- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ben'ny tanàna fahiny tao Tiorkia milaza fa nahita tahirina vatomamy (jellybeans) nafenina ireo tomponandraikitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Lasa fihomehezana tao amin'ny media sôsialy ilay ben'ny tanàna fahiny tao Ankara, Melih Gökçek, taorian'ny nilazàny [1] nandritra ny adihevitra iray tamin'ny fandaharana anaty fahitalavitra fa nahita tahirina vatomamy tany amin'ny faritanin'i Adiyaman ao Tiorkia ireo manampahefana. Tsy niandry ela, lasa fironana be tao amin'ny habaky ny Twitter ao Tiorkia ny #JelibonMelih [2] [jellybeanMelih].

Lehilahy iray izay nanorina kianja ho an'ireo dinozaoro mitentina efa ho iray lavitrisa dolara ary nino fa nisy tahirina vatomamy tany ambanin'ny tany, no nitantana ny renivohitry ny firenena efa ho dimy ambiroapolo taona…

Ao fotsiny! nahitàna tahirina pişmaniye tao Izmit. Nisy tahirina frômazy Tulum ihany koa hita tao Erzincan. Ary tany Kars, voalaza fa taorian'ny fandavahana, betsaka ny Kars Gooses no hita.

Nahazo vatomamy isika, rahoviana no hohitantsika ny tahirina lollipop ?

Gökçek no ben'ny tanàna tao Ankara ny 1994 hatramin'ny 2017. Ilay ben'ny tanàna fahiny, mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, AKP (Rariny sy Fampandrosoana), dia fantatra amin'ny fanafarana sarivongana miavaka maneho ireo dinozaoro sy raboto ao Ankara renivohitra nandritra ny fepotoana nitantanany. Tamin'ny 2015, nanafatra izy [8]  sarivongana T-Rex mirefy am-polony metatra, voalaza fa nitentina 10 tapitrisa Lira Tiorka (sandam-panakalozam-bola tamin'izany fotoana izany= 4 tapitrisa dolara amerikàna).

Ilay T-Rex no nisolo ilay sarivongana Transformers nahabe resaka, izay ny ben'ny tanàna tamin'izany fotoana ihany koa no nanafatra azy. Ilay sarivongana transformer dia natsangana ho ampahany amin'ny fampahafantarana ny AnkaPark, ilay kianja manaraka lohahevitra (fantatra ihany koa amin'ny hoe Wonderland Eurasia park [9]). Ilay kianja, izay nanasongadina ireo raboto sy dinozaoro, dia nandaniana teo amin'ny 750 tapitrisa dolara amerikàna [10]araka ny nambaran'ny vaovaon'ny Ahval.  Nefa i Gökçek tsy nanatrika velively ny fotoana nitokanana ilay kianja noho izy voatery nametraka filàna [11] tamin'ny 2017. Ny filoha Erdoğan izay nanatrika ny fitokanana ilay kianja tamin'ny Martsa 2019, dia namaritra azy io “mariky ny fireharehan'i Tiorkia.” Nefa tsy nahavaly velively ny zavatra nantenainy ilay “mariky ny fireharehana” satria voatery nakatona ilay izy tamin'ny Febroary 2020 rehefa tsy nahavita nandoa [9] ny lazambidin'ny herinaratra nampiasainy ilay orinasa napetraka hitantana azy.

Tao amin'ilay fandaharana tamin'ny fahitalavitra nalefa tamin'ny 28 Jona, toy ny matotra izany ilay ben'ny tanàna fahiny nanamafy fa “6 lavitrisa dolara no sandan'ireo tahirina vatomamy hita tao anatina lavadrano roa tao Adıyaman.” Kanefa, vetivety dia hita fa ilay vaovao momba ny resaka tahirina vatomamy dia avy amina bitsika iray mihanihany nalefan'ilay mpanao gazety, Murat Muratoglu, nozarainy tamin'ny 28 Jona:

Taorian'ny nahitana solika tao Adana, tahirina vatomamy mitentina 6 lavitrisa no hita tao anatin'ireo lavadrano roa tao Adıyaman.

Namaly fanontaniana momba ireo tahirin-tsolika hita vao haingana [13] ilay ben'ny tanàna fahiny rehefa nanao fanehoankevitra momba ny nahitàna tahirina vatomamy marobe. Gökçek nilaza hoe [1], “Nahita zavatra hafa tao Adana ry zareo. Novakiako tao anaty gazety androany ny momba izay. Tsy azoko antoka izay tena dikany marina. Tsoriko. Hikaroka an'izay aho. Nefa misy anarana ilay izy. Mihinana azy ny ankizy. Vatomamy  (Jellybeans).  jellybeans ilay hitan-dry zareo.  Tsy haiko izay tian-dry zareo hambara amin'ilay hoe jellybeans. Fa mitentina 6 lavitrisa dolara ireo jellybeans hitan-dry zareo. Tsy fakom-baovao io fa ôfisialy.”

Taorian'ny nitsaingohan'ireo mpampiasa media sôsialy an'ilay fanehoankeviny, niditra nitaraina tao amin'ny Twitter i Gökçek:

1. Nandritra ny Ankara Masasi, fandaharana iray fandefa amin'ny fahitalavitra dia niresaka momba ny “singa iray tsy fahita firy eto an-tany” aho, niainga avy amin'ny vaovao notaterin'ny namana iray tamiko. Dia nihazakazaka daholo ireo avy amin'ny elatra havia hamely ahy. 2. Ary na niteny aza aho hoe tsy dia mahay loatra momba ilay zavatra hita ny tenako, fa mbola nasian-dry zareo ihany. Midika izany fa mety nadalaina ny tenako. Izay midika fa tokony ho mailo kokoa isika taorian'io.