ireo mpiaro tontolo iainana sy mpikatroka maro nanohitra ny fitrandrahana ny fanambanin'ny ranomasina lalina ny #BlueMarch (Diabe Manga) natao tao Lisbon. Sary Twitter avy amin'ny The Deep Sea Conservation Coalition

Nandritra ny kaonferansan'ny Firenena Mikambana natao ny 27 Jona hatramin'ny 1 Jolay  tao Lisbon, Portiogaly, nilaza ny fanoheran-dry zareo ny fitrandrahana ny fanambanin'ny ranomasina lalina ireo mpitarika erantany, ireo siantifika ary ireo mpiaro ny tontolo iainana sy vondrona avy amin'ny fikambanana sivily.

Ny fitrandrahana ny fanambanin'ny ranomasina lalina dia fomba fandavahana mba hiotazana ireo mineraly tsy fahita firy, toy ny manganezy, ny kôbalta, ny varahina ary ny nikela, izay matetika ampiasaina hanamboarana vatoaratra, indrindra fa ireo ampiasaina ho an'ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra. Amin'izao fotoana izao ny International Seabed Authority (ISA), rantsana iray ao amin'ny Firenena Mikambana dia mandrafitra fepetra izay mety ho ampiasaina amin'ny 2023 amin'ireo indostrian'ny fitrandrahana. Hatreto, ny Nosy Firenena ao Nauru no naneho ny fahalinany hanome alàlana ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina ao amin'ny faritaniny.

Nefa ireo vondrompiarahamonina ao Pasifika koa no isan'ireo tena tsy miova amin'ny fanoherana mafy ny fitrandrahana ny any an-dranomasina lalina amin'ny fitanisàna ireo lova ratsy nandravarava navelan'ny mpanjanaka tamin'ny fanaovana andrana nokleary tany amin'ny faritra.

Tao amin'ny kaonferasan'ny Firenena Mikambana momba ny ranomasimbe, ireo mpitarika ny Palau sy Fiji dia nitarika ny fanombohana ny  Vovoanan'ireo Firenena Mitaky ny Fampitsaharana ny Fitrandrahana an-dRanomasina Lalina. Ny filohan'ny Palau, Surangel Whipps, Jr. nilaza nandritra ilay hetsika fa:

Amin'ny maha-firenena, mila manao sorona daholo isika ary miray hina mba hanaovana izay tsara kokoa ho an'ny planetantsika sy ny vahoakantsika. Haintsika fa ny fitrandrahana an-dranomasina lalina dia manozongozona ny maha-iray ny toerana anaty ranomasina onenantsika izay mandray anjara amin'ny fanohanana ny hamaroam-piainana anaty ranomasina sy ny fanalefahana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro.

Mahazo vahana ny fanoherana ny #Fitrandrahana AndRanomasinaLalina ao amin'ny #UNOC22! Omaly i @Surangeljr nitarika ny antso iray ho fampiatoan'ny Vovonana iraisan'ireo Firenena ny #FitrandrahanaAndRanomasinaLalina, androany ilay Frantsay  Solombavambahoaka eorôpeàna @marietouss1 nandefa ny antso iray an'ireo parlemantera erantany hisian'ny fampitsaharana https://t.co/zlNf1WyljN pic.twitter.com/03wjjpbaNP

Ny praiminisitra ao Fiji, Frank Bainimarama, nanampy hoe:

Raha omena alàlana hitohy, hanimba ny fahazarana hatry ny fahagola hita any anaty ranomasina lalina any, ary amin'ny fomba tsy hahafahana miverin-dàlana intsony, ny fitrandrahana ka dia hisy fiantraikany amin'ireo izay miankina sy mivelona amin'ny ranomasina.

Nanatevina laharana ilay Vovonana miady hisian'ny Fampiatoana ny #FitrandrahanaAndRanomasinaLalina i Fiji satria tsy ekentsika ny hanimbàna zavatra izay tsy takatsika.

Tsy vitantsika ny hanolo ireo zavatra hita fa manana ny lanjany be izay mety ho lasa vovoka noho ny ataon'ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina –– mila apetratsika eny anoloana ny fahalalàla ary #ArovantsikaNyLalina.

Ny governemanta ao Fiji dia nampitandrina hoe vao mainka ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina “hampidi-kizo bebe kokoa” ny fiainan'ny olona “izay efa miaritra rahateo sahady ireo loza ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro.”

Nandritra ny hetsika iray hafa tao anatin'ilay kaonferansa, ny filoha frantsay Emmanuel Macron koa nilaza ny fanoherany ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina, na dia manana ireo fifanaraham-pitrandrahana nifanaovany tamin'ny ISA aza i Frantsa. Ny iraka avy any Etazonia nitaky fanadihadiana lalindalina kokoa momba ny fiantraikan'ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina. Tao anaty taratasy iray natolotra tany am-piandohan'ny volana Jona tao amin'ny fivoriana isantaona fanaon'ireo firenena mpikambana ao anatin'ny Fifaneken'ny Firenena Mikambana momba ny zo amin'ny ranomasina, i Shily dia niantso ny hisian'ny fampitsaharana mandritra ny 15 taona tamin'ny fandaniana ireo fepetra mety hanomezana alàlana ny fitrandrahana an-dranomasina lalina.

Ny mpitarika ny Tetikasa Ranomasina ao amin'ny Greenpeace,  Arlo Hemphill, dia nahamarika ny fitomboana tsy mitsahatry ny fanoherana atao amin'ny fitrandrahana an-dranomasina lalina:

Ela ny ela ka rava ihany ny rindrin'ny fahanginana fa manomboka miampanga ireo indostria mpitrandraka an-dranomasina ireo firenena, indostria mety hampidi-doza ho an'ny fahasalaman'ny ranomasina izay iankinantsika rehetra sy ny fiainantsika ary ny asa fiveloman'ireo olona an-tapitrisa maro mipetraka anatin'ireo vondrompiarahamonina amorontsiraka mety ho hambanan-doza.

Mandritra izany fotoana izany, parlemantera niisa 146 no nanasonia ny Fanambaran'ny Parlemantera Erantany Fitakiana Fampiatoana ny Fitrandrahana ny Fanambanin'ny Ranomasina Lalina. Ilay fanambaràna dia manome safidy iray ho an'ireo fanjakàna izay naniry ny hanohy ny fitrandrahana an-dranomasina lalina mba hakàna ireo mineraly ilaina amin'ny tetezamita mankany amin'ilay lazaina fa “toekarena maitso”:

Amin'ny alàlan'ny famerenana mampiasa ireo avy nampiasaina, ny fanodinana indray sy ny fanefena endrika miharo fahaizamamorona, dia tokony hampiasa vola amin'ny rafitra vaovao sy teknôlôjia vaovao mampihena ny fangatahana mineraly tsy voahodina ireo firenena, fa tsy hoe hanomboka indostria vaovao fitrandrahana indray. Ny tetezamita maitso dia tsy atao hanimba ny hamaroam-piainana sy ilay lavaka lehibe indrindra hahazoana karbôna natoraly eto amin'ny planetantsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.