Nampanginina ny feo ‘fanta-daza’ rehefa nisy namono ilay mpihira tarika reggae Jamaikana Mighty Diamonds

 

Pikantsarin'i Tompokolahy Donald “Tabby Diamond” Shaw nalaina tao amin'ny horonantsary YouTube tamin'ny hirany 2020, “This World (Is Going Up In Flames).”

Tamin'ny 29 martsa, tokony ho tamin'ny 9 ora sy 45 alina ora tany an-toerana, alina mando tany Kingston, Jamaika, no maty voatifitra teo akaikin'ny tranony tao McKinsey Crescent, Zaridaina Olaimpika ny lehiben'ny tarika reggae feo telo Mighty Diamonds, Donald “Tabby Diamond” Shaw, 67 taona. Maty voatifitra ihany koa ny lehilahy iray hafa, Owen Beckford, ary voatifitra sy naratra ny telo hafa nandritra ny fanafihana, izay nitranga teo amin'ny toerana ankalamanjana be mpivezivezy.

Avy eny an-kianja nisehoan'ny heloka bevava, nisioka ny The Jamaica Gleaner hoe:

VAOVAO MAFANA: Anisan'ireo olona roa maty voatifitra tamin'ny fanafihana tao McKinley Crescent, Sahanin'ny Polisy Atsimon'i St Andrew ilay mpitendry mozika reggae ‘Tabby Diamond’ ao amin'ny feo telo malaza Mighty Diamonds. Olona telo hafa naratra.

- Lahatsarin’i Andre Williams

Hamaky bebe kokoa: https://t.co/Mesrjr2iXV pic.twitter.com/td4GU98DW7

Niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy ny lahatsary iray mampiseho an'i Shaw mihira sy mandihy miaraka amin'ireo namany teny an-dalambe ivelan'ny tranony, voalaza fa taloha kelin'ny namonoana azy:

Ho banga aminay ny marika dingana roa ‘Rock & Lean Back’ Skankin an'ny Tabby, mpihira sangany amin’ny tarika Reggae malaza. #MightyDiamonds izay nodimandry.🙏🏾🇯🇲 pic.twitter.com/9Zu3xsNGoP

Raha mbola eo am-panaovana fanadihadiana momba ireo vono olona ireo ny polisy, dia misy ny tombantombana fa mety ho mifandray amin'ny fifandiran-jiolahy efa hatry ny ela ny zava-nitranga. Any am-ponja amin'izao fotoana izao ny zanak'i Shaw noho ny fiampangana vono olona, ​​ary mety ho niniana natao lasibatra i Shaw, hoy ny polisy.

Nizara ny fiaraha-miory taminy ny Minisitry ny kolontsaina sy ny fialamboly Olivia “Babsy” Grange, nanamarika hoe:

Tabby’s killing is as senseless as it is tragic and leaves an awful void in the Jamaican music landscape.

Sady hadalana no loza aman-tany ary mamela banga goavana eo amin'ny tontolon'ny mozika Jamaikana ny famonoana an'i Tabby.

Tonga dia fantatra avy hatrany ny feo miavak’i Shaw mamelombelona ny fanahy, arahin’ny mozika mirindra malefaka avy amin'ireo namany tany am-pianarana taloha Lloyd “Judge” Ferguson sy Fitzroy “Bunny” Simpson. Niforona tao Trench Town tamin'ny taona 1969 (ary nantsoina hoe Limelight tany am-boalohany), nanjary nalaza tamin'ny mozika “misarika ny saina” nafangaro tamin'ny finoana Rastafari ny Mighty Diamonds, izay matetika miresaka olana ara-tsosialy tamin'izany fotoana izany.

Izy telo no voalaza fa nitana ny laharana voalohany ho an'ny tarika reggae naharitra indrindra, mbola nitety ny tany ampitan-dranomasina sy tao an-toerana hatramin'ny taon-dasa. Nandrakitra rakikira miisa 40 mahery izy ireo. Na dia zara raha nanao mozika tsy nisy ireo namany roa hafa tao amin'ny tarika aza i Tabby Diamond, dia namoaka hira azy manokana izy tamin’ny taona 2020 mitondra ny lohateny hoe “This World (Is Going Up in Flames).”  Ahitana ankizy kely milalao ilay horonantsary notontosaina tao amin'ny toerana manodidina azy ary ahitana taratra ny toetra malefaka sy be fitiavana ananan'i Tabby.

Tamin'ny taona 1975 ny Mighty Diamonds no nahazo laza goavana, rehefa nanomboka niaraka nandrakitra amin'i Joseph “Jo Jo” Hoo Kim tao amin’ny fantsona One Studio ry zareo. Nanjary reggae klasika ny rakikiran’izy ireo voalohany “Right Time”, navoakan'ny Virgin Records tamin'ny taona 1976, misy feon-kira sy tononkira feno fisainana. Nijinja — ary nitana — fahombiazana iraisam-pirenena lehibe izy ireo, namokatra rakikira antsoina hoe “Deeper Roots” tamin'ny taona 1979 sy ny Gussie Clarke- namokatra “Changes”, izay nahitana ilay hira tena malaza “Pass the Kutchie”. Maro ny dika taty aoriana tamin'ity hira ity, anisan'izany ny tarika reggae Britanika-Jamaikana Musical Youth “Pass the Dutchie”, izay nanova ny tononkira tany am-boalohany mba hanesorana ny firesahana momba ny pipa ganja, ary lasa malaza be tany amin’ny Fanjakana Mitambatra.

Tamin'ny antsafa an-gazety, nilaza ny heviny ilay mpamokatra ny hiran'i Shaw teo aloha hoe:

Tabby's sound and persona and his voice were all basically compatible. He was smooth, cool, not a problematic person, pleasing, touching to the soul. He took everything in stride, he was one of the humblest persons I knew, nothing was a problem to him, he didn't talk much. He would smoke weed and when it was time for him to sing, he was like a bird from heaven.

Mifanaraka amin'ny toetran'i Tabby avokoa ny feon-kira sy ny feony. Izy dia malefaka, mahafinaritra, tsy olona manahirana, mampifaly, manohina ny fanahy. Nosedrainy ny zava-drehetra, anisan’ny olona manetry tena fantatro izy, tsy nahitana olana taminy, tsy dia miresaka firy izy. Mifoka bozaka izy ary rehefa tonga ny fotoana hihirany, dia toy ny vorona avy any an-danitra izy.

Naneho ny fahatairana tamin'ny fahafatesany ny mpikambana ao amin'ny firahalahian'ny mpihira tany an-toerana, ka ny DJ malaza Beenie Man nisioka hoe:

Tandremo tsara ao Jamaika. Fotoana mampivarahontsana izao. 🙏🏿 #RipTabbyDiamond

Nanome voninahitra azy i Nadine Sutherland, mpihira reggae:

Fanajana! Iray amin'ireo feo tsara indrindra ao amin'ny indostrian'ny mozika Reggae. Nomenao fifaliana be izao tontolo izao. Mandria am-piadanana ry Mpanjakan’ny raggae. pic.twitter.com/pYxjJI5j9R

Notohizany tamin'ny tononkira iray izay toa naminany fotoan-tsarotra:

‘Tsarovy i Marcus Garvey rehefa nilaza ny fotoana mahatsiravina'! – Mighty Diamonds, Tabby Diamonds no mitarika. https://t.co/Zlt2zdpHwf

Nitanisa ny tononkiran'ny Mighty Diamonds iray hafa i Wayne Chen, mpaneho hevitra:

Ho avy ny fotoana,
hiampangan'ny sasany aminareo ny famonoana olona”

Mandria am-piadanana Donald ‘Tabby Diamond’ Shaw, Jamaikana mpihira sady mpamoron-kira; mpikambana mpanorina ny The Mighty Diamonds.https://t.co/Cxe8Bpml4h pic.twitter.com/Gz1Bf35zwU

Niahiahy momba ny heloka bevava feno herisetra amin'ny ankapobeny ao amin'ny firenena ireo mpiseran’ny tambajotra sosialy Jamaikana raha nitaraina noho ny zava-nitranga mampalahelo izy ireo:

‘Tabby Diamond’ ao amin'ny tarika reggae malaza, Mighty Diamonds izay Donald Shaw no tena anarany, dia voatifitra ary maty omaly alina

#VaovaoFARANY: Manoloana sy anivon'ny herisetran’ny heloka bevava amin’ny andro iray hafa indray ny Jamaikana, ary olo-malaza amin’ny tontolon’ny mozika no lasibatra amin'ity indray mitoraka ity.

Mpankafy reggae tranainy monina any Etazonia, Stephen Cooper, nisioka ny fahatairana sy ny alahelony:

Izany no hahatsariarovako an'i Tabby Diamond–mihira, mandihy ary manao ny asany ao amin'ny Dub Club. Feno habibiana tokoa izao tontolo izao raha ilay Rastaman tony, mpihira malaza, lehilahy toa an'i Tabby, nefa notifirina sy novonoina fotsiny ny takariva tamin'ny fiainany. Mila fotoana handinihana izany.

Nihena ho 40 isan-jato ny famonoana olona ary 41 isan-jato ny fifampitifirana tany amin'ny faritra nahitana ny korontana hoy ny polisy iray nandritra ny antsafa tamin'ny onjam-peo raha niresaka momba ny heloka bevava. Na eo aza izany, mitohy hatrany ary nasongadin’ny famonoana an'i Tabby ny fiheverana amin'ny ankapobeny ny firongatry ny heloka bevava. Hoy ilay mpiandraikitra mozika Jamaikana tao amin’ny Twitter hoe:

Misy zavatra tokony atao manoloana ny famonoana ireo ankizy madinika rehetra ireo ary i Tabby Diamond avy amin'ny Mighty Diamonds no tratran’izany ankehitriny.

Mandrera-tsaina ny mifoha amin'ity vaovao ity.

Nisioka momba ny fanontanian'ny Jamaikana maro ilay poeta Dub sady mpaneho hevitra amin'ny onjam-peo Mutabaruka, namintina ny  hiran’i Mighty Diamonds tamin'ny taompolo 1970:

The Mighty Diamonds – Nahoana no izaho ry Rahalahiko Mainty Hoditra? Nahoana? #TabbyDiamond https://t.co/5rWiU2j579

Rehefa miezaka mitady ny valin'io fanontaniana io ny Jamaikana dia malahelo ilay mpiangaly mozika tena tian'izy ireo izay nanakoako avy tao amin'ny vondrom-piarahamonina, sahiran-tsaina, misy azy hatrany amin'ny tontolo midadasika kokoa ny hirany, sady zokiolona nantsoin'ireo ankizy teo amin'ny manodidina azy hoe “Dadabe” izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.