- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manohitra ny famerana azy ny mpanao gazety Timor-Leste ary manamafy ny zony hanontany ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Timor Atsinanana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Ny filohan'i Timor-Leste José Ramos-Horta (ankavia) sy ny mpanolotsainam-panjakana ao Shina sady minisitry ny Raharaham-panjakana Wang Yi (ankavanana) nandritra ny lahateny tamin'ny mpanao gazety. Sary [1] tao amin'ny pejy Facebook an'i Ramos-Horta.

Notoherin'ireo mpanao gazety ao an-toerana ny fameperana ary nohamafisiny ny zon'izy ireo hanontany ny Mpanolotsainam-panjakana ao Shina sady Minisitry ny Raharaham-bahiny Wang Yi nandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety nandritra ny fitsidihan'i Wang tany Timor-Leste tamin'ny 4 Jona.

Timor-Leste no fiantsonana farany ho an'i Wang, izay nitsidihany an'i Pasifika tanatin'ny 10 andro tany amin'ny Nosy Solomon, Kiribati, Samoa, Fidji, Tonga, Vanuatu, ary Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nanasonia fifanarahana isan-karazany maneho ny fikasan'i Shina hanamafy ny fiarahamiasa amin'ireo firenena ao Pasifika izy. Talohan'ny fitetezam-paritra, nisy ny antontan-taratasy tafaporitsaka nanambara ny drafitr'i Shina hanangana fifanarahana ara-piarovana any amin'ny faritra Pasifika izay niteraka fanehoan-kevitra mahery vaika avy amin'ireo firenena toa an'i Aostralia sy Etazonia. Nolavin'i Shina ny filazana fa liana amin'ny fananganana fotodrafitrasa ara-miaramila any Pasifika izy [2]ary niampanga ireo mpifanandrina aminy ho nanao filazana diso.

Nofaranan'i Wang tsy nisy fanaovan-tsonia fifanarahana ara-piarovana ny fitsidihany, na dia nanjary hetsika ara-politika lehibe aza ny fitsidihany, ankoatra ny fampiroboroboana ny hetsika ara-diplaomatikan'i Shina ao amin'ny faritra.

Tany Timor-Leste, nanasonia fifanarahana [3] ara-pambolena, fiaraha-miombon'antoka ara-haino aman-jery sy fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-teknika i Wang. Nanaiky handefa ekipa mpitsabo ho any Timor-Leste ihany koa i Shina saingy tsy nahavita nandresy lahatra [4] ny governemanta Timorey hanasonia fiarahamiasa ara-piarovana. Nanasongadina ny dian'i Wang tany Timor-Leste [5]ny tsongam-panambarana navoakan'ny governemantan'i Shina:

During the visit, Wang Yi met with Timor-Leste's Prime Minister Taur Matan Ruak, held talks with Timor-Leste's Foreign Minister Adaljiza Albertina Xavier Reis Magno, and attended the signing ceremony of cooperation documents.

After the meeting, Wang Yi, accompanied by [President] Ramos-Horta, met the press and answered impromptu questions.

Nandritra ny fitsidihana, nihaona tamin'ny praiminisitr'i Timor-Leste, Taur Matan Ruak i Wang Yi, nanao fifampiresahana tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Timor-Leste, Adaljiza Albertina Xavier Reis Magno, ary nanatrika ny lanonana fanaovan-tsonia ny antontan-taratasy fiaraha-miasa.

Taorian'ny fihaonana, nifampiresaka tamin'ny mpanao gazety i Wang Yi, niaraka tamin'ny [Filoha] Ramos-Horta, ary namaly fanontaniana tsy nampoizina.

Saingy nitranga fotsiny ireo “fanontaniana tsy nampoizina” satria nanohitra ny governemantany ireo mpanao gazety ao an-toerana mba hanaisotra ireo fameperana momba ny fandrakofam-baovao izay napetraka mialoha ny fitsidihan'i Wang.

Andro vitsy talohan'ny nahatongavan'i Wang Yi, nolazaina tamin'ireo mpanao gazety eo an-toerana fa tsy mahazo mametraka fanontaniana  izy ireo mandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety [6], hetsika iray notoherin'ireo vondrona fampitam-baovao eo an-toerana.

Manohitra ny faneken'ny governemanta ny fitakian'i #Shina [7]tsy hametraka fanontaniana amin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mandritra ny fitsidihany an'i #TimorLeste [8] amin'ity herinandro ity ny mpanao gazety Timor.
“Tsy misy fanambarana na tafatafa azon'ny haino aman-jery atao.” Ny delegasiona Shinoa no nitaky izany,” minisitry ny raharaham-bahiny Timor-Leste

Nangataka tamin'ny filoha vao voafidy José Ramos-Horta, nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana ny mpiasan'ny haino aman-jery mba hanohana ny fahalalahan'ny haino aman-jery amin'ny alàlan'ny famelana ireo mpanao gazety eo an-toerana hanatanteraka ny asany tsy misy fameperana. Taorian'ny fitsabahan'i Ramos-Horta, nilefitra ny delegasiona Shinoa ary namela ny mpanao gazety hametraka fanontaniana amin'i Wang Yi.

Fandresena ho an'ny #Fahalalahan'ny Gazety [11]!
Nilefitra ny minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa nanoloana ny fanoherana ny fandraràna ny fanontanian'ny mpanao gazety TimorLeste. Nankalaza ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ireo mpanao gazety #TimorLeste [8] taorian'ny naneken'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny #Shinoa [7] ny hiresaka tamin'izy ireo taorian'ny fihaonana tamin'ny Filohany Jose Ramos Horta.

Tany amin'ireo firenena Pasifika hafa notsidihin'i Wang teo aloha, tsy navela hanontany [14] tamin'ny tompon'andraikitra Shinoa ireo mpanao gazety teo an-toerana. Tany amin'ny Nosy Solomon, nitaky ny hanaovana ankivy [15] ny fitsidihana ny vondrona media ao an-toerana. Tsy nisy hetsika an-gazety natao [16] tany Kiribati, Samoa, na Fidji. Nanakiana ny manampahefana Shinoa sy ny governemanta Pasifika [17] ny masoivohon'ny haino aman-jery isam-paritra sy manerantany noho ny fanakanana ny ezaky ny mpanao gazety hikaroka vaovao bebe kokoa nandritra ny fitsidihana manan-tantara nataon'i Wang Yi tao amin'ny faritra.

David Robie manoratra ho an'ny Asia-Pacific Report, nanasongadina ny maha-zava-dehibe [18] ny zava-bitan'ny mpanao gazety Timor-Leste:

Timor-Leste, the youngest independent nation and the most fledgling press in the Asia-Pacific, has finally shown how it’s done — with a big lesson for Pacific island neighbours.

Tackle the Chinese media gatekeepers and creeping authoritarianism threatening journalism in the region at the top.

Nampiseho ny fomba nataony  — tamin'ny lesona lehibe ho an'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy ao amin'ny nosy Pasifika ihany nony farany i Timor-Leste, firenena mahaleo tena zandriny indrindra ary mpanao gazety vao haingana indrindra any Azia-Pasifika.

Mijoro manoloana ireo mpiandry vavahadin'ny fampahalalam-baovao Shinoa sy ny fitondrana tsirefesimandidy manohintohina ny asa fanaovan-gazety any amin'ny faritra ambony indrindra.