- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpirahalahy roa samihafa no nampiofo ny hira highlife Nizeriana

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina, A journey into African music

 

Seho mozika mivantana Afropolitan vibes tao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana, Lagos, Nizeria. Sary avy amin'i Kaustavp, tao amin'ny Wikimedia Commons [1], 16 Mey 2014 (CC-BY-SA-4.0 [2])

Tarika roa samy hafa, samy noforonin'ny mpirahalahy roa, no mitazona ny mozika highlife any Nizeria ho velona. Na dia samy manana gadona mampiavaka azy aza ny Umu Obiligbo sy ny Cavemen dia efa niantehitra tamin’ny ezaka fitarihan-dàlana avy amin’ny Flavour sy Phyno ireo tarika roa ireo, tamin'ny alàlan’ny fampifanarahana ny mozikany amin'ny zavatra ankafizin’ny Nizeriana tamin'ny taonjato faha-21.

Umu Obiligbo: mbola manan-danja ny fahiny

Fonon'ny rakikira “I Pray” , Umu Obiligbo

Mpitendry mozika Igbo highlife avy any Anambra izay nanjary nalaza tamin'ny taona 2014 ry Obiligbo mirahalahy, Chukwuebuka Akunwafor sy Ifeanyichukwu Okpuozor, malaza amin'ny anarana hoe Umu Obiligbo [4]. Na dia nampifangaro tamin’ny fomba miharihary ny highlife sy ny hip-hop aza ny Phyno dia nitazona ny gadona Igbo highlife ôrizinaly tamin'ny zavakantony ny Umu Obiligbo.

Mampiavaka azy ireo ny tsy fanarahana ny fironana maoderina amin’ny fanambàrana ny highlife amin'ny pop tahaka ny ataon'i Phyno. Fa manasongadina ny fahendrena eny an-dalambe kosa ny hiran'izy ireo. Mihira highlife amin'ny endriny Igbo ôrizinaly ry Umu Obiligbo. Tamin'ny fampandraisana anjara ireo mpanakanto malaza no nanintonan’izy ireo olona maro. Nanasongadina ireo mpitendry mozika Afropop toa an'i Davido izy ireo tamin'ny hira sasany, toy ny “Doubting Thomas.” Ity hira ity dia maneho taratra ny fisehosehoana miharihary amin'ny harena any amin'ny toeram-pandihizana, tarihin’ny faniriana hampiaiky volana ny hafa.

Oga doubting Thomas/ (E ye weh weh weh)/ We je kwo onye nganga/ (Swo)/ Brother e kwe nu go na o na eme/ Swo swo/ Ah eh/ Oga doubting Thomas, Oga doubting Thomas eoo/(Weh weh weh)/We je kwo onye njanja/ (Swo)/ Brother e kwe nu go na o na eme/ Swo swo/ Udu egbe ndi nso/ Ah eh/ Nwanne ogini na eme/ Ogini na eme, Ogini na  eme/ Ugo chalacha nweme chu chu/ Person wey dey buy drink/ E no dey too dance for club eh/ But the ones wey no get money/ O gbafa e tin mkpu…

Miahiahy an'i Thomas i Oga/ho any amin'ilay lehilahy manankambo/ Hitan'ny rahalahy fa mety hitranga izany/ny feon'ny basin’ny fanahy/ inona no mitranga ry rahalahy/Manao chu chu (feom-boromahery) ny voromahery tomady/ilay olona mividy zava-pisotro ao amin'ny klioba/tsy mandihy firy ao amin'ny klioba/fa mitabataba be ireo bandy tapaka

Cavemen, manavao ny lasa ho ankehitriny

Ny fonon'ny rakikiran'ny Cavemen “Love and Highlife”

Ny Cavemen, izay ahitana ny mpiray tampo Benjamin James sy Kingsley Okorie, no mpitondra fanilon'ny mozika highlife ankehitriny. Nivoaka tamin'ny taona 2020 ny rakikiran’izy ireo voalohany “Roots [5]”.

Tsy toa ny Flavour, Phyno, ary Umu Obiligbo, fa nametra ny fahitana ireo singa ara-kolontsaina Igbo ny Cavemen. Izany hoe, tsy mahay miteny Igbo malama izy ireo, satria lehibe tao Lagos any atsimoandrefan'i Nizeria. Nanome azy ireo savaranon’andom-pikarohana mankany amin'ny highlife izany, ka izany no mahatonga ny mozikan'izy ireo ho tena maoderina, karazana gadona highlife izay mikaroka lohahevitra amin'izao ankehitriny izao.

Antsoin'izy ireo hoe tambatra highlife ny gadona mozikany. “Ny ho tetezana hampitohy ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy no tanjonay. Ahoana àry no hanaovanay izany? Tazoninay ny feo fa ampianay fanovana vaovao maoderina izay tsy misy ao aminy, “Hoy i Okorie nanazava tamin'ny antsafa nifanaovana [6] tamin'ny The DJ Booth, vavahadim-baovaon’ny mozika an-tserasera iray. Noho izany, midika izany fa manalefaka ny feon-kira mba ho “manaitra kokoa ny tanora amin'izao fotoana izao…sy hanehoana taratra ny zava-misy izay tsy hita tamin'ny highlife tany amin'ny taona 70 sy 80. Milaza koa izy ireo fa miezaka ny hanatratra ny fanahin'ny highlife.

HAMAKY BEBE KOKOA:
Ireo mpitari-dalana ny mozika highlife Igbo ao Nizeria [7]
How Nigeria’s Igbo highlife music provided hope after a devastating civil war [8]
Celestine Ukwu: the Nigerian philosopher-musician who left his mark on Igbo highlife [9]

Ny gadona tsotra sy ny fidobodobony miaraka amin'ny amponga sy ny gitara beso no mahatonga azy ireo ho tena maoderina sady manome azy ireo ny fomba tsotra. Miresaka lohahevitra amin'izao andro ankehitriny izao ny iray amin'ireo hira “Runaway Lady [10]”, hira iray miresaka momba ny tsy fisian’ny fihetseham-pon'ny vehivavy iray.

Runaway lady/ My special lady/ You just dey run away/ My pretty lady)/ Runaway/ You dey run dey run baby/ She get shakara eh/ I never see this kind lady/ She wanna dance/ She dey dance lady dance/ She wanna move/ She wan use me catch cruise/ Talk the talk eh/ She dey talk she never do eh/ My lady/ Ị na enyem’ nsogbu eh/ My lady/ My lady/ Ị na enyem’ nsogbu eh/ My lady/ Runaway Lady/ My lady/ Runaway Lady/ Ogini?

Ravehivavy mpandositra/Ravehivavy manokana ho ahy/Mandositra ianao akia/Ravehivavy mahafatifaty ahy/Mandositra/Mandositra ianao akia/ Miwerawera izy/ Mbola tsy nahita an'ity karazam-behivavy ity aho /Te handihy izy / Mandihy izy, mandihiza ravehivavy/ Te hihetsika izy/Mandiso fanantenana ahy izy/Resaho ny resaka eh /Kabary fa tsy asa eh/Ravehivaviko/manome olana ahy eh/Ravehivaviko/Ravehivaviko/Mampahory ahy izy / Ravehivaviko/Ravehivavy mpandositra/Ravehivaviko/Ravehivavy mpandositra/(inona izany?)

Misavasava lalina any amin'ny fisian'olombelona ny hira hafa toy ny “Akaraka” [11] (“Anjara”), “Oge” [12] (“Fotoana”), ary “Osondu” [13] (‘Hazakazaka mba ho tafita velona’). Miompana amin'ny fitiavana sy tantaram-pitiavana izay miantraika lalina eo amin’ireo tanora ny hira hafa toy ny “Ifeoma [14],” “Fall “ [15]Anita “ [16] ary “New Pammy” [17].

Namerina ny highlife tany amin’ny toeram-pandihizana ny Flavour ary nanambatra ny highlife sy ny hip-hop ry Phyno. Etsy ankilany, nitazona ny gadona Igbo highlife ôrizinaly ry Umu Obiligbo, ary nitondra ny mampiavaka azy ry Cavemen sady nitondra azy mba hifanaraka amin’ny toetr’andro amin'ny fomba izay hifanarahan'ny lohahevitra momba ny tanora. Raha atambatra, ny tian'ireo tanora Nizeriana ireo ahatongavana dia ny hanova tanteraka ilay karazana, niteraka vanim-potoana vaovao feno fanantenana ho an'ny mozika Igbo highlife.

Tadiavo eto [18] ny lisitry ny rakikira Spotify an'ny Global Voice manasongadina ireo hira Nizeriana Igbo highlife hafa. [18] Araho ny fitantaranay manokana raha mila fanazavana fanampiny momba ny mozika Afrikana, A Journey into African Music [19].

Ito ny lisitry ny rakikira [20] ahitana ny mozika Igbo highlife ankehitriny: