- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Prasanta Hembram, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Santali avy ao India

Sokajy: Antsafa, media, Mediam-bahoaka, Teratany, Teny aziatika an-tserasera, Rising Voices

Sary natolotr'i Prasanta Hembram tam-pitiavana, ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Anatin'ireo andiany ataonay amin'izao fotoana izao mba hanasongadinana ny asan'ireo mpikatroka mampahafantatra ireo fiteny aziatika aty anaty habaka nomerika, tianay ny hanasongadina an'i Prasanta Hembram (@prasantahembram [1]) avy ao India.

Asa ataon'i Hembram ny manao izay hahatonga ny Santali hifampiresahana betsaka manerana an'i Azia Atsinanana, sy ho mora azo idirana ety anaty aterineto.

Tsy ela akory izay ny Rising Voices no nitafa taminy tamin'ny imailaka mba hahafantarana misimisy kokoa ny vinany momba izay hatao hahitàn'ny fiteniny toerana ety anaty habaka nomerika.

Rising Voices (RV): Azafady, mba lazalazao anay ny momba anao sy ny asa ataonao mifandraika amin'ny fiteny.

Prasanta Hembram (PH):  Tsy ela akory aho izay no nahavita ny fianarako ambony momba ny siansan'ny fiainana (Botanika). Ny mandrafitra fitaovana ho fampandrosoana ny fiteny Santali ety anaty tambajotra no amenoako ireo fotoana malalaka ananako.

Nandritra ireo taona 3 ireo, marobe ny tetikasa hitako ho an'ny fiteniko sy ho an'ireo fiteny hafa ihany koa. Ny Santali no fitenindreniko, ary haiko koa ny fiteny anglisy, Hindi, Odia, Sambalpuri, sy Ho. Tao an-trano aho no nampianarina ny fiteny Santali. Tsy nanaraka mihitsy fampianarana ara-panjakana tamin'ny fiteny Santali aho, na dia niomana ny hanao izany aza. Nianatra nanoratra sy nitendry aho nanomboka tamin'ny 2018, tamin'ny alàlan'ireo lahatsary Youtube, fanatrehana seminera ivelan'ny aterineto nokarakarain'ny ASECA, AISWA sns… Ary koa, tamin'ny 2018 aho nanomboka nanao asa an-tsitrapo niaraka tamin'ireo tetikasa loharano misokatra an'ny Wikipedia [2], Common Voice [3], Google Crowdsource, Tatoeba [4], Mozilla Translation team, [5] sns… izay handray anjara mivantana amin'ny fampivoarana ny vondrom-piarahamonina Santali afaka fotoana fohy. Raha te-hahazo torohay misimisy kokoa momba ireo tetikasa misokatra ho an'ny fiteny Santali, iangaviana hamaky ny lahatsoratro am-bilaogy ato [6].

RV: Manao ahoana no toerana misy ilay fiteninareo ety anaty aterineto sy ivelany amin'izao fotoana izao?

PH: Aleo ataoko hoe mbola vitsy ny votoaty azo raisina ety anaty aterineto, ary marobe ny asa vita ivelan'ny aterineto. Betsaka ny olona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, izay tena fanamby goavana. Kanefa,  ny fanamby tsirairay dia azo ihoarana. Araka izany, marobe ireo mpikatroka mandeha mitety vohitra mitsidika ireo olona any mba hanentana azy ireny momba ny zony sy hanazava ny lanjan'ny fanabeazana ary ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny fiteny Santali. Misy ihany koa ireo hetsika karakaraina ivelan'ny aterineto.

Misimisy koa ny asa avy eny am-potony (kilasy ivelany/anaty aterineto, fitondrana ny tsy azoazo sns…) natao hampitomboana ny habetsahan'ireo votoaty tsara kalitao ety anaty aterineto. Nitana toerana lehibe koa ny governemanta Indiana [7] tamin'ny fanohanana ny Teknôlôjia sy Votoaty amin'ny fiteny Santali. Namorona endri-tsoratra ry zareo, rindrambaiko natao ho an'ny ao an-toerana amin'ny fiteny Santali, sy ny maro hafa, noforonin-dry zareo ihany koa ny Vikaspedia [8] ety anaty aterineto.

Ny Orina Wikimedia dia nanohana ny Santali tamin'ny fanomezana anay habaka tao anatin'ny fikambanan-dry zareo. Antsoina hoe “Wikimedians of Santali Language User Group [9]” izahay, ary anisany ao anatiny koa aho. Mampiroborobo ny fiteny Santali izahay ary manaparitaka ireo votoaty nosoratana taminy ho ety anaty aterineto. Manana mpifanome tànana avy amina firenena telo izahay: Bangladesh, India ary Nepal. 

Izao koa, mpikaroka tsy miankina isankarazany no miasa ho an'ny fiteny Santali.

Tena tsara ny toeran'ny fiteninay ivelan'ny aterineto satria feno boky navoaka no sady ankalazaina (Oh: Mann ki Baat: PM Modi mankalaza ny profesora Purulia tamin'ny nandikàna ny Lalampanorenana Indiana ho amin'ny fiteny Santhali, fantaro hoe iza ny Profesora Tudu [10] (Angl.). Ireo fikambanana Sahitya Academy, ASECA, AISWA dia miasa avokoa ho fampivoarana ilay fiteny.

Raha momba ny fahitàna azy anaty aterineto indray, tsy misy azo raisina ny fitaovana momba ny fampianarana–raha sendra misy aza, dia mety mbola anaty andrana / fikarohana izy ireny. Noho ny taha ambany amin'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, vitsy ny olona manoratra votoaty anaty sy ivelan'ny aterineto. Ireo izay tena manana fahaizana ambony dia tsy mahafantatra betsaka momba ny teknôlôjian'ny fiteny, misy izy ireny, saingy misy ny filàna manao fanentanana sy fampianarana ny fahaizamanoratra nomerika. Ireo fitaovana entina mampiala voly no misy azo raisina raha miohatra amin'ireo lahatsary mifandraika amin'ny fampianarana.

RV: Inona no manosika anao hanao izay hahitàna ny fiteninareo eny anaty habaka nomerika?

PH: Tena mahatsiaro feno faharisihana aho rehefa mahita ny votoaty amin'ny fiteniko ety anaty aterineto, maro ny olona mitendry sy manome fahalalàna ny hafa amin'ny fitenindrenin-dry zareo. Mandrisika ahy hizara izany, na handray anjara kely avy aty amiko koa. Raha ny marina, tety anaty aterineto no nanombohako nianatra nanoratra tamin'ny fiteny Santali.

Fa mahatsapa koa aho hoe malaina rehefa tsy misy votoaty azo raisina amin'ny fiteniko momba izay zavatra ilaiko. Izany no zavanisy fony aho mbola tanora. Ankehitriny, efa matotra aho ary mahay mijery izay banga sy mitady làlana hamenoana azy ireny. Amin'izay zotra izay, betsaka ireo tetikasa loharano misokatra tsikaritro. Heveriko fa raha toa isika mandray anjara amin'izany, hahazo betsaka avy amin'izany ireo taranatsika ho avy.

Ny olana dia tena vitsy ireo angondrakitra azo raisina amin'ny fiteny Santali ety anaty aterineto (ireo fiteny hafa tsy ofisialy ao India ihany koa), isika amin'ny maha-isika fotsiny dia afaka, farafaharatsiny manangona rakitra marobe araka izay tratra mandritra ny fotoana mampahalalaka antsika. Avy eo, ireo mpikaroka no hampiasa izay rakitra nangonintsika ary handrafitra teknôlôjia ho tombontsoan'ny fiarahamonina.

Sady koa, miezaka aho ny tsy hiankin-doha ara-bola amin'ny alàlan'ireo votoaty nomerika atao amin'ny fitenindreniko, izay fanamby goavana tokoa. Tsy ela akory izay, tafiditra mivantana tamin'ny asa fikarohana [11] tahaka izany aho. Hatramin'izao, tsy nahita mihitsy aho olona mahaleotena ara-bola tamin'ny famoronana votoaty amin'ny fiteny Santali ety anaty aterineto.

RV: Farito ny sasantsasany amin'ireo fanamby manakana ny fiteninao ho tsy afaka ampiasaina feno ety anaty tambajotra.

Ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary ny tsy fahampian'ny fanentanana nomerika eny anivon'ny vahoaka. Tsy dia raharahian'ny olona loatra izay famoronana votoaty miresaka fanabeazana ety anaty aterineto. Ny vahoaka Adivasi ao India amin'ny ankapobeny no faran'izay tsy manana fahafahana miditra amin'ny tohana ara-bola, ara-pitantanana, ara-drafitra, ara-piteny sy ara-teknika hisian'ny fampiasàna ny fitenin-dry zareo mba hifanakolazana fahalalana.

Mahantra ny ankamaroan'ny vahoaka ary tsy afaka ny hividy solosaina, na dia afaka mahazo finday avo lenta aza ny sasany. Saingy, tsy vita amin'ny alàlan'ny finday avo lenta ireo asa mavesatra, izay misakana azy ireo tsy hanao votoaty tsaratsara kokoa.

Ny tsy fahampian'ny tohana ara-teknika dia mitarika ho amin'ny fahalainan'ireo mpamorona votoaty isankarazany.

Tamin'ny 2008, nampidirina tao anatin'ny Unicode ver. 5.1 ny endritsoratry ny fiteny Santali. Na efa 12 taona aty aoriana aza, tsy mbola azo raisina ho toy ny safidy hitetezana ny tranonkala ny fiteny Santali any anatin'ireo tranonkala lehibe sy fampiasa toy ny Google, Facebook, Twitter ary Instagram na mba natsofoka ho safidy amin'ireo fiteny azo ampiasaina. Nampidirina ny fiteny Santali ho toy ny fiteny azo fidiana rehefa manao fikarohana ao amin'ny Poeditor.com [12]. Talohan'izay ny olona dia tsy afaka nitondra ny fandraisany anjara tamin'ny fiteny Santali.

Ny fahavitsian'ny fizarana votoaty anaty aterineto dia mitarika ihany koa ny fisian'ireo torohay saropady ho azo raisina amin'ireo fiteny Advasi marobe. Ireo votoaty mifandraika amin'ny fialamboly izay ny ankamaroany dia natao ho an'ny haino-vaky-jery, ny fitadiavana ary ny fahitàna votoaty tahaka izany dia ambanimbany kokoa raha oharina amin'ny votoaty an-tsoratra. Misy fironana mankany amin'ny tsy fiankinandoha hita mitombo eny anivon'ireo vahoaka Advasi—avy amin'ny tsindry sôsialy ataon'ireo vondrom-piarahamonina mpifanolo-bodirindrina mibahan-toerana.

Manimba ny firoboroboan'ireo votoaty ny tsy fitoviankevitr'ireo manampahaizana momba ny singa manome ny fiteny—toy ny fankafizana rafi-panoratana iray miohatra amin'ny iray hafa ho an'ny fiteny Adivasi. Ny fifandirana tahaka izany manodidina ny fiteny sy ny hafatra feno fankahalàna aterany ao amin'ny aterineto dia niasa nanohitra ireo mpamorona votoaty vao nipongatra.

Ireo rafi-panoratana maro rantsana ampiasaina ho ana fiteny iray ankoatra ny fampiasàna ôfisialy dia misy fiantraikany miiba amin'ilay fiteny. Misy olana marobe kokoa izay heverinay ho marina. Azonareo atao ny mahafantatra misimisy kokoa avy amin'ny sampana Hypothesis [13].

RV: Inona no dingana mivaingana heverinao fa azo atao mba handrisihana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hanohizany hampiasa ny fiteniny?

PH: Ny fotokevitra Use it or Lose it no ampiasaiko (ampiasao na ario). Tsara kokoa raha ampiasaina any ho any ny fitenintsika, fa tsy hoe tahirizina fotsiny. Raha ny hevitro dia misy fepetra vitsivitsy azo raisina, toy ny fandraisana anjara misimisy kokoa ilaina hitahirizana io fiteny io ho mavitrika, toy ny fampiasàna ny fitendry, ny fanoratana, ny fitenenana tsy amim-pisalasalàna amin'ny fiainana andavanandro sy fitenenana azy tsy amin-kenatra.

Isambolana ny Santali Wikipedia dia mikarakara fifaninanana isankarazany ety anaty aterineto, antsoina hoe Editathon hanoratana lahatsoratra maromaro kokoa amin'ny fiteny Santali, izay nampitombo ny isan'ny fandraisana anjara.

Tsy ela akory izay, nisy hetsika vitsivitsy nokarakaraina tety anaty tambajotra, izay nampitombo ny isan'ny fandraisana anjara tety anaty aterineto ho an'ny Google Crowdsource, toerana ezahanay hitondràna ny fiteny Santali ho ao amin'ny Google.

Miaraka amin'ny ezaky ny tena manokana, nandika vitsivitsy tamin'ireo fampiasa anaty Android aho, izay nandrisika ny olona sasantsasany handika tamin'ny sitrapony, mitohy mitombo ho azy ao izy ary ankehitriny dia efa miisa ho fampiasa 20 eo ho eo.

Amin'ny alàlan'ireo hetsika/fandaharana anaty sy ivelan'ny aterineto, vitanay ny mamorona fahatsiarovantena toy izay ataonay amin'izao fotoana izao. Ny fampiasàna ny fiteninay amin'ny asa andavanandro aty anaty aterineto, toy ny media sôsialy, dia afaka ihany koa ho fanampiana goavana iray. Tokony hahisaka mankany amin'ny famoronana votoatim-panabeazana tsara kalitao ny fifantohana, fa tsy famoronana lahatsary mampiala voly fotsiny.