- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afa-mamaha ny krizin'ny angovo ao Eoropa ve ny firenena Afrikana miteny paortiogey?

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Mozambika, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Anatin'izao ady ao Okraina izao, miezaka ny firenena Tandrefana hanao izay hahamaro ireo mpamatsy etona mba hialana amin'ny fiankinan-doha amin'i Rosia ary hitodika any amin'ireo firenena Afrikana mpamokatra etona fandrehitra aza ho fiandry azo iainana. Sary: Giovana Fleck/Global Voices

Raha vao nanafika an'i Okraina i Rosia, dia maro no nanontany ny mety ho fiantraikan'ity hetsika ity  amin'ny toekarena manerantany, indrindra [1] fa ny sehatry ny angovo. Nitsinjo fisondrotan'ny vidin-tsakafo, toy ny varimbazaha, ireo mpamakafaka sy ny mety ho tsy fahampian'ny etona fandrehitra koa aza ho an'ny firenena eoropeanina maromaro. Noho izany antony [2] izany, manandrana manamaro ireo mpamatsy hanamaivanana ny fiankinandohan-dry zareo amin'ny etona avy any Rosia ny firenena tandrefana ary mitodika any amin'ny firenena afrikana mpamokatra etona ho fiandry azo iainana.

Tamin'ny 12 Mey, nilaza tamin'i Lusa [3] ny mpandinika Marisa Lourenço, avy amin'ny Control Risks [4], izay manara-maso ny toe-karenan'ny [firenena] miteny Portiogey fa i Angola no firenena Afrikana manana otrika lehibe indrindra hamaly ny filana angovo ao Eoropa:

Angola tem o maior potencial para satisfazer as necessidades energéticas da União Europeia a curto prazo; é um dos poucos países da região que já exporta gás para mercados internacionais, incluindo Brasil, Japão, China e Coreia do Sul.

A capacidade de aumentar a produção de gás, juntamente com a bem estabelecida cadeia de abastecimento, faz deste país [Angola] o vencedor imediato da mudança geopolítica provocada pela guerra na Ucrânia, com a Guiné Equatorial, República Democrática do Congo, Mauritânia e Senegal bem posicionados para beneficiar nos próximos dois a três anos.

Angola não só tem uma infra-estrutura de exportação que lhe confere uma vantagem sobre os seus pares regionais, permitindo à União Europeia aceder às cadeias de abastecimento, como as grandes companhias petrolíferas não têm de investir tanto capital para aceder às reservas e são capazes de aumentar a produção.

Manana tahiry lehibe indrindra mahavaly ny filan'ny Vondrona Eoropeana ara-angovo ao anatin'ny fotoana fohy i Angola; iray amin'ireo firenena vitsy ao amin'ny faritra efa manondrana etona any amin'ny tsena iraisam-pirenena, ahitana an'i Brezila, Japana, Shina ary Korea Atsimo.

Ny fahafaha-mampitombo ny famokarana etona, sady manana rojom-pamatsiana efa miorina tsara, no mahatonga ity firenena ity [Angola] ho mpandresy avy hatrany tamin'ny fiovana ara-jeopolitika nateraky ny ady tany Okraina, niaraka amin'i Ginea Ekoatorialy, Repoblika Demokratikan'i Congo, Maoritania ary Senegaly izay samy toerana tsara hahazo tombony ao anatin'ny roa na telo taona ho avy.

Tsy vitan'ny hoe manana fotodrafitrasam-panondranana i Angola izay tombony ho azy manoloana ireo mitovy aminy ao amin'ny faritra, ahafahan'ny Vondrona Eoropeana miditra amin'ny rojo famatsiana, sady tsy mila mampiasa vola be loatra ireo orinasan-tsolika lehibe mba hahazoana ny tahiry sy ahafahany mampitombo ny vokatra.

Iray amin'ireo tombony ara-barotra ny efa ananan'i Angola ny Sonangol [5] izay orinasa mitantana ny loharanon-karenany manokana. Ho an'ny mpandinika, io fotodrafitrasa io no mahasarika mpiasa vahiny tena mahay, ary firenena eoropeana maro no efa mitady [6] an'i Angola ho mpiara-miombon'antoka.

Tokony homarihana ihany koa fa mety hipoitra avy amin'ny fifandraisana ara-tantara amin'i Portugal ny tombony ho an'i Angola. Nanamafy [7] ny fifandraisana amin’i Alemaina sy Frantsa ihany koa i Angola hatramin’ny nahatongavan’i João Lourenço teo amin’ny fitondrana tamin'ny taona 2017. Nitsidika [8] firenena eoropeana maromaro ny Filoha Angoley tato anatin’ny volana vitsivitsy.

Tamin'ny volana avrily tamin'ity taona ity, voalaza [9] fa nitady etona angoley bebe kokoa i Italia mba hampihenana [10] ny fiankinany amin'i Rosia. Nanao sonia [11] fifanarahana fiaraha-miasa ara-angovo, ankoatra ny tanjona hafa, i Italia sy Angola amin'ny fampitomboana ny fanondranana etona avy any Angola sy ny fampihenana ny fiankinan'ny firenena eoropeana amin'ny famatsiana Rosiana.

Nihaona [12] tao Luanda, renivohitra Angoley, ny mpamokatra sy mpanondrana etona makadiry eto Afrika tamin'ny 18 mey 2022 lasa teo. Nitady vahaolana izy ireo mba hampitomboana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny solika sy ny fiovana angovo.

Antenaina [13] fa ho firenena afrikanina roa hafa miteny portiogey mpamokatra etona lehibe indrindra eran-tany i Ginea Ekoatorialy sy i Mozambika, amin'ny faran'ity taompolo ity. Na izany aza, nanamarika ny tompon'andraikitra sasany fa mety hanakana an'io fandrosoana andrasana io ny toe-draharaha ara-politika mikorontana ao Mozambika.

Moçambique, tal como a Nigéria, não poderá agarrar a oportunidade, a primeira devido à situação de segurança volátil e a segunda devido ao desenvolvimento limitado do sector do gás e a um quadro regulamentar confuso.

A insurreição militar na província de Cabo Delgado em Moçambique está a atrasar o progresso do país, de um pequeno produtor que vende a maior parte da sua produção para a África do Sul a um exportador global, com exportações que deverão começar em 2026, “mas esta data ainda está sujeita ao ambiente volátil de segurança.”

Tsy ho afaka hiditra hirika i Mozambika noho ny toe-draharaham-piarovana mora votsotra, toa an'i Nizeria izay voafetra ny fivoaran'ny sehatry ny etona sady misavoritaka ny lasitrasa fandaminana.

Mampihisatra ny fandrosoan'ny firenena ny fikomiana ara-tafika ao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado ao Mozambika, ilay mpamokatra kely mivarotra ny ankamaroan'ny vokatra any Afrika Atsimo ka ho mpanondrana manerantany, nokasaina hanomboka ny fanondranany amin'ny taona 2026, “saingy mbola miankina amin'ny tontolom-piarovana mora votsotra io daty io.”

Tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, nitsidika [14] an'i Mozambika Atoa Luigi Di Maio, Minisitry ny Raharaham-bahinin’ Italia, ary nanamafy fa hitohy ny fampiasam-bolan'i Eni amin'ny fitrandrahana etona voajanahary ao Cabo Delgado, izay heveriny fa fampivitrihana ny toekaren'i Mozambika sy Italia izany. Fantatra fa mikasa ny hanomboka hikaroka etona ao amin'ny faritra 4 ao amin'ny lemak'i Rovuma ny Eni amin'ity taona ity, tetikasan-davadrano ambanin'ny tany sy sehatra mitsingevana manana famokarana 3,4 tapitrisa taonina isan-taona.

Raha ny momba an'i Ginea Ekoatorialy indray, ny fanadihadiana [6] no milaza fa tokony hahazo soa avy amin'ny fifandraisany amin'i Espaina ity firenena ity, izay mpiara-miombon'antoka aminy lehibe indrindra amin'ny varotra:

O que significa que terá a oportunidade de reanimar campos de gás adormecidos para servir outros mercados na União Europeia nos próximos dois a três anos.

A Guiné Equatorial, tal como Angola, tem a infra-estrutura de exportação pronta, com carregamentos não só para Espanha mas também para o Chile e os Estados Unidos, mas uma burocracia ineficiente dificulta a atractividade do mercado, embora o aumento da procura e a oportunidade para as grandes companhias petrolíferas se afastarem da Rússia possa motivar melhorias no ambiente empresarial.

Midika izany fa hanana hirika hamelomana indray ny famokarana etona matory hikarakarana ireo tsena hafa ao amin'ny Vondrona Eoropeana ao anatin'ny roa na telo taona ho avy [ny firenena].

Efa manana fotodrafitrasa fanondranana vonona toa an'i Angola i Ginea Ekoatorialy, manana fandefasan'entana tsy mankany Espaina ihany fa mankany Chile sy Etazonia ihany koa, fa ny fanjakam-birao tsy mahomby no manakana ny fisarihana ny tsena, na dia eo aza ny fitomboan'ny tinady sy ny hirika ho an'ny orinasan-tsolika goavana hiala amin'i Rosia izay mety hitondra fanatsarana eo amin'ny tontolon'ny fihariana.

Ankoatra ireo firenena Lusophone eto Afrika, dia misy ihany koa otrika zotran'etona hafa. Ohatra, tamin'ny Avrily tamin'ity taona ity i Italia, izay firenena fahatelo matanjaka ara-toekarena indrindra ao amin'ny Vondrona Eoropeana, no nahavita [15] fifanarahana tamin'i Alzeria hanafatra etona voajanahary bebe kokoa. Efa mamatsy etona any Eoropa amin’ny alalan’ny fantsona telo ity firenena afrikanina tavaratra ity, ka mankany Italia ny iray. Ny fantsona roa hafa kosa mifandray amin'i Espaina.