- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan, hozongozonin'ny onja vaovaom-pisamborana atosiky ny pôlitika

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Saripika an'i Hasan Almasi [1] ao amin'ny Unsplash [2]

Eo ambany fitarihan'ny filoha matanjaka Ilham Aliyev, matetika i Azerbaijan no nofaritana ho toy ny firenen'ny “varavarana mihodinkodina [3].” Ilay fomba fiteny dia manoritsoritra ny fomba fitantanan'ny fanjakàna ireo mpanakiana azy — isaky ny mamoaka gadra pôlitika sasany avy any am-ponja izy, dia manomboka onjana fisamborana vaovao kosa. Araka izany, efa an-taona maro [4] ireo fiarahamonina sivily sy mpiaro zon'olombelona ary mpanakiana fanjakana no kinendrin'ny filam-baniny, fandemena ary fisamborana. Manamarina ny fomba fanao hatrizay ilay onjana famoretana nitranga vao haingana.

Taorian'ny didim-panjakana famotsoran-keloka avy amin'ny filohampirenena [5] nivoaka tamin'ny 27 May, izay nandidy ny hamotsorana gadra 150 mahery, ka isan'izany ireo gadra pôlitika, ny andiana fisamborana vaovao sy fitsaràna dia mariky ny fiverenan'ny fomba fanao nahazatra [6]: “varavarana mihodinkodina”. Mandritra izany fotoana izany, ireo izay divin-janahary no nahafahany tamin'ny fampidirana am-ponja na fitazonana vonjimaika dia manohy [7] mikiakiaka ny fitomboan'ireo asa fampijaliana rehefa any am-pelatanan'ny pôlisy, zavatra izay lavin [8]‘ireo andrim-panjakan'ilay governemanta am-perinasa ankitsirano fotsiny  izao.

Tany aloha tany, ny ankohonan'ireo fianakaviana tena mpanohitra ny fanjakana dia natao lasibatra [9] ihany koa. Ny niharan-doza farany indrindra [10] tamina fikendrena vokatry ny pôlitika tahaka izany dia ilay mpikatroka Rabiyya Mammadova izay niharan'ny herisetra ara-batana nataon'ny mpiara-miasa hafa tany am-piasàna mihitsy ny reniny ny 3 Jona lasa teo. Nambaran'i Mammadova tamin'ny Global Voices fa “toy izao no fisehon'ny firotsahana amin'ny resaka pôlitika ho an'ny taona 2022 ao Azerbaijan. Io no andraman-dry zareo ho fomba hanatratrarany ahy.”

Mammadova, dia isan'ireo mpikatroka ampolony maro atao lasibatra, izay tato anatin'ny herinandro vitsivitsy dia nameno ny lohateny vaventy tanatin'ireo gazety ao an-toerana ny anarany. Norahonana [11] tamin'ny antsy ilay mpanao gazety, Aytan Mammadova, taorian'ny fanadihadiana nivaivay nataony, raha ilay mpikatroka pôlitika Bakthiyar Hajiyev indray kosa nalaina an-kery [12] ary nodarohana noho ny fanakianany ireo manampahefana ao an-toerana.            Tranga iray tena nahoraka ny an'ilay mpikatroka pôlitika bekotro maroholatra avy amin'ny mpanohitra, Tofig Yagublu, izay notànana nandritra ny famoriambahoaka iray natao ny Desambra 2021 [13]. Nozaraina be tao anaty media sôsialy ny sarin'ireo ratra nahazo azy — kanefa, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ireo manampahefana dia tsy nisy nidiran'ny pôlisy ny ratra nahazo ilay mpikatroka.

Ireo vondrona mpiaro zon'olombelona tahaka ny “The Defense Line,” dia manamafy [7] ny fihamafisan'ireo fanenjehana. Raha niresaka [7] tamin'ny mpanao gazety tamin'ny 3 Jona, nolazain'i Rufat Safarov, talen'ilay vondrona, fa nitombo ireo trangana famoretana sy fanerena ara-batana tamin'ny May. Niteny ihany koa i Safarov momba ireo fepetra tsy araka ny lalàna noraisina hanenjehana ireo olompirenena Azerbaijaney izay vao avy nampodiana avy any Alemaina, tsy ela akory izay [14]. Raha kely indrindra, hoy ny tatitry [14] ny mpampita vaovao, dia olona enina no nosamborina noho ny fiampangana sandoka azy ireo momba ny zavamahadomelina, taorian'ny niverenan-dry zareo ho ao Azerbaijan.

Ny 20 May, notànan'ny [15] pôlisy ihany koa ilay gadra pôltika taloha sady bilaogera Rashad Ramazanov. Ny ampitson'izay, fitsaràna iray tao Baku no niampanga [16] ilay bilaogera tamina vesatra mahakasika fitazonana zavamahadomelina tsy ara-dalàna, sy ny fikasàna hivarotra izany, nanasazy ilay bilaogera hifonja efatra volana mandra-piandry ny fitsaràna. Nitatitra [17] ihany koa i Ramazanov fa nampijaliana izy, fanambaràna iray izay nolavin'ireo manampahefana.

Ny 28 May, notazonin'ny pôlisy noho ny fiampangana momba ny resaka zavamahadomelina i Razi Alishov, ilay mpikatroka pôlitika sady mpikambana ao anatin'ny fanoherana Mandatehezam-Bahoaka. Araka ny [6] nambaran'i Ali Kerimli, mpitarika ny Antoko Mandatehezam-Bahoaka, resaka pôlitika no ao ambadiky ny fisamborana an'i Alishov, izay nolavin'ireo [18] manampahefana.

Tanaty fanambaràna iray navoakan'ny Filankevitra Nasiônalin'ny mpanohitra, nomelohin'ilay [19] vondrona ny famoretana misy amin'izao fotoana izao:

Matetika ireo masoivoho Azerbaijaney mpampihatra lalàna no misambotra mpikatroka mpanohitra ara-pôlitika ampangaina amina resaka zava-mahadomelina. Razi Alishov dia mbola mpikatroka pôlitika iray nohelohina araka io andininy io. Amin'ny fisamborana an'i Razi Alishov, dia manamafy indray fa tsy mikasa velively ny hanova fomba fitantanany ny governemanta Ilham Aliyev no sady tsy afaka ny hiasa intsony raha tsy miditra amin'ny resaka famoretana sy fisamborana pôlitika. Raha tsy izany, tsy misy afaka didiana avy hatrany hanaovana fisamborana pôlitika vaovao taorian'ilay didy famotsoran-keloka tsy tonga volana nosoniavina tamin'ny 27 May, izay mahakasika gadra pôlitika marobe.
Ny fanararaotam-pahefana ara-pôlitika nisy koa dia nokianin'ny [20] hetsika N!DA an'ny mpanohitra tao anaty fanambaràna iray navoaka tao amin'ny Facebook:
Izahay, sivily mpikatroka ara-pôlitika, pôlitisiana, mpiaro zon'olombelona, mpanao gazety ary olompirenena, dia tena velon'ahiahy mafy momba ireo fanafihana sy fanenjehana atao an'ireo mpikatroka pôlitika sy mpanao gazety ary ny fianakavian'izy ireny noho ny hetsika pôlitika nataon-dry zareo, tato anatin'ny volana vitsivitsy.  Ny fidarohana an'i Musavat mpikambana ao amin'ny Tofig Yagublu tany amin'ny tobin'ny pôlisy, fanalàna baraka ilay mpikatroka pôlitika nalaina an-kery Bakhtiyar Hajiyev, ny fikasihan-tànana nahazo ny renin'i Rabiyya Mammadova, ary ny fandrahonana tamin'ny antsy natao an'ilay mpanao gazety Aytan Mammadova, dia mampiseho fa antony pôlitika tsy misy fangarony no nanaovan'ireo vondrona sasany mpanao heloka bevava ireny zavatra ireny.

Nahazo ireo mpikatroka ara-pinoana ihany koa ilay onjam-pamoretana farany teo. Ny 7 Jona, ilay mpikatroka ara-pinoana Fagan Mamedov dia voaheloka [21] hifonja enina taona noho ny resaka zava-mahadomelina, filazàna izay nolavin'ilay mpikatroka. Iray hafa koa mbola mpikatroka ara-pinoana ihany, Razi Abbasov no voaheloka hifonja enina taona tamin'ny 20 May, noho ny fiampangana azy ho nitazona zava-mahadomelina. Tamin'ny andron'ny fitsaràna, nisy vondrona iray nahitàna ireo mpikatroka ara-pinoana nitangorona teo anoloan'ny efitrano fitsaràna, saingy naparitaky ny pôlisy, ary dimy ireo mpikatroka no voasambotra.

Nitatitra ny [22] masoivohom-baovao Turan fa telo tamin-dry zareo no voaheloka higadra vonjimaika 30 andro, ary roa no navotsotra afaka ora maromaro taorian'izay. Araka ny fitantaran'ireo lehilahy roa navotsotra, nampijaly azy no sady nanala baraka ireo mpikatroka roa ny pôlisy, tamin'ny fampiasàna fiteny tsy mendrika manivaiva azy ireo sy Andriamanitra. Ho setrin'izany, nisy tamin'ireo mpikatroka no niditra tamin'ny fampiharana fitokonana tsy mihinana hanina.

Tsy zava-baovao [23] ny fisamborana mpikatroka ara-pinoana. Efa hatry ny ela ny mpitarika tao amin'ny firenena no nijery [24] tamin'ahiahy [25] ireo vondrona ara-pinoana. Tamin'ny 2015, tonga tamin'ny fara-tampony [26] ny fifanenjanana rehefa nosamborin'ny polisy ny dimy ambinifolo tamin-dry zareo, taorian'ny hetsika manokana nataon'ny polisy tao Nardaran, vohitra Shia mpifikitra amin'ny nentindrazana any amin'ny manodidina ny renivohitra. Nolazain'ireo [25] manampahefana fa “nisoroka fihokoana ara-pinoana saika hataon'ireo mpino shiita mpanao an-tendro ry zareo, izay ny tanjony dia ny hametraka fanjakana sharia ao anatin'i Azerbaijan maoderina sy laika.” Ato anatin'ny herinandro maromaro, raha mbola eo am-panehoana ny hasosorany eny amin'ny kianja natao ho an'ny daholobe ireo mponina, mitohy hatrany ny fifanenjanana iarahana amin'ireo manampahefana. Vokany, fitopolo raha kely indrindra, mety tafakatra hatramin'ny olona valopolo [27] mihitsy aza, no fitambaran'ireo voasambotry ny polisy. Ny niafaràny, marobe ireo navotsotra, ankoatra an'i Taleh Bagirzade, filohan'ny Hetsika Firaisankinan'ny Miozolmàna, sy efatra ambinifolo hafa. Taona roa taty aoriana, voaheloka i [27] Bagirzade hifonja mandritra ny roapolo taona. Nahazo sazy mitovy amin'izany koa ny lefiny, Abbas Huseynov. Izy roa ireo dia samy voampanga ho “niantso vahoaka hanongana ny governemanta sy nihantsy fifankahalàn'ny foko, finoana ary asa-tsosialy,” hoy ny tatitry ny  [27] Radio Liberty tamin'izany fotoana izany. Nitohy [28] nandritra ireo volana nanaraka izany ireo fanamelohana, ka ny sasany nahazo [29] fampidirana am-ponja 12 hatramin'ny 15 taona. Saingy tsy nitsahatra teo ny fanenjehana ireo mpikatroka ara-pinoana. Nandritra ireo taona maro nifandimby, notohizan'ireo [30] manampahefana ny nanenjika ireo mpikambana [31] avy amin'ny Hetsika Firaisankinan'ny Miozolmàna. 

Ny 29 May, nilaza [32] ilay mpikatroka miaina an-tsesitany, Tural Sadigli, fa tandindonin-doza ny fiainany taorian'ny naharaisany ireo tatitra mahakasika lehilahy efatra tonga nitsidika ny tokantranony tao Alemaina. Tanaty antsafa [33] iray nifanaovana tamin'ny Meydan TV, nolazain'ilay mpikatroka pôlitika fa atao lasibatra izy satria abaribarin'ny asany ny kolikoly ataon'ny governemanta, indrindra fa ny an'ny fianakavian'ny filohampirenena. Mitantana fantsona Youtube iray i Sadigli, Azad Soz [34] [Tontolo Afaka], toerana izay matetika anakianany ireo manampahefana Azerbaijaney.

Saingy ireo mpikatroka kosa manohy maneho ny fankahàrany na eo aza ilay onjam-panafihana vao haingana. Raha niresaka tamin'ny Global Voices, Rabiyya Mammadova nilaza fa hanohy hitolona ary hanao izay ho afany ho an'ny vondrom-piarahamoniny. “Fantatro fa mandeha amin'ny làlana mahitsy aho, tsy matahotra aho” hoy i Mammadova. Ny 14 May, nisy andiany iray nahitana ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonina sivily nanao famoriambahoaka [35] tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota manoloana iroe mpanakiana ny fanjakana, mpikatroka pôlitika ary mpanao gazety. Nolazain'ireo [36] mpikarakara ilay hetsika fa ny fanapahankevitra hanao ilay famoriambahoaka dia teraka taorian'ireo herisetra nikendrena ireo mpikatroka pôlitika sy ireo mpanao gazety.