Ao anatin'ny haintany sy ny krizin'ny toetrandro, atrehan'ny Fanjakana Meksikàna ao Querétaro ny mety handraisain'ny tsy miankina ny ranony

Nivaky toy izao ny hafatra : “Tsy haintany io fa fandrobàna” ary “Tsy mila fandrobàna atao amin'ny rano intsony ny mponina aty Santiago Mexquititlan. Tsy maintsy ny vahoaka no manao ny fifanarahana, ary ho an'ny vahoaka.” Sary an'ny mpanoratra,fampiasàna nahazoana alalàna.

Tafiditra anaty fiatrehana ny fihamafisan'ny fiantraikan'ny krizin'ny toetrandro i Meksika, ny tifomboan’ny haintany henjana, ny tondradrano ary ireo afo manerana ny firenena. Raha toa ireo olona manomboka mizaka ny tsy fahampian-drano, miha-henjana ny ady amin'ny fahazoana rano manerana ny firenena tato anatin'ny folo taona farany.

Fanjakana tokana hany tsy mba nanana lalàna manokana mikasika ny rano ao an-toerana i Querétaro, Fanjakana iray ao afovoan'i Meksika ahitana taha avo be amin'ny tsy fahampian'ny rano sy faharefoana. Amin'izao fotoana izao, voakasiky ny haintany avokoa ny faritra rehetra ao amin'ilay Fanjakana ary mizaka haintany goavana ny ampahatelon'ny faritra. Fanampin'izany, foana avokoa ireo tohodrano lehibe 26 ananan'i Querétaro.

Tamin'ny 31 Martsa, volavolan-dalàna roa nitarika ho amin'ny ahiahiam-bahoaka no naroso.

#Fampitandremana : Mampitandrina mikasika ny fandraisan'ny tsy miankina ny rano ao #Querétaro izy ireo ; kasain-dry zareo ny hanafaingana ny fankatoavana ilay hetsika.
Fikambanana manodidina ny telopolo mpiaro ny tontolo iainana sy mpikatroka mahery fo no nanao hetsi-panoherana mba handàvana ireo volavolan-dalàna roa naroso teo amin'ny @Legislatura_Qro. ireo.

Notsikeran'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena ho sahala amin'ny zava-doza ireo tolo-kevitra roa ireo satria tsy mandray an-tànana ireo endrika tena manandanja amin'ny fandrindrana ny rano, toy ny fiantraikany amin'ny faharetan'ny tontolo iainana, ny tontolo ambanivohitra sy ny fiovàn'ny toetrandro, ary koa noho izy ireo mametraka ny fitantanana ny rano fisotro ho eo ampelatanan'ny tsy miankina, maodely iray nampametra-panontaniana be mikasika ny voka-dratsiny eo amin'ny zon'olombelona hahazo rano.

Mpanao tatitra avy amin'ny ONU @SRWatSan no efa nampitandrina mikasika ny loza hahazo ny #Zon'olombelona amin'ny fandraisan'ny tsy miankina ny fitantanam-panjakàna ny rano ; fa nahoana isika no miziriziry amin'izany?

Ny governoram-panjakana ao Querétaro, ny Komisionam-panjakana misahana ny Rano sy ireo mpanao lalàna sasany dia nilaza fa tsy hampanjaka ny fandraisan'ny tsy miankina ny rano velively ilay lalàna natolotra fa kosa ho fanomezana fifanarahana tolotrasam-panjakana ho an'ireo orinasa tsy miankina. Na izany aza, nanamarika ireo vondrona samihafa sy ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena fa ny “fanomezana fifanarahana ara-kasa” dia endrika iray amin'ny fanomezana ho an'ny tsy miankina, araka ny tatitra nataon'ny Mpampakatenin'ny Firenena Mikambana mikasika ny zon'olombelona momba fahazoana rano fisotro madio sy ny fidiovana.

Ireo tambajotra manerana ny firenena, anisan'izany ny Coalition of Workers in Defence of Public Water Services (vovonan'ireo fikambanana mpiasa meksikàna mpiaro ny asa fitantanan'ny fanjakàna ny rano), ny Vovonana Nasiônalin'ny Rano ho an'ny Daholobe, ny Tambajotra Meksikàna misahana ny Fitaterana Ambony Rano, ny Vovonana Meksikana misy ireo Fambanana miaro ny Zon'Olombelona hahazo Rano, ary ny Freshwater Action Network Mexico (FANMex), dia nampitandrina mikasika ny mety ho vokany aoriana ao ateraky ny fankatoavana ireo tolodalàna ireo, raha jerena ny fiantraikan'ny fanomezana fitantanana ho an'ny tsy miankina any amin'ireo Fanjakana Meksikàna hafa ary indrindra indrindra ao Querétaro nandritra ny roapolo taona farany.

Loza 3 no tsinjon'ny Osc ao anatin'ny #waterwiththe #Queretaro lalàna amin'ny rano :
⚖️Tsy misy ny tena fampidirana ny resaka #Zon'olombelona na ny rariny mikasika ny rano.
🌎Tsy misy fijerena ifotony ny tena fototr'olana mikasika ny fitantanana ny #HamehanaAraToetrandro
⛔#FanoloranaHoAn-nyTsyMiankinaNyFanaovanaFifanarahanaIvelany  sy  #TsySAfidyNyFanoloranaHoAn-nyTsyMiankna

Raha toa ampiharina ao an-drenivohitry ny Fanjakana ny fifanarahana ara-kasa ankehitriny, hanokatra varavarana ho amin'ny fanaovana azy io ho ara-dalàna ny fametrahana an'io maodely io, araka ireo fikarohana akademika sy tamin'ny asa fanaovana gazety, dia anisany iray amin'ireo antony lehibe  mahatonga ny krizin-drano ao an-toerana amin'izao fotoana izao. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nitarika fihetsiketsehana tao Amealco, Cadereyta, sy tany amin'ireo tanàna hafa tao Querétaro, ireo fifandonana nateraky ny fakàna rano.

Miaraka amin'ny tenifototra #AguasConLaLeyDeAguas (Rano miaraka amin'ny Lalànan'ny Rano), dia takian’ ireo fikambanana sy ireo mponina ny hametrahana parlemanta iray misokatra mba hamerana ireo loza sy hampidirana ny tolokevitr'ireo olom-pirenena.

Mbola tsy nieritreritra ny hanokatra sehatra ho an'ny fandraisan'anjaran'ny daholobe ny parlemantera eo an-toerana hatreto, na dia eo aza ny zava-misy hoe adidy araka ny fifanarahana Escazú izany, fifanarahana iray iraisam-pirenena izay mifandraika amin'ny fahazoana vaovao, ny fandraisana anjaran'ny daholobe ary ny fahazoana ny rariny eo amin'ny resaka olana ara-tontolo iainana ao Amerika Latina sy ao Karaiba, ka mpikambana ao anatin'izany i Meksika.

#OpenParliament dia tsy sehatra iray hanaovana karajia na andro vitsivitsy handefasana fomba fojery amin'ny  alàlan'ny imailaka, fa dingana iray midadasika, ara-potoana, mangarahara, mampiaty no sady mahomby, mifanaraka amin'ireo adidy sy fenitra ao ‘ny #EscazúAhora sy ny zon'olombelona hahazo rano. #AguasConLaLeyDeAguas ⚠️💧(Rano miaraka amin'ny Lalànan'ny Rano) eto #Querétaro

*Ity lahatsoratra ity dia nomanina niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'ireo tarika mpahay lalàna avy amin'ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana sy vondrona ara-kolontsaina Bajo Tierra Museo del Agua ao Querétaro

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.