- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ylli Morina: ilay 13 taona lalin-tsaina amin'ny matematika avy ao Skopje, mampianatra ireo mpianatry ny Anjerimanontolo

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fampandrosoana, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara
[1]

Ylli Morina. Sary an'ny Meta.mk, nampiasaina nahazoana alalàna

Avy amin'ny fandrakofana voalohany [2] nataon'ny Meta.mk. ity tantara ity. Ampahany iray nasiana fanovàna no naverina navoaka indray eto ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis.

Tamin'ny taona 2015, nanatevin-daharana ny Programme for International Student Assessment (PISA) [3] i Makedonia Avaratra, fandalinana maneran-tany nataon'ny Organisation for Economic Co-operation and Development (OECD) – Fikambanana Fiarahamiasa sy Fampandrosoana ny Toekareana. Nanomboka hatreo, isa ambany no azony. Nametraka ny firenena ho any amin'ny laharana farany tao Eoropa ireo angona farany tamin'ny taona 2018 [4] tao amin'ireo sehatra telo goavana izay, ny matematika, ny siansa sy ny famakian-teny. Nisy fiantraikany tamin'ny lentan'ny fahafehezana ny media [5] ao amin'ny firenena ihany koa izany. Mampivoitra ny filàna fanavaozana ara-drafitra ity tranga mikasika ny olona iray kintan'ny matematika avy any Skopje ity ho entina mamaha ny olan'ny haratsin'ny kalitaon'ny rafi-panabeazana.

Tsy anisan'irony ankizy mpandany ny androny amin'ny filalaovana baolina miaraka amin'ny namany irony i Yilli Morina. Mbola vao 13 taona izy, monina ao ambanivohitr'i Skopje tao Shuto Orizari izy ary saika mandany fotoana amin'ny famahana ny olan'ireo fampiasana matematika sy fizika izy. Mifanohitra be amin'ireo namany, noho ny fahalalany, ny fianarana tao amin'ny kilasy taona faha-8 amin'ny fanabeazana fototra no narahiny fa tsy ny kilasy taona faha-7. Mizara malalaka ireo fahalalany eo amin'ny fantsony YouTube [6] izy, izay koa no antony naharenesan'ireo mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo mikasika ny taotrano, ny fizika, ny toekarena ary ireo siansa hafa misy ifandraisany amin'ny matematika, momba ity zaza mahagaga ity.

Nangataka fanampiana taminy ireo mpianatra amin'ny Anjerimanontolo avy ao Makedonia Avaratra sy avy any ivelany. Manome fitarihan-dàlana ho an'ny sasantsasany amin'izy ireo any an-tranony i Ylli Morina, toy ilay mpianatra amin'ny toekarena, Bunjamin Bahtijari. Tao anatin'ny fanambaràna ho an'ny Meta.mk, nilaza i Bahtijari fa :

“Mianatra miaraka amin'i Yilli eto aho. Somary hafahafa kely, satria ankizy i Yilli, nefa mahay matematika be ary mahay tsara manazava ireo fampiasàna. Hazavainy ireo fampiasana sy ireo olana izay tsy hain'ny mpampianatra ahy ny manazava tsara azy  amiko, tsara noho izy.”

Mino izy fa manana ho avy mamirapiratra ilay tanora mpampianatra azy .

“Tena manan-talenta izy. Angamba indray andro any dia ho lasa toa an'i Elon Musk izy, satria manan-talenta tahaka azy izy”, hoy i Bahtijari.

Ny fipetrahana ao Shuto Orizari, iray amin'ireo kaominina tena mahantra indrindra ao amin'ny firenena [7], dia tsy nahazoan'i Ylli tombony. Satria miankina mivantana amin'ny famatsiam-bolan'ny governemanta eo an-toerana ireo sekoly fanabeazana fototra, ny tsy fahampiana loharanon-karena sy/na ny tsy fisiana laharam-pahamehana ataon'ireo mpanapa-kevitra dia mitarika ho amin'ny zara fa fisian'ny fanohanana fototra ho azy ireny.

Satria tsy ampy ny kilasy sahaza sy ny boky fanabeazana tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra nisy azy izay mifanaraka amin'ny filàny sy ny talentany, nanitatra ny fahalalany tamin'ny aterineto i Ylli, tamin'ny alalan'ny fihainoana an'ireo mpampianatra avy any ivelany.

Ny reniny, Imrane Morina, naniry ny hanampy azy bebe kokoa dia nisafidy ny hiova asa ary nandao mihitsy ny fianarany ho mpitsabo. Mbola zazakely i Ylli dia efa nahay namaky teny sy nanoratra hoy izy. Mbola vao efatra taona izy dia efa nankafy ny matematika ary, nanomboka hatreo, dia tsy nitsahatra namaha an'ireo olana matematika. Nanomboka nizara an'ireo fahalalany ho an'ny daholobe izy ary nanomboka nandrakitra samirery an'ireo lahatsary fampianarana.

Nanazava ilay matematisiana tanora hoe :

“Fony mbola 9 taona aho, dia nanomboka nanao fantsona ho an'ireo fampiasana sy olana matematika. Tamin'ny voalohany, nandefa ireo lahatsary mikasika ny famahana olana sy fampiasana mora kokoa aho. Saingy rehefa namaha ireo olana aho, dia tsy mbola tena nahazo antoka foana, noho izany nanatona ny mpampianatra avy tao Kosovo aho, profesora Skender Kastrati. Avy eo, sady mbola naka ny toroheviny foana aho, no nanomboka nampiakatra ireo olana matematika voavahako ho ao amin'ny YouTube. Saingy nojereko koa ireo mpampianatra hafa tao India, Pakistana, Amerika, Kossovo, na taiza na taiza azoko. Ireo olana izay napetrak'izy ireny dia novahako avokoa ary nalefako tamin'ny YouTube. Toy izany no fomba nianarako. Avy eo, nanomboka niara-niasa tamin'ny mpampianatra Musa Zuka aho ary nanomboka nandray anjara ihany koa tamina fifaninanana.”

Ny ankamaroan'ireo lahatsary amin'ny fantsony YouTube dia amin'ny fitenin-drazany albaney, saingy namokatra ihany koa izy ireo sasantsasany amin'ny fiteny hafa izy, toy ny fiteny anglisy.

Hatreto, efa nandrombaka ny laharana voalohany i Ylli Morina tamin'ireo fifaninanana monisipaly marobe, fifaninanam-panjakana sy isam-paritra amin'ny matematika na siansa. Nefa faly ihany koa izy amin'ny fahombiazan'ireo mpianatra amin'ny Anjerimanontolo izay ambany fiahiany.

“Mifandray amiko foana ireo mpianatra isaky ny misy ilàny ahy, in-droa na in-telo isan-kerinandro. Ary mahazo fahombiazana izy ireo. Ohatra, mpianatra roa nomaniko ho amin'ny fanadinana matematika no nahavita izany. Avy any Kossovo ny iray tamin'izy ireo ary ny iray hafa avy ao Afrika, izay nampiako tamin'ny Limites”, hoy i Ylli, nampiany fa nanoratra boky roa izy misy an'ireo, izay tsy mbola nivoaka foana.

Naseho tamin'ny sarimihetsika fanadihadiana [8] iray sy tamin'ny fandaharana lahatsary tety an-tambajotra ny tantarany ho an'ireo Shortcut tanora, novokarina tamin'ny teny Makedoniana [9] sy Albaney [10], ireo rehetra ireo dia hanentanana ny daholobe ary fandrisihana ireo tomponandraikitra mahefa mba handray andraikitra sy hikaroka vahaolana.

Manantena ny hanaraka ny fianarany ao amin'ny toeram-panabeazana matematika i Ylli fa tsy hitsapatsapa mandritra ny taona iray hafa hianatra ireo taranjam-pampianarana fototra efa hainy sahady. (Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: ao Makedonia Avaratra, ny sekoly ambaratonga fototra dia mandritra ny 9 taona, ny taona faha-9 dia mitovy amin'ny taona fahavalo araka ny rafitra klasika taloha).

Tsy manana afatsy lahateny fiderana ho an'i Ylli ny mpampianatra azy tany amin'ny sekoly fanabeazana fototra, Meral Riza. Nefa na izany aza, nilaza izy fa, mampalahelo, tsy natao ho an'ny ankizy manan-talenta mihitsy ny programam-pampianarana ao Makedonia Avaratra ary matetika mametraka olana ho an'ireo ankizy sy ho an'ny ray aman-dreny.

Mizara an'ity traikefa ity ny renin'i Ylli. Nolazainy fa amin'ny maha-ray aman-dreny azy dia matetika izy no miatrika olana, noho ny tsy fahampian'ny fandaharam-pianarana voarafitra hifanaraka amin'ireo ankizy lalin-tsaina. “Tsy afaka ny hanoro làlana amin'ny fomba tena izy ireo talenta izahay amin'io rafi-pampianarana io, satria miezaka ny ho tonga lafatra fotsiny ireo mpianatra amin'ny alàlan'ny naotiny, fa tsy ampy hivelaran'ny tena talentan'izy ireo izany,” hoy ny filazan'ny renin'i Ylli.

Maka an'ohatra amin'ny fomba fanao tohizan'ireo sekolim-bahoaka sy tsy miankina marobe i Morina amin'ny fanomezana naoty ambony ho an'ny ankamaroan'ny mpianatra, satria ny GPA ambony na “tonga lafatra” amin'ny ankapobeny dia fepetra iray ilaina mba hahafahan'izy ireo misafidy lisea na anjerimanontolo araka izay tiany. Mora iharan'ny fitaoman-dratsy isan-karazany ireo mpampianatra, manomboka amin'ny fanerena sy ny kolikoly ataon'ireo ray aman-dreny, ka hatramin'ny fangorahana, manery azy ireo hanome naoty ambony kokoa an'ireo ankizy izay tsy dia mahay tsara.

Ny tsy fisian'ny fepetra takiana amin'ny fitsapam-pahaizana sy ny maripahaizana no mitarika ireo trangan-javatra izay ahafahan'ny sekoly amin'ny fanabeazana fototra samihafa mamoaka amin'ny fomba ofisialy ny mpianatra “A daholo” amin'ny ambaratongam-pahalalana sy fahaiza-manao samihafa, na ho an'ny tsirairay izany na ho an'ny sekoly. Ny fanaovana ny rafitra ho toy ny fitantanana birao fotsiny dia mametraka ny tsindrimpeo ho amin'ireo masontsivana apetraky ny lalàna fa tsy ny fampifanarahana ny traikefam-panabeazana amin'ny filàna sy ny talentan'ny ankizy tsirairay. Taloha, nandrora nintsilany ny rafitra popilista nikasa hanery ny “fitsapana ivelany”, satria ny fampiharana azy dia nanantitrantitra ny fanarahana rafitra sy ny fanasaziana, anisan'izany ny fanasaziana mpampianatra sy ny fampijaliana an'ireo mpianatra, izay nikomy [11] mnandritra ny fihetsiketsehana. Tamin'ny taona 2017, nofoanan'ny governemanta ilay fandaharam-pianarana [12].

Sahala amin'ireo firenena Balkana sy Eoropeana Tatsinanana hafa, vitsy ireo harena voajanahary sy indostrialy ananan'i Makedonia, ary tamin'ny angona farany tamin'ny fanisam-bahoaka [13] dia hita fa miha-antitra haingana ny mponina ao. Voasakantsakan'ny fandosiran'ireo atidoha [14] ny fanarenana indray ara-toekarena an'ilay firenena. Tafiditra anatin'izany ireo fianakaviana manan-janaka lalin-tsaina – nifidy ny hifindra monina any Eoropa Andrefana na any Etazonia ireo ray aman-dreny sasany mba hanomezana vintana tsara kokoa ireo zanany lalin-tsaina hahatontosa ny hetahetany amin'ny alalan'ny fampidirana azy ireo any amin'ny rafi-pampianarana izay mandala ity karazana fahasamihafana ity. Ho an'i Ylli sy ireo hafa toa azy, ny aterineto no nanome làlana safidy ho azy hahazoana sy hizaràna fahalalana, nefa tsy miala ao an-tanindrazana.