- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitaky ny rariny ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana taorian'ny fahafatesana vokatry ny fianjeran'ny tranobe tao Abadan

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina

 

Raha kely indrindra, 29 no olona namoy ny ainy taorian'ny nianjeran'ny tranobe Metropol tao an-tanàndehiben'i Abadan ao Iran, izay niteraka fihetsiketsehana tany amin'ny faritra maro manerana ny firenena. Sary nampiasaina tao amin'ny Masoivohom-baovao Tasnim, Creative Commons Attribution [1] 4.0 Lisansa Iraisam-pirenena.

Iraniana an-jatony no nidina an-dalambe tao Abadan [2], renivohitry ny faritanin'i Khuzestan manankarena solika any atsimo andrefana, mitaky ny rariny rehefa nianjera ny tranobe Metropol 10 rihana tamin'ny 23 Mey, nahafatesana [3] olona miisa 29 farafahakeliny.

Nilaza ny tompon'andraikitra fa olona miisa 37 no naratra ary mbola tsy fantatra hoe firy ny olona mety ho mbola raikitra ao ambanin'ny trano nirodana raha mbola mitohy ny asa famonjena.

Nihiaka nanohitra ny “manampahefana mpanao kolikoly” sy ny “Ali Khamenei, Mpitarika Faratampon'i Iran” ireo mpanao fihetsiketsehana tao Abadan. Nihiaka ireo teny filamatra mpomba ny tarana-mpanjaka Pahlavi ihany koa ny olona sasany, mikasika ny fitondram-panjaka izay nitondra ny repoblika Islamika talohan'ny revolisiona 1979.

An'arivony ny mponina tao Abadan no nidina an-dalambe hanohitra ny tsy fahombiazan’ny fitondran'ny Repoblika Islamika taorian'ny lozan’ny firodanana. Tranobe #Metropol [4] sy nihiaka ny teny filamatra manohitra ny governemanta

Maro ny mpisaona nihirahira teny filamatra hanoherana an'i Hossein Abdolbaghi, ilay mpanorina sy tompon'ny Metropol izay voalaza fa manana fifandraisana akaiky [8] amin’ny manampahefana.  Nanambara [9] ireo manampahefana Iraniana tamin'ny voalohany fa hosamborina i Abdolbaghi, avy eo dia nitatitra izy ireo fa isan'ireo maty izy, ka nahatonga ny maro handà an'io  filazan’ny manampahefana [10]io hoe anisan’ny namoy ny ainy izy.

Tao amin'ny tambajotra sosialy, nampiseho ny mpitandro ny filaminana ao Abadan nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra basy hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana ny horonantsary nalaina tamin'ny hetsi-panoherana.

Ao Abadan, #Iran [11], mitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny bala tena izy ry zareo. Nikasa hamono izy ireo raha misy tovolahy miantsoantso hoe “aza mitifitra!”

Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana.

Firaisankina

Ankoatra ny hetsi-panoherana, sivily maro ihany koa no nilahatra nanome rà ho an'ireo naratra ary olom-pirenena maro avy any Abadan sy tanàna hafa no nirohotra nanampy tamin'ny ezaka famonjena.

27 May 2022

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo sivily avy amin'ny faritra rehetra tao #Iran [11] tonga tany #Abadan [19] hanampy amin'ny asa famonjena, taorian'ny fianjeran'ny #tranobe Metropol [4]

Vakio bebe kokoa  https://t.co/pmVdfreIkZ [20] #KayhanLife [21] #ForIran [22] pic.twitter.com/UREuiIRhfK [23]

Rehefa nanome baiko [25] ny manampahefana Iraniana, anisan'izany i Ali Khamenei, ny hanaovana fanadihadiana momba ny loza sy ny fanasaziana ireo izay tompon'andraikitra, dia nisy fihetsiketsehana maro hafa ho firaisankina tamin'i Abadan natao tany amin'ny tanàndehibe hafa toa an'i Khorramshar [26], Shahin Shar [27], Ahvaz [28], Yazd [29] ary Behbahan [30].

Nivondrona tao Bushehr niray hina tamin'i Abadan ny mponina izay nisian’ny firodanan’ny tranobe nahafatesan’olona maherin’ny 24. Niampanga ara-drariny ny fitondrana ny Iraniana tamin’ny firodanana. #Iran Protests [31] pic.twitter.com/a3RpzKusc8 [32]

An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana tao Yazd no nidina an-dalambe hanohana an'i Abadan.

“Valan'aretin'ny” kolikoly

Nahatonga ny alahelon'ny maro tamin'ny manampahefana ny loza noho ny tsy fijerena ireo tatitra tamin’ny fampitandremana [37] ny amin'ny haratsian'ny fenitry ny fananganana sy ny firafitry ny trano malemy.

Nilaza [37] ny ONG iray ao Tehran, Fikambanan’ny Injenieran’ny Fananganana ao Iran [38], izay manome torohevitra injeniera ary manana fifanarahana amin'ny kaominina maromaro sy ny governemantan'i Iran, fa efa nampitandrina ny kaominina momba ny loza izy ireo.

Nisarika ny saina ny tsikera imbetsaka [39] momba ny kolikoly mikasika ny fahazoan-dàlana hanorina sy ny tetikasa fanorenana tsy miankina sy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny fananganana indray an'i Abadan taorian'ny ady Iran-Irak, [40] niampy ny fitarainana momba ny fomba fanamboarana ratsy kalitao.

Efa nilaza [41] teo aloha ny iray amin'ireo manampahefana ao an-tanàndehiben'i Tehran fa manana “valan'aretin'ny” kolikoly monisipaly i Iran.

Tsy voafetra amin'ny tanàndehibe na kaominina iray ihany ny kolikoly ao Iran. Indraindray dia miharihary fa  mifampiampanga [42] ho manao kolikoly ny manampahefana Iraniana. Vao haingana, nanasongadina ny fanodinkodinam-bola 3 lavitrisa dolara ny rakipeo tafaporitsaka [43] an'ireo manampahefana avy ao amin'ny Mpiambina Revolisionera Iraniana, izay eo ambany fahefan'i Khamenei mivantana, raha ny gazety matetika no mitatitra momba ny vola an-tapitrisany, na an'arivony tapitrisa dolara izay “very” na “nanjavona” [44] ao anatin'ny Minisitera na banky.