Lalàna vaovao mandrangotra ny fahalalaham-baovao sy fitenenana ao Mozambika

Ireo gazety mivoaka ao Mozambique | nopihan'i Dércio Tsandzana ary nahazoana alalana avy amin'ny mpanoratra – 23.08.2018

Nahita fitomboan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro i Mozambika tany avaratry ny firenena nanomboka tamin'ny [mg] oktobra 2017, indrindra tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado, niteraka fifandirana naharitra tao amin'ny faritra. Tsy fantatra mazava izay ao ambadiky ny [fr] herisetra, na dia misy aza ireo mampifandray azy amin'ny fihalalin'ny fahantrana na ny fitomboan'ny radikalisma ara-pivavahana ho tena anton'izany.

Araka ny tatitry ny vaovao “Cabo Ligado”, efa niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 2000 sy famindrana olona 2 tapitrisa mahery ny fanafihana tao Cabo Delgado. Satria mihamaro ny olona voakasika, dia mipoitra ihany koa ny adihevitra fahazoana vaovao nandritra fotoan'ny fifandonana. Lasa sarotra ny mahazo vaovao marim-pototra momba ny zava-mitranga eny an-kianja ary mihasarotra hatrany ny fiarovana ny mpanao gazety.

Iray amin'ireo tranga misongadina [mg] ny an'i Ibrahimo Mbaruco, mpanao gazety nanjavona tamin'ny taona 2020 raha niasa tany akaikin'ny faritra misy ady. Nanjavona i Mbaruco ny 7 aprily 2020, rehefa avy voahodidin’ny miaramila, raha nampandre ny fianakaviany. Na izany aza, roa taona taty aoriana, mangina ny manampahefana momba ny fanjavonana.

Efa niezaka ihany hifehy ny fomba fanaparitahana ny vaovaon'ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena ny governemanta. Ohatra, tamin'ny Novambra 2020, ny filoha mozambikana, Filipe Nyusi, dia nanao fanamby tamin'ny Tafika Mozambikana (FADM) mba hamerenana amin'ny laoniny ny ara-dalàna any amin'ny faritra misy ny fifandonana. Nasiany manokana ny fampiasana ny media sosialy noho izy fanapariahana fandisoam-baovao momba an'i Cabo Delgado.

Telo taona mahery taorian'ny nanombohan'ny fampihorohoroana, miomana ankehitriny i Mozambika hampiditra ny Lalàna momba ny Famongorana, Fiadiana sy Fisorohana ny Fampihorohoroana sy ny Hetsika mifandraika amin'izany, mikendry hiadiana amin'ny fiparitahan'ny vaovao hosoka momba ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena. Na dia heverina ho amin'ny fotoanany aza ireo lalàna ireo, dia misy ny ahiahin'ny ao amin'ny fampitam-baovao. Mampisalasala ny MISA-Mozambika, sampan-draharaham-paritra miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fikasan'ny governemanta ao ambadiky ny lalàna:

Apesar de um instrumento oportuno e cuja aprovação ampliará a salvaguarda da soberania nacional, esta proposta emendada da lei contempla disposições que colidem com a Constituição da República e demais legislação, especialmente no capítulo das Liberdades de Expressão e de Imprensa.

O número 1 do artigo 19 do instrumento legal refere que “aquele que por qualquer meio, divulgar informação classificada no âmbito da presente Lei, é punido com a pena de prisão de 12 a 16 anos.” Esta disposição reveste-se, em si, de injustiça, ao penalizar o jornalismo assim como os cidadãos em geral, e não a quem tem o dever de salvaguardar o “Segredo de Estado”, no caso, o servidor ou funcionário público detentor de tal informação classificada.

O número 2 do mesmo artigo refere que aquele que intencionalmente difundir informação segundo a qual um acto terrorista foi ou é susceptível de ser cometido, sabendo que a informação é falsa é punido com a pena de prisão de 8 a 12 anos. Esta disposição apresenta-se bastante subjectiva e passível de diversas interpretações quanto à noção de “falsidade” da informação veiculada sobre uma presumível acção terrorista. De facto e objectivamente, a veracidade de informações de um presumível acto terrorista é verificável.

Na dia fitaovana mety hiaro ny fiandrianam-pirenentsika aza ny fankatoavana azy ity amin'ny fotoanany, io volavolan-dalàna nasiam-panitsiana io dia ahitana fepetra mifanohitra amin'ny Lalàm-panorenan'ny Repoblika sy ny lalàna hafa, indrindra ao amin'ny toko momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovan-gazety.

Ny andininy faha-19(1) ao amin’ny lalàna dia milaza fa “na iza na iza, amin’ny fomba rehetra, manambara ny vaovao voasokajy ao anatin’ity Lalàna ity, dia saziana an-tranomaizina 12–16 taona.” Tsy ara-drariny mihitsy io fepetra io, satria manasazy ny asa fanaovan-gazety sy ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny, fa tsy ireo manana adidy amin’ny fiarovana ny « tsiambaratelom-panjakana» amin’ity raharaha ity, na ny mpiasam-panjakana na ny tompon’andraiki-panjakana mitana vaovao voasokajy toy izany.

Ny fehezan-kevitra faha-2 amin’io lahatsoratra io ihany dia milaza fa izay minia manaparitaka vaovao momba ny fisehoan-javatra na ny fanafihana fampihorohoroana, sady mahafantatra fa diso ny vaovao, dia hosazina an-tranomaizina 8 ka hatramin’ny 12 taona. Ity fepetra ity dia somary mijery olona ka azo anaovana fandikana maromaro momba ny hevitry ny “fahadisoana” amin'ny vaovao aparitaka momba ny asa fampihorohoroana. Raha ny marina, amin'ny fomba tsy mitongilana, dia azo hamarinina ny fahamarinan'ny vaovao momba ny asa fampihorohoroana.

Taorian'ireo fanakianana ireo dia nanova kely ny fehezan-teny tamin'ny iray amin'ireo lahatsoratra ny Parlemanta mba hilazana hoe:

Aquele que, por dever legal, tiver custódia ou sendo funcionário ou agente do Estado aceder à informação classificada por qualquer meio a divulgar, no âmbito da presente Lei, é punido com a pena de prisão de 12 a 16 anos.

Na iza na iza, araka ny adidy ara-dalàna, mitana na mpiasa na solontenam-panjakana, afaka mahazo vaovao voasokajy amin'ny fomba rehetra ka mamoaka izany, araka ny valam-pamaritan'ity Lalàna ity, dia saziana an-tranomaizina 12 ka hatramin'ny 16 taona.

Na izany aza, na dia eo aza ny dera nataon'ny MISA-Mozambika momba ny fiovana, dia mbola misy matromatroka ihany ny andininy sasany amin'io lalàna io ihany. Hoy ilay fikambanam-paritra:

Embora a redacção desta norma tenha evoluído, a mesma ainda manifesta sinais de alguma ambiguidade que podem resvalar na violação dos direitos e liberdades dos funcionários públicos, na medida em que não só criminaliza aquele que tem o dever legal de custódia ou de guardar a informação classificada, o que é compreensível, mas também qualquer funcionário ou agente do Estado.

Tal norma não é razoável, uma vez que este funcionário ou agente pode não estar sujeito a obrigação legal de custódia de informação classificada ou sequer saber que a informação que acedeu, por qualquer, meio é classificada. Esse rigor de custódia não deve ser generalizado a todos os funcionários ou agentes do Estado.

Na dia niova aza ny teny ao amin’io lalàna io, dia mbola mampiseho famantarana manjavozavo izay mety hitarika ho amin’ny fanitsakitsahana ny zo sy ny fahalalahan’ny tompon’andraiki-panjakana, satria tsy ny olona manana adidy ara-dalàna amin’ny fitazonana vaovao voasokajy ihany no helohiny, izay azo henoina ihany, fa izay manam-pahefana na solontenam-panjakana tsirairay.

Tsy mitombina ny lahatsoratra toy izany, satria io mpiasa io dia mety tsy iharan'ny adidy ara-dalàna amin'ny fitazonana vaovao voasokajy (tsy ho haely) na dia mahafantatra mihitsy aza fa voasokajy, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, ny torohay azony. Tsy tokony ahatra amin'ny mpiasa na solontenam-panjakana rehetra ny fihazonan-(tsiambaratelo) toy izany.

Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety ao Mozambika

Nilaza ny Reporters Sans Frontières, fikambanana iray manara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerana izao tontolo izao, fa betsaka amin'ireo fampahalalam-baovao ao Mozambika no fehezin'ny manampahefana na ny mpikambana ao amin'ny antoko Frelimo eo amin'ny fitondrana mivantana na ankolaka, izay manembatsembana ny fahaleovantenany tokoa. Raha heverina ho tokony hiantohan’ny Lalàm-panorenana sy ny lalànan’ny asa fanaovan-gazety ary ny zo hahazo vaovao ny fahalalahana sy ny fahaleovantenan’ny mpanao gazety, dia hafa ny zava-misy eny an-kianja. Tsy dia nampiharina loatra ny lalàna voalaza etsy ambony, satria mikorisa tsikelikely mankany amin'ny tsirefesi-mandidy sy ny propagandy tohanan'ny fanjakana ny fitondrana.

Raha amin'ny tondron'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ankapobeny amin'ity taona 2022 ity, nomena laharana faha-116 amin'ny 180 i Mozambika. Mitatitra ny Reporters Sans Frontières fa nitombo ny kabarim-pankahalana sy ny fanafihana mpanao gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy, izay nahitana fanafihana 12 tamin'ny taona 2021. Nomarihin'izy ireo fa tena sarotra ho an'ny mpanao gazety ny miditra any avaratry ny firenena tsy ahiana ho voasambotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.