Renivohitr'i Trinidad, voabahan'ireo hetsika manohitra ny famonoana ataon'ny pôlisy

Sarin'i Seranan'i Espaina, Trinidad, nopihana tamin'ny drôna, nandritra ireo hetsipanoherana tamin'ny 4 Jolay noho ny namonoan'ny pôlisy ireo tovolahy telo tamin'ny 2 Jolay. Sary an'i Gabriel Nagee, nahazoana alàlana.

Seranan'i Espaina, renivohitr'i Trinidad, tsy nisy lalan-kivoahana tamin'ny 4 Jolay noho ireo hetsipanoherana ny famonoan'ny pôlisy ireo tovolahy telo nandritra ny faran'ny herinandro.

Araka ny tatitr'ireo fampahalalambaovao avy ao an-toerana, rehefa avy nifety dia nandeha nody tamin'ny 3 ora maraina (UTC-4), ora tany an-toerana ny lehilahy enina avy amin'ny faritra samihafa ao Laventille, vondrompiarahamonin'ireo sahirana any ivelan'ny renivohitra. Lazain'ny pôlisy fa nitifitra an-dry zareo ny olona tao anatin'ilay fiara ary namaly ny tifitra ry zareo ka nahafaty telo: Fabian Richards (22 taona), Niko Williams (21) ary Isaiah Roberts (17). Misy lehilahy fahaefatra voatifitra ary nentina namonjy hôpitaly, raha tafatsoaka kosa ny roa.

Nikorontan-tsaina tanteraka ny reniben'i Roberts, izay niampanga ireo pôlisy ho mamono ny zanaka mainty hoditra eny an'arabe, toy ny “famono alika”. Teo am-pandrenesana ny fahafatesan'ny zanany lahy, ny rain'i Richards dia nametraka fanontaniana momba ny “profilage” sy ny fanararaotana ataon'ny pôlisy, raha nilaza tamin'ny gazety Trinidad Guardian : “Izao dia manosika ahy hametraka fanontaniana raha tena [natao] ho antsika marina na tsia ny rafitra misy  […]? ni…s enina tanaty fiara iray, ni…s enina mpanao heloka bevava? Noho izy ireo mponina ao Laventille ve? Noho izy ireo nitondra [Nissan] Tiida ve?” Nilaza ny renin'i Richards fa mikasa izy ireo ny handeha any amin'ny Police Complaints Authority (PCA) hametraka fitoriana momba ilay famonoana.

Ny PCA, rantsana mahaleotena napetraka hanao fanadihadiana momba ny kolikoly sy ny fitondrantena tsy mendrika ataon'ny pôlisy, dia nahita, tsy ela akory izay, fa ny pôlisy Clarence Gilkes, izay tratry ny tifitra nahafaty tamin'ny 22 Aprily — tranga iray izay nolazain'ireo namany fa nataona mpikambana iray avy amin'ny vondrompiarahamonina “hotspot” Richplain izay nenjehin-dry zareo sy nohazainy mba hahitàna izay tomponantoka – dia tsy inona fa tifitra tsy nahy avy amin'ireo namany ihany no nahafaty azy.

Tsy vao sambany izao ny Trinidad and Tobago Police Service (TTPS) no nampangaina ho manao fanararaotam-pahefana. Ny 27  Jona 2020, taorian'ny tifitra nahafaty pôlisy iray tao Morvant, faritra iray mafampàna ao atsinanan'i Seranan'i Espaina, niditra tao amin'ilay faritra ny sasany tamin'ireo namany ary namono lehilahy telo. Nanaraka tsy ela taorian'izay ireo hetsika nanoherana ilay famonoana, niteraka adihevitra momba ireo fomba isankarazany anilihana ireo vondrompiarahamonina marefo sy andàvana ny zavatra iainan-dry zareo. Volana vitsy taorian’ilay tranga, nanamafy ny talen'ny PCA, David West, fa vita ny fanadihadiana savaranonando ary nisy tatitra iray nalefa ho an'ny talen'ny fampanoavana (DPP). Raha ny fandinihan'ny Global Voices azy, tsy nisy fivoaran-draharaha hafa nampahafantarina ny vahoaka momba ity raharaha ity.

Tena mitovy be amin'ny hoe “zavatra efa hita” (déjà-vu) ireo hetsika fanoherana tamin'ny 4 Jolay, satria marobe ireo iraka avy amin'ny polisy sy mpikambana avy amin'ny rezimanta nahetsika haingana hitsimpona ireo poti-javatra sy kodiarana nodorana tsy ho eny amin'ny làlana mankany atsinanana teny amin'ny Beetham Highway, ilay làlambe tena fidirana sy fivoahana ny tanàna, ary nanadio ny làlana ho azo izoran'ireo fiaran'ny mpamono afo sy fiara hafa mpanao vonjy taitra. Nampitandremina ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanao izany am-pilaminanaa sy hampiato ny fanelingelenana raha tsy te-hiditra am-ponja, saingy nivoady ny hanohy ny fanehoana ny hatezerany ireo mponina mandra-pahita ny rariny:

Sarin'ny androany pic.twitter.com/ikzHGvuuOt

Mandritra izay fotoana izay, nampiasa ny media sôsialy ireo olompirenena mba hizara ny zavatra niainany. Marobe ireo feo mivezivezy ao amin'ny WhatApp momba ny fifamoivozana manodidina ny Queen's Park Savannah sy ireo arabe goavana sasany, satria iàlan'ny olona ny mankao amin'ny faritra Beetham, ary voalaza fa nampitsahatra aloha be ny fampianarana ny sekoly sasany tao atsinanan'i Seranan'i Espaina:

Fitohanan'ny fifamoivoizana manodidina an'i Savannah pic.twitter.com/ErU5xV8dmN

Niparitaka be ireo sarina afo narehitra — na manaraka ny Beetham Highway izany, na amin'ireo arabe marobe ao atsinanan'ny Seranan'i Espaina — ary iray raha kely indrindra ny mpamily fiara nizara ny sarin'ny triatra tamin'ny fitaratry ny fiarany, nohamafisiny fa simba noho ny “vato be” natorak'ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ireo pôlisy.  Namoaka fanambaràna iray ny Office of Disaster Preparedness and Management (ODPM) ao amin'ny firenena ho fanoroana hevitra an'ireo olompirenena hisoroka an'ireo faritra ireo noho ny fikorontanan'ny fifamoivoizana.

Tsy ela akory dia voasakana ireo mpanao hetsipanoherana ary afaka nandehanana indray ireo lalambe.

Tanaty lahatsary iray ao amin'ny Instagram, hita ireo pôlisy mampitandrina ny mponina ao atsinanan'ny Seranan'i Espaina tsy hiditra amin'ny  fibahanana ny arabe mandritra ny hetsika ataon-dry zareo; ho valiny, lehilahy iray no mivazavaza hoe, “Atsaharo ny famonoana ataon'ny pôlisy!”

Raha ireo sasany tamin'ny mpampiasa media sôsialy niezaka ny hisarihana ilay olana ho any amin'ny pôlitika ary ny hafa nitaraina momba ny vokadratsy aterak'ireo hetsipanoherana, ilay poety Shivanee Ramlochan nilaza tao amin'ny  Twitter fa:

Mirehitra i Seranan'i Espaina amin'izao fotoana izao.

Tsy milaza akory izany fa hoe tsy nirehitra foana izy. Fa fotsiny tsikaritray & ary manahirana aminy rehefa tena misy afo ara-bakiteny ao.

Ireo olona ireo ihany matetika no lasa lohahevitry ny zavakanto ataon'ny hafa: saripika manaitaitra, natiora velona fa malomaloka: avela ho tezitra.

Ny mpampiasa Facebook, Ahmed Nicholls nilaza fa:

Niverina indray ireo Trinidadiàna manan-katao sy mpanavakavaka. Tsy azo heverina ho mora foana ny hetsipanoherana iray. Mampiasa loha kokoa anao ny hoe tsy maintsy mipetraka anaty fifamoivoizana ianao fa tsy ilay hoe tafiditra indray amina raharaha hafa famonoana ivelan'ny lalàna ny pôlisy.
Tsy maintsy manohitra foana ireo Trinis be konetaka, fa ianao no manana ny ratsy indrindra ho ambara momba ilay hany vondrona Trinis izay manao izany tsy tapaka.

Tsy mbola voafaritra aloha izay antsipirihany feno momba ilay tranga, hatramin'ny hoe “ivelan'ny lalàna” ve ilay famonoana. Tao anaty fanambarana an-gazety iray tamin'ny 5:00 hariva, ora ao an-toerana, ny 4 Jolay, ny Kaomisera mpisolo toerana, McDonald Jacob, nilaza fa natsahatra vonjimaika hijanona anaty birao ireo pôlisy voasaringotra tamin'ny fitifirana ireo tanora, ary mbola mitohy ny fanadihadiana, ary nalefa ho any amin'ireo mpanao fanadihadiana ny lahatsary nisy ilay tranga. Raha nitanisa ireo fandaharanasa fanentanana  marobe sy ireo klioban'ny tanora izay tànan'ny TTPS ho isan'ny vondrompiarahamonina mila arahana maso, notsipihan'i Jacob fa ny sampan-draharahan'ny pôlisy dia eo hanompo fa tsy hanohitra ny vahoaka, ary nisaotra ireo mponina tamin'ny fiarahany niasa tamin'ireo manamboninahitra nandritra ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.