- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Andran-tsiro” ihany amin'ny fetibe amin'ity taona ity no ho azon'ireo mpitia Karnavaly ao Trinidad sy Tobagoa amin'ity taona ity, saingy ho tian'izy ireo ve izany ?

Sokajy: Mediam-bahoaka
[1]

Pikantsary avy amin'ny Blue Devil, mpilalao mahazatra amin'ny karnavaly ao Trinidad sy Tobago, avy amin'ny andiana Karnavaly “This is Home” an'ny NGC. Sary [1] an'i Walt Lovelace, fampiasàna nahazoana alalana.

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka ny 04/02/2022)

Raha toa ka fotoana “ara-dalàna”, dia efa nanomboka tsara ny vanim-potoanan'ny Karnavaly [2] malaza eran'izao tontolo izao ao Trinidad sy Tobago, miaraka amin'ny fety sy ny fampisehoana soca [3] mahasarika olona marobe, ary ireo andiany voalohany amin'ny fifaninanana vely vilany vy [4] sy ny saron-tava [5] makotrokotroka tanteraka, ireo rehetra ireo dia samy mitondra ho amina matso an-dalambe [6] mandritra ny roa andro, ny Alatsinainy sy ny Talata mialoha ny Alarobia andron'ny Lavenona, izay nilatsaka ho ny 2 Martsa tamin'ity taona ity. Saingy fotoanan'ny valan'aretina izao ary miaraka amin'ny fanafoanana [7] ny fetibe tamin'ny taona 2021 sy ireo famoronana nahatsapa ny fiantraikany [8], dia nitady fomba iray ny governemanta hanatanterahana andiana Karnavaly iray ho an'ny taona 2022.

Ampidiro ny hoe “A Taste of Carnival” [9]andrana iray [10] hamelàna ny sehatra rehetra manodidina ny Karnavaly hanana hetsika amin'ny “faritra telo azo antoka” efa voafaritra. Mifanaraka amin'ny arofenitry ny COVID-19 ireo faritra telo ireo – ny Queen's Park Savannah [11], La Mecque nentin-drazana ho an'ny fetibe ao an-toerana, ary ny Queen's Hall [12], izay samy hita ao an-drenivohitra ireo, ny Seranan'i Espaina, ary koa ny Naparima Bowl [13], toerana fanaovana kanto ao atsimon'i Trinidad – tsy azo hidirana afa-tsy ireo mpijery sy artista vita vaksiny irery ihany.

Mifanohitra amin'ilay Karnavaly an'i Miami [14] nokarakaraina vao haingana, misy fampiasana ‘pods‘ ny fomba fiasa [15], izay hifanelanelanan'ireo olona ara-batana anatina ‘bulles’ sosialy misy azy ary mankafia ireo seho ampiasàna karatra [16]. Indrindra indrindra fa ireo fankalazana ny J'ouvert, izay filazàna ny fiantombohan'ny fetibe andalam-be, sy ny Matso fanaon'ireo Tarika [17], dia tsy ho atolotra, saingy misy seho hafa kasaina hatomboka [18] amin'ny 4 Febroary.

Mifangaroharo be ny fanehoankevitry [19] ny vahoaka manoloana ilay vaovao. Tsy i Trinidad sy Tobago irery ihany no hazan'ny fihanaka anaty vondrom-piarahamonina [20] amin'ilay karazana Omicron, miaraka amin'ny tranga vaovao isanandro manodidina ny 600 [21] ary manodidina ny 49.5 isan-jaton’ [21]ireo mponina [22] no tena vita vaksiny, saingy ho an'ireo mpikatroka ara-kolontsaina [23] sasany, ny eritreritry ny governemanta hanokana izay voalaza tany am-boalohany hoe mihoatra kelin'ny 30 tapitrisa TTD (latsaka kelin'ny 4,5 tapitrisa dolara) amin'ilay endriny nohakelezina sy tsy vita andrana [24] amin'ilay fetibe dia toa sahala amin'ny toekarena mitsingilahila [25].

Taorian'ireo tsikera [26] sasantsasany, nahena [27] hatramin'ny 20 tapitrisa TTD ny tetibola hatramin'izay (3 tapitrisa dolara monja), ka ny anjaran'ny liona dia natokana [28] ho an'ireo mpandray anjara fototra telo : Pan Trinbago, ny Trinbago Unified Calypsonians Organisation (TUCO), ary ny Fikambanana Tarika Mpanao Mozika Karnavaly ao Trinidad sy Tobago.

Fihetsika tsy dia nankasitrahan'ilay mpampiasa Facebook Nigel A. Campbell io, izay nilaza fa [29] :

Tsy mahatsara velively ny hetsika ny [f]ampihenàna ny tetibolan'ny “A Taste of Carnival” (Tsiron'ny Karnavaly), ary tena ratsy satria tsy manafoana ny dradradradram-bahoaka akory. Namboarina tsy misy fanamafisana tetibolam-pandaniana ireo ‘pods’. Nahoana no mbola manana asa foana i Gypsy [Winston “Gypsy” Peters mpiangaly calypso], lehiben [30]‘ny Kaomisiôna Nasiônaly misahana ny Karnavaly? Nahoana no mbola mandany ny volam-panjakana ny NCC ? Nahoana no tara loatra amin'ny fanatanterahana sy ny fahaizana mivarotra ? Fomba iray handaniana ny volam-bahoaka ilay 15 tapitrisa dolara, “fambara iray hoe misokatra indray ny sehatra fialamboly”. Mangina ny valintenin'ny sehatra satria niala an'io morontsiraka io ireo talenta be mpangataka mba hitrandraka tsena any ivelany : vola vahiny, asa ary mpihaino. Ankehitriny, nivadika ho zavatra entina mampiseho fa “miasa saina izahay” ilay drafitra iray izay efa tara loatra vao nanomboka. Tsy tena ampy tsara.

Tao anaty Facebook, nanamarika [23] i Rubadiri fa :

Tokony ho tohanan'ireo Fanao Mendrika Indrindra Iraisampirenena ny fomba hanomezana io vola io mba hahatakarana ny anjara toeran'ny volan'ny governemanta sy ny anjara toeran'ireo mpisehatra.

Ny sasany tamin'ireo fepetra narosony dia ahitana [23] famatsiambola iray atolotra noho ny fahamendrehana izay notombanan'ireo mpiara-mientana, ny fanajana ny dingana ara-javakanto ary ny tohana avy amin'ny sehatry ny orinasa.

Teo amin'ny Twitter, David Wears, mpakasary, nizara fanambaràna iray an'ilay mpandimby an'i Wayne Berkeley, mpamorona ny Karnavaly efa nodimandry :

Niteny momba ny #TasteOfCarnival [33] tao amin'ny @ncc_tt  [32]ny mpandimby an'i #WayneBerkeley [31] pic.twitter.com/bJ0mb3hPls [34]

— DavidWears🇹🇹 (@DavidWearsPhoto) 3 Febroary 2022 [35]

Nametraka ahiahy mikasika ny mangarahara [36] ihany koa ireo mpampiasa tambajotra sosialy, ny fahendrena hanao ho laharam-pahamehana ny hetsika tahaka izao noho ny filàn'ny olom-pirenena amin'izao fotoana izao ara-toe-karena [37] sy ara-pahasalamana [38], ary ny zava-mitranga amin'ny tsy fanatrehan'ireo ankizy [39] mbola tokony hianatra [39] ao amin'ny firenena ny fampianarana [40] an-dakilasy nanomboka ny volana Martsa 2020.

Abigail Hadeed mpakasary, nanontany hoe [41] :

33 tapitrisa no natokana ho an'ny Karnavaly sy ireo valan'osy sasany [mantsy ireo pods [42]] ary isika tsy afaka akory mampiasa io vola io mba hampidirana ireo ankizy any an-tsekoly! Marina hoee ?

Nivazivazy [43] i Allan Karim hoe :

Nandritra ny roa taona lasa izao, ankizy 50 000 no nijanona tsy nianatra satria tsy nanana fahafahana hividianana solosaina entin-tanana… solosaina entin-tanana miisa 35 tapitrisa no mety hanome azy ireo ny Tsiron'ny Fanabeazana.

Tao anaty lahatsoratra fanjohiana iray teo amin'ny Facebook, naverin [44]‘i Rubadiri Victor fa :

Halako ny isaky ny ampahafantarina ny “fandaniam-bolan'ny sehatry ny famoronana” ary ny fitarainana nasionaly voalohany dia hoe “tokony handany io vola io ho an'ny fanabeazana ry zareo [ry zareo] !” Na Fahasalamana.’ Mitoetra ny zava-misy hoe teo amin'ny tantara dia ny Kanto no manana ny ambany indrindra amin'ny fanampian'ny governemanta […] manangona izay tombony izay mandritra ny taona maro !

Ery amin'ny lafiny iray hafa, ireo sehatra hafa – anisan'izany ireo toerana [45] fampiantranoana voafidy [46] sy ireo mpankafy Karnavaly [47] sasany – niarahaba ilay fandraisana andraikitra, niaraka tamin'i Andy A. Neils nilaza [48] fa :

Afaka misento kely aloha ny sehatry ny fialamboly voadona mafy tao Trinidad sy Tobago satria mety hisy ireo hetsika sasany ho an'ny taona 2022, miaraka amin'ny fepetra ara-pahasalamana sy fiarovana eo an-toerana mifandraika aminy.

Na dia nohamafisin [10]‘ny filohan'ny NCC, Winston “Gypsy” Peters aza fa “hatreto aloha sy amin'ny ho avy azo tsapain-tanana, dia hisy ireo zavatra toy ny karnavalintsika “ara-dalàna””, ireo herinandro manaraka eo no hilaza raha toa hatsiro ny “Tsiron'ny Karnavaly”, na hamela ngidim-bava.