- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Valinteny feno famoizampo manoloana ny fihibohana vokatry ny COVID-19 ao Shina: ‘Izahay no taranaka farany.’

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, COVID-19

Sary avy amina lahatsary miely be ao Shina

Miala tsiny aho, izahay no taranaka farany.

Ny fehezanteny etsy ambony, izay nipoitra tao anaty lahatsary iray voasivana, dia niely be tao amin'ilay media sôsialy shinoa tamin'ny faran'ny herinandro.

Araka ny tatitra avy amin'ireo filazambaovao marobe, ilay lahatsary dia noraketina avy tao Shanghai [1], toerana niaretan'ireo mponina marobe ny fihibohana faran'izay henjana efa ho volana roa mahery izao, tafiditra anatin'ny pôlitika zero-COVID [2] ampiharin'i Shina.

Ao anatin'ilay lahatsary, marobe ireo mpiasa mpanaramaso ny valanaretina, ahitàna pôlisy iray, tonga mandondona ny varavaran'ny tranon'ny tovolahy iray ary mitaky ny handefasana ho any amina toerana iray fanibohana mandritra ny andro maromaro ireo rehetra tao anatin'ilay fianakaviana. Nandà izany ilay tovolahy tamin'ny fanazavàna fa tsy misy tranga COVID-19 voatily mihitsy tamin'ireo manodidina azy. Nampitandrina azy araka izany ilay pôlisy fa raha toa mandà ny baiko izy, dia hizaka famaizana henjana ireo andiantaranaka telo ho avy hifandimby ao amin'ny fianakaviany. Namaly tamim-pahatoniana ilay ranamana: “Miala tsiny aho, Izahay no taranaka farany, misaotra anao [miasa loha] !”

Ity ambany ity ilay lahatsary nalefa tao amin'ny Twitter:

Zavatra fampiasa nahazatra nandritra ny vanimpotoana Mao Zedong [5] ny fandrahonana sazy hihatra hatrany amin'ny taranaka maro mandimby. Tamin'io vanimpotoana io, rehefa misy olona voatondro ho miandany amin'ny havanana na kapitalista, tsy maintsy entin'ireo taranany izay famantarana azy ireo izay ho toy ny “fahavalom-bahoaka [6]” ary hiharan'ny fanilikilihana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika ry zareo.

Nahatohina olona maro ny valintenin'ilay tovolahy, izay raha tokony hahatsapa ho tandindonin-doza, dia niaro tena tamim-pahatoniana tamin'ny fanosohana hevitra fa tsy hiteraka mihitsy izy. 

Ao anatin'ny kolontsaina shinoa, heverina toy ny ozona ny tsy fananana taranaka — iray isany mitondra fitsaratsarana fahatany anivon'ny fiarahamonina. Saingy ny fahatsoran'ilay tovolahy momba ny tsy hiterahany dia niteraka fihetsehampo nitovitovy tamin'izany teny anatin'ny media sôsialy shinoa. Maro no nampiasa ny tenifototra #ThisIsTheLastGeneration (#是最后的一代) (ItyNoTaranakaFarany) sy ny  #WeAreTheLastGeneration (#我们是最后的一代) (IzahayNoTaranakaFarany) ary ny #TheLastGeneration (#最后的一代) (NyTaranakaFarany) mba hanaovany fanambaràna tsy misy hafa amin'io sy hanombohana fifampiresahana manodidina ny resaka fitaizana ankizy anatina famoretana sôsialy sy pôlitika: 

确实很绝望,不想生了

Tena mampamoy fo ny toedraharaha, izaho koa tsy te-hiteraka.

其实是消极的抵抗,报复不了施害者,其实可以说 我三代都不放过你!

Fanoherana anaty firaviraviana tànana io. Tsy misy fomba na kely aza hamaliana faty ireo meloka. Tokony nambarany fa hahita fomba hamaliana azy ireo ny taranaka telo hoavy avy amin'ny fianakaviany!

Noho ilay pôlitika “zero-COVID”, marobe ny tanandehibe shinoa, isan'ireny ny ao Shanghai sy Beijing, no miaina ilay antsoina hoe fihibohana “mavitrika”, izay olona an-tapitrisa maro no mihidy an-trano na amin'ireo tranobe iraisana. Terena ny olona mba hanao fitiliana PCR matetika ary tsy maintsy manaraka ireo fepetra henjan'ny fihibohana. Ohatra, na tranga COVID-19 iray monja aza no voatily tao amin'ny tranobe iraisana iray, ny mponina rehetra ao no tsy maintsy mijanona any amin'ireo toerana fanokana-monina. Ho an'ireo fianakaviana nahitàna tranga na ho an'ireo izay nifanerasera akaiky tamin'olona efa tratry ny aretina, dia tsy maintsy mamela ireo mpiasan'ny fahasalaman hiditra ao an-tranony ry zareo mba hanadio ny toerana hatrany ifotony.

Nahatezitra ny sasany ny fisiana tsy fanajàna mibaribary ny fahalalahana sy ny zo fototra. Na nisy aza ny antso mba hanalefahana ilay pôlitika “zero-COVID”  taorian'ilay fihibohana henjana be tao Shanghai [9] izay niafara tamin'ny tsy fahampian'ny sakafo, korontana, ary sivana henjana, notohizan'i Beijing ny fisisihana [10] hampihatra ireo fepetra fanarahany maso ny valanaretina, ary voadiny ny hiady amin'ireo mpanakiana ny pôlitikam-pirenena natao ho fisorohana ny valanaretina.

Anatina toedraharaha tahaka izany, ny sasany mandika ilay “fanambaràna Izahay no taranaka farany” ho toy ny endrika farany feno famoizampo hanoherana ny fanamparam-pahefana.  Ilay Shinoa profesora mpampianatra lalàna, Zhang Xuezhong, ohatra, nilaza tao amin'ny Twitter hoe:

“Izahay no taranaka farany, misaotra anao!” Fanehoankevitra mampahonena natosiky ny famoizampo io. Nandray fepetra biolojika ny olona niteny an'io mba tsy hiteraka mihitsy, miainga amin'ny fitsarana hoe: Nesorina tsy ho antsika ny hoavy mahafinaritra (mampitsiriritra). Io no hetsipanoherana matanjaka indrindra azon'ilay tovolahy natao manoloana ny vanimpotoana misy azy.

Somary hafakely ny fandikàna tao amin'ny Weibo. Betsaka no tsy nihevitra ny fanambaràna nataony ho toy ny hetsika fanoherana ara-pôlitika. Fanehoankevitra iray nalaza no nanamarika hoe:

这不是恨,甚至不是抗争,更不是对其他国别或地域的无脑崇拜。

这是想以现在的身份为豪却连自己的基本权利都得不到保障的无奈,是希望这里变得更好但发现自己什么都改变不了的认命,是被威胁下一代人的命运时最苍白的自辩。

Tsy misy lonilony, tsy misy fanoherana, tsy misy fideràna an-jambany an'ireo fanaon'ny firenena maro hafa.

Fanehoankevitra momba ny tsy fahafaha-manoatra io rehefa misy olona mba te-hirehareha amin'ny maha-izy azy nefa tsy omena azy ny zony fototra, fanekena ny tsy fahafahany hitondra fiovàna na dia nanantena ny tsaratsara kokoa aza izy, fiarovantena rehefa norahonana izy momba izay mety hanjo ny taranany.

Iray hafa mpampiasa Weibo nilaza hoe:

他甚至没有向外诉求,没诉求保障、没诉求改变、没诉求在不知情状况下被悄悄让渡的权利、没诉求那些白纸黑字写好却又肆意践踏的规则,他也没倡导、没大声疾呼,他只是轻轻地阐述自己,他只是悲哀又绝望地把刀尖朝向自己而已。

Tsy nanao izy na dia fangatahana izay monja aza, tsy nangataka fiarovana na kely aza, na fandaharam-potoana hisian'ny fiovàna. Tsy niresaka momba ny zo nesorina ankolaka taminy, na ireo fifanarahana izay notsinontsinoavina. Tsy nanao adisisika izy, na hetsipanoherana. Fa fotsiny naneho ny fijoroany tamim-pahatoniana, toy ny hoe nahodiny tamin'alahelo ho any aminy ny antsy, tao anatin'ny famoizampo.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, namporisihan'ny governemanta shinoa ny olompireneny mba hiteraka maromaro [12], indrindra fa taorian'ilay fihenana be tamin'ny taham-pahaterahana ho an'ny taona 2020. Kanefa, tsy nisy nilàna azy ireny ezaka ireny noho ny tsy fisian'ny tohana avy amin'ny fanjakàna.