- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao an-drenivohitr'i Azerbaijan, antso ho an'ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao an'ireo mpikatroka

Sokajy: Azerbaijan, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

“Atsaharo ny helokabevava”, teny filamatra misoratra eo amin'ny felantanan'ny mpanao fihetsiketsehana. Pikantsary avy amin'ny fandrakofam-baovaon'ny Meydan TV [1] an'ilay famoriam-bahoaka tamin'ny 14 May. Nampiasaina nahazoana alalàna.

Tamin'ny 14 May, vondrona iray mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena no nanomana famoriambahoaka tao Bakou, renivohitr'i Azerbaijan,  mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao amin'ireo mpanakiana ny governemanta, ireo mpikatroka ara-politika ary ireo mpanao gazety. Nambaran [2]‘ireo mpikarakaraka ny hetsika fa ny fanapahankevitra hikarakara ny famoriam-bahoaka dia teraka noho ny fikendrena mahery vaika manjo ireo mpikatroka ara-politika sy ireo mpanao gazety.

Ny fanafihana vao haingana indrindra dia ny alin'ny 8 May, rehefa norahonan'ny olon-tsy fantatra iray tamin'ny antsy [3], tao anaty fanakadrihana (elevator) tao amin'ny trano fonenany, ny mpanao gazety zokiolona Aytan Mammadova. Nanao tatitra mikasika ny fitsaràna vonoolona nalaza be i Mammadova. Sady nandrahona no nanevateva [4] ihany koa ny zanakavavin'ilay mpanao gazety tsy ampy taona ilay mpisetrasetra.

Tamin'ny volana Aprily, mpikatroka ara-politika iray, Bakhtiyar Hajiyev, no nisy naka an-keriny [5] sy nentina tamina toerana miafina iray izay nidarohan'ireo lehilahy manao saron-tava azy. Tranga iray hafa malaza koa ny an'ilay mpikatroka ara-politika zokiolona mpanohitra, Tofig Yagublu, izay nosamborina nandritra ny famoriam-bahoaka nataony tamin'ny Desambra 2021 [6]. Nozaraina taty anaty tambajotra sosialy ny sary misy ireo ratrany – nefa, araka ny valin'ireo fanadihadina nataon'ireo tomponandraikitra, ny polisy tsy nandray anjara tamin'ny ratra ara-batana nahazo an'ilay mpikatroka.

Miaraka amin'ny fanentanana fanoherana ataon’-dry zareo #WeDoNotWantCriminalState [7], (TsyMilaFanjakanaMpanaoHelokaBevavaIzahay), takian’ ireo mpikatroka ny hahitàna ny rariny ao anatin'ireo tranga fanta-bahoaka vao haingana:

-Tofig Yagublu, mpanao politika, nampijaliana tao amin'ny efitranokelin'ny polisy
-Bakhtiyar Hajiyev, mpikatroka fanta-bahoaka, nalaina an-keriny sy nompaina
– Aytan Mammadova, mpanao gazety, notafihina tamin'ny antsy.

Herisetran'ny polisy voarakitra

Pikantsary avy amin'ny fandrakofam-baovaon'ny  Meydan TV [1]  mikasika ny famoriam-bahoaka tamin'ny 14 May. Fampiasàna nahazoana alalàna.

Tsy nilaozan'ny herisetra nataon'ny polisy ilay famoriambahoaka. Nanao tatitra ny mpanao gazety, Ulviyya Ali, hoe nodakan'ny polisy ny lamosiny [9], saingy rehefa nikasa ny haka sary an'ilay manampahefana izy, dia noezahiny nafenina haingana tao anaty aro-vava-orona ny tavany.

Mpandray anjara iray hafa tamin'ilay famoriambahoaka, Ali Malikov, 17 taona no voadaroky ny polisy. Azo sary ilay herisetra [10]. Raha nitantara ny zavanisy, nilaza i Malikov tao anaty lahatsoratra tao anaty Facebook hoe [10]:

Toy izao no [endriky ny] Ministeran'ny Atitany ato amin'ny Repoblikan'i Azerbaijàna. Na dia ,olazaina tamin'ny polisy aza fa zaza tsy ampy taona aho, dia nosintonin'izy ireo tamin'ny voloko aho ary naronjony tamin'ny tany. Avy eo nojereny tsara aho rehefa nanosihosy ilay saina izy ireo.

Nitazona sainam-pirenena miloko avana i Malikov tamin'izay fotoana izay. Taty aoriana, nizara [11] lahatsary nisy an'ireo mangana tavela teo amin'ny vatany izy, vokatry ny herisetra nataon'ny polisy azy :

Nalain'ireo polisy ny sainako avy eo nodakany ny tavako sady nihomehy izy ireo. Nandritra ny famoriambahoaka, tsy nitsahatra ny nikasi-tanana sy nanompa anay [ny polisy]. Nampiasa herisetra [ny polisy] nandritra ny fisamborana an'ireo mpandray anjara tamin'ny famoriambahoaka. Tena tsara tarehy izahay ary nihira mafy nanoherana ireo manampahefana. Averinay indray fa tsy ilainay ny Fanjakana mpaano heloka bevava.

Pikantsary avy amin'ny fandrakofam-baovaon'ny Meydan TV [1] mikasika ny famoriambahoaka tamin'ny 14 May. Fampiasàna nahazoana alalàna.

Tao anaty lahatsary iray hafa, Ruslan Izzetli, mpikatroka ara-politika sady filohan'ny hetsim-panoherana D18, no nanazava ny fomba nisamboran [16]‘ny fiara mifono vy roa maintimainty azy rehefa iny izy ‘ndeha namonjy famoriam-bahoaka iny. Araka ny voalazan'i Izzetli, tafaraka tao anaty fiara tamin'ireo mpikatroka ara-politika roa hafa voatàna ihany koa izy. Polisy telo manao fanamiana tsotra no nametraka an'i Izzetli tao anatin'ny iray tamin'ireo fiara ary nitondra azy tany amin'ny toerana 100 km miala an'i Bakou, mba hanakanana azy tsy hamonjy ilay famoriambahoaka.

Nandritra izany fotoana izany, nihiaka ny teny filamatra ireo mpandray anjara tamin'ilay famoriambahoaka, nanao hoe “Tsy mila Fanjakana mpanao heloka bevava izahay” ary “Aza vonoina ny rariny, atsaharo ny heloka bevava”. Na dia nohodidinin'ireo polisy aza ireo mpanao fihetsiketsehana, hanakanana azy ireo tsy handroso, nahazo alàlana hanohy ny làlany ihany ny vahoaka nony farany :

Fanavaozana avy amin'ny hetsi-panoherana #TsyMilaFanjakanaMpanaoHelokaBevavaIzahay [7] :

Nomena alàlana handroso ireo mpannao hetsipanoherana. Nohodidinin'ireo polisy hatrany, nizotra ho any amin'ny minisitera izy ireo.

“Tsy mila Fanjakana polisy izahay” hoy ny hiakan'ireo mpikatroka. pic.twitter.com/qWHPpaiHnE [17]

Tsy latsaky ny 26 ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra, na dia navotsotra aza izy ireo fotoana fohy taty aoriana, araka ny voalazan [2]‘ny Meydan TV, izay nanana mpanao gazety sy mpakasary teny an-toerana [2],

Mba tsy ho ketraka manoloana ny ataon'ireo polisy, novakian'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fanambaràna manameloka ny heloka bevava atao amin'ireo mpikatroka sy ireo mpanao gazety [19] rehefa nivory teo alohan'ny Minisiteran'ny Atitany izy ireo tamin'ny fiafaràn'ilay famoriam-bahoaka.

Fampimiràn-dàlana tsy nampoizina tamin'ny tontolon'ny mpamorika

Pikantsary avy amin'ny fandrakofam-baovaon'ny Meydan TV [1] mikasika ny famoriambahoaka tamin'ny 14 May. Fampiasàna nahazoana alalàna.

Talohan'ny famoriambahoaka, niresaka tamin'ny tambajotra mikasika ny hetsika ho avy ny iray tamin'ireo mpikarakara, Gulnara Mehdiyeva. Mpankafy an'i Harry Potter [20], mitondra vakana Quibbler [21] izy ary nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao amin'ny Twitter raha toa izy ireo ka afaka mampifandray ilay vakana sy ny fihetsiketsehana. Nohazavainy tao anaty andiana bitsika avy eo ny ifandraisany:

Ny Quibbler dia haino aman-jery iray tsy niankina. Rehefa niezaka nanafina ny fiverenan'ny Voldemort ny minisitera, dia Quibbler irery ihany no  nanoratra ny marina, ka noho izany dia voarara tao Hogwarts ilay gazety. Nalain'ny olon'i Voldemort an-keriny ny zanaka vavin'ny mpanorina ny Quibbler ary noteren-dry zareo izy tsy hanohana an'i Harry Potter. Noho izany, nataoko ny rohy rehefa norahonana i Aytan Mammadov, mpanao gazety ary noterena tamin'ny alàlan'ny zanany vavy mba hampitsahatra ny fanaovany fanadihadiana.

Talohan'ny famoriambahoaka, nibitsika tranga iray mitovy amin'i Harry Potter i Mehdiyeva :

Ny fanambaràko mikasika ny famoriambahoaka rahampitso.

Ho an'i Mehdiyeva sy ireo mpikatroka marobe hafa, ny zava-nitranga tao Bakou dia nampatsiahy loatra an'i Voldemort sy ny tafiny niezaka hanampim-bava ireo tsy mitovy hevitra aminy, saingy amin'izao andro izao farafaharakeliny, tsy vitan'ireo polisy ny nanakana ny feon'izy ireo.