Manohitra ny famerana azy ny mpanao gazety Timor-Leste ary manamafy ny zony hanontany ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Shina

Ny filohan'i Timor-Leste José Ramos-Horta (ankavia) sy ny mpanolotsainam-panjakana ao Shina sady minisitry ny Raharaham-panjakana Wang Yi (ankavanana) nandritra ny lahateny tamin'ny mpanao gazety. Sary tao amin'ny pejy Facebook an'i Ramos-Horta.

Notoherin'ireo mpanao gazety ao an-toerana ny fameperana ary nohamafisiny ny zon'izy ireo hanontany ny Mpanolotsainam-panjakana ao Shina sady Minisitry ny Raharaham-bahiny Wang Yi nandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety nandritra ny fitsidihan'i Wang tany Timor-Leste tamin'ny 4 Jona.

Timor-Leste no fiantsonana farany ho an'i Wang, izay nitsidihany an'i Pasifika tanatin'ny 10 andro tany amin'ny Nosy Solomon, Kiribati, Samoa, Fidji, Tonga, Vanuatu, ary Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nanasonia fifanarahana isan-karazany maneho ny fikasan'i Shina hanamafy ny fiarahamiasa amin'ireo firenena ao Pasifika izy. Talohan'ny fitetezam-paritra, nisy ny antontan-taratasy tafaporitsaka nanambara ny drafitr'i Shina hanangana fifanarahana ara-piarovana any amin'ny faritra Pasifika izay niteraka fanehoan-kevitra mahery vaika avy amin'ireo firenena toa an'i Aostralia sy Etazonia. Nolavin'i Shina ny filazana fa liana amin'ny fananganana fotodrafitrasa ara-miaramila any Pasifika izy ary niampanga ireo mpifanandrina aminy ho nanao filazana diso.

Nofaranan'i Wang tsy nisy fanaovan-tsonia fifanarahana ara-piarovana ny fitsidihany, na dia nanjary hetsika ara-politika lehibe aza ny fitsidihany, ankoatra ny fampiroboroboana ny hetsika ara-diplaomatikan'i Shina ao amin'ny faritra.

Tany Timor-Leste, nanasonia fifanarahana ara-pambolena, fiaraha-miombon'antoka ara-haino aman-jery sy fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-teknika i Wang. Nanaiky handefa ekipa mpitsabo ho any Timor-Leste ihany koa i Shina saingy tsy nahavita nandresy lahatra ny governemanta Timorey hanasonia fiarahamiasa ara-piarovana. Nanasongadina ny dian'i Wang tany Timor-Leste ny tsongam-panambarana navoakan'ny governemantan'i Shina:

During the visit, Wang Yi met with Timor-Leste's Prime Minister Taur Matan Ruak, held talks with Timor-Leste's Foreign Minister Adaljiza Albertina Xavier Reis Magno, and attended the signing ceremony of cooperation documents.

After the meeting, Wang Yi, accompanied by [President] Ramos-Horta, met the press and answered impromptu questions.

Nandritra ny fitsidihana, nihaona tamin'ny praiminisitr'i Timor-Leste, Taur Matan Ruak i Wang Yi, nanao fifampiresahana tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Timor-Leste, Adaljiza Albertina Xavier Reis Magno, ary nanatrika ny lanonana fanaovan-tsonia ny antontan-taratasy fiaraha-miasa.

Taorian'ny fihaonana, nifampiresaka tamin'ny mpanao gazety i Wang Yi, niaraka tamin'ny [Filoha] Ramos-Horta, ary namaly fanontaniana tsy nampoizina.

Saingy nitranga fotsiny ireo “fanontaniana tsy nampoizina” satria nanohitra ny governemantany ireo mpanao gazety ao an-toerana mba hanaisotra ireo fameperana momba ny fandrakofam-baovao izay napetraka mialoha ny fitsidihan'i Wang.

Andro vitsy talohan'ny nahatongavan'i Wang Yi, nolazaina tamin'ireo mpanao gazety eo an-toerana fa tsy mahazo mametraka fanontaniana  izy ireo mandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety, hetsika iray notoherin'ireo vondrona fampitam-baovao eo an-toerana.

Manohitra ny faneken'ny governemanta ny fitakian'i #Shina tsy hametraka fanontaniana amin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mandritra ny fitsidihany an'i #TimorLeste amin'ity herinandro ity ny mpanao gazety Timor.
“Tsy misy fanambarana na tafatafa azon'ny haino aman-jery atao.” Ny delegasiona Shinoa no nitaky izany,” minisitry ny raharaham-bahiny Timor-Leste

Nangataka tamin'ny filoha vao voafidy José Ramos-Horta, nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana ny mpiasan'ny haino aman-jery mba hanohana ny fahalalahan'ny haino aman-jery amin'ny alàlan'ny famelana ireo mpanao gazety eo an-toerana hanatanteraka ny asany tsy misy fameperana. Taorian'ny fitsabahan'i Ramos-Horta, nilefitra ny delegasiona Shinoa ary namela ny mpanao gazety hametraka fanontaniana amin'i Wang Yi.

Fandresena ho an'ny #Fahalalahan'ny Gazety!
Nilefitra ny minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa nanoloana ny fanoherana ny fandraràna ny fanontanian'ny mpanao gazety TimorLeste. Nankalaza ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ireo mpanao gazety #TimorLeste taorian'ny naneken'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny #Shinoa ny hiresaka tamin'izy ireo taorian'ny fihaonana tamin'ny Filohany Jose Ramos Horta.

Tany amin'ireo firenena Pasifika hafa notsidihin'i Wang teo aloha, tsy navela hanontany tamin'ny tompon'andraikitra Shinoa ireo mpanao gazety teo an-toerana. Tany amin'ny Nosy Solomon, nitaky ny hanaovana ankivy ny fitsidihana ny vondrona media ao an-toerana. Tsy nisy hetsika an-gazety natao tany Kiribati, Samoa, na Fidji. Nanakiana ny manampahefana Shinoa sy ny governemanta Pasifika ny masoivohon'ny haino aman-jery isam-paritra sy manerantany noho ny fanakanana ny ezaky ny mpanao gazety hikaroka vaovao bebe kokoa nandritra ny fitsidihana manan-tantara nataon'i Wang Yi tao amin'ny faritra.

David Robie manoratra ho an'ny Asia-Pacific Report, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny zava-bitan'ny mpanao gazety Timor-Leste:

Timor-Leste, the youngest independent nation and the most fledgling press in the Asia-Pacific, has finally shown how it’s done — with a big lesson for Pacific island neighbours.

Tackle the Chinese media gatekeepers and creeping authoritarianism threatening journalism in the region at the top.

Nampiseho ny fomba nataony  — tamin'ny lesona lehibe ho an'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy ao amin'ny nosy Pasifika ihany nony farany i Timor-Leste, firenena mahaleo tena zandriny indrindra ary mpanao gazety vao haingana indrindra any Azia-Pasifika.

Mijoro manoloana ireo mpiandry vavahadin'ny fampahalalam-baovao Shinoa sy ny fitondrana tsirefesimandidy manohintohina ny asa fanaovan-gazety any amin'ny faritra ambony indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.