- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niova fomba fanjifàna hira ny Afrikana ary miditra amin'ireo goavan'ny fandefasankira iraisampirenena aza

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Kenyà, Nizeria, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Teknolojia
Photo by Muhammadtaha Ibrahim Ma'aji on Unsplash

Saripika avy amin'i Muhammadtaha Ibrahim Ma'aji [1]. Nampiasaina araka ny Unsplash License [2]

Taorian'ny fironana maneran-tany [3], tsy nitsahatra nijotso ny fivarotana kapila mangilatra [4] (CD) amin'ny tsena telo lehibe ato amin'ny kaontinanta Afrikana ahitana an'i Afrika Atsimo, Kenya, ary Nizeria nandritra ny roapolo taona farany noho ny fialan'ny mpankafy mozika amin'ny kapila hiditra ho amin'ny fitrohana ankihy. Afrikanina maro kokoa no mahazo fidirana amin'ny aterineto satria lasa miparitaka eny rehetra eny ny finday avo lenta, izay nandrisika famoahana zava-baovao eo amin'ny sehatry ny teknolojia ao anatin'ny tsena ara-bolan'ny teknolojia sy ny sehatrasan'ny fampitam-baovao. Amin'ny famoahana ireny zava-baovao ireny dia lasa mora takatra kokoa ao amin'ny tsena eo an-toerana ny hira ary mahita ny mety hisian'ny firohotana vaovao any amin'ny faritra izay hita ho tsy misy dikany taloha teo amin'ny tsenan'ny mozika iraisam-pirenena ireo sehatra isan-karazany.

Ity dia ampahany voalohany amin'ny andian-dahatsoratra misy fizarana roa mandalina ny fomba fanjifàna ny hira eto Afrika.

Araka ny voalazan'ny Statista, vinavinaina hahatratra 297 tapitrisa dolara amin'ity taona 2022 [5] ity ny vola miditra amin'ny sehatry ny firohotan-kira ary tsinjovina hanana mpisera miisa 55,8 tapitrisa eo ho eo amin'ny taona 2026 i Afrika.

Tamin'ny faran'ny taona 2020, nahatratra 495 tapitrisa [6] ny famandrihana findain'ny kaontinanta ka 46 isanjaton'ny mponina ao amin'ny faritra izany — fitomboana efa ho 20 tapitrisa raha ataha ny tamin'ny taona 2019.

Saingy tsy nisy ny hetsika anjotra raha tsy zaraina ara-drariny ny sakatsakana miandry azy. Mbola tafahoatra ny vidin'ny mega(data) am-pinday [7] ho an'ny maro. Nahatsikaritra ny tatitra nataon'ny Alliance for Affordable Internet [7] (A4AI) fa,  raha mifototra amin'ny fidiram-bolan'izy ireo, ny mpanjifa aty amin'ny firenena Afrikana no mandoa ny tahan'ny sara ambony indrindra eran-tany amin'ny fidirana aterineto. Niteraka fifanandrinana izany teo amin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra handrombaka ny tsenan'i Afrika, noho ny fifaninanana hanova paikady hifanaraka amin'ny fivoaran'ny tsena.

Miditra Spotify

Ankoatra ny vidin'ny mega, tabatabain'ireo mpanakanto eran-tany ny maodelim-bola aloa [8] lafo loatra ampiharin'ny goavam-be manerantany fandefasam-peo sy sary be mpisera toy ny Spotify. Sosohan'ny tsy fahafahan'izy ireo miady laharana ho hita tabilao amin'ny sehatra manerantany izany sy ny finiavan'ny maro amin'ny mpanakanto sy ny mpamorona te-hifehy tanteraka ny fitsinjarana ny hira sy ny amboaram-bokatra ka namoronany efitrano hametrahana sehatra fandefasan-kira afrikanina tian-kiroborobo.

Tamin'ny taona 2018 ny Spotify, mpisava lalana amin'ny fandefasan-kira anjotra ary azo inoana fa ny sehatra streaming (fandefasan-kira na horonantsary) malaza indrindra eran'izao tontolo izao, no niitatra tany amin'ny firenena afrikanina maherin'ny 40 [9], ka avy amin'izany no nanomezany safidy fanampiny fandefasan-kira ho an'ny mponina tanora indrindra eto Afrika. Na izany aza, efa manomboka mihantsy ny fanjakazakan'ny Spotify ao amin'ny tsenany ireo aingam-pihariana (startups) avy eto Afrika.

Boomplay sy Mdundo ireo sehatra roa izay lasa mpifaninana mahery vaika manana fitomboana mahatalanjona tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Amin'ny fananany mpisera mavitrika 60 tapitrisa [10], Boomplay no serivisy fandefasan-kira malaza indrindra eto Afrika. Mitarika amin'ireo mpihazakazaka mifanety, iray amin'ireo andiam-pandefasan-kira nitombo teto an-toerana sady seha-botoaty manolotra safidy hafa ankoatra ireo maodelim-pandefasan-kira anaovam-pangatahana manerantany.

Raha jerena amin'ny paikadin'izy ireo, dia mora ny mahita ny antony andresen'ny orinasa Shinoa, mifantoka amin'i Afrika, ireo goavam-ben'ny fandefasan-kira manerantany toy ny Spotify sy ny Apple Music mba ho lasa safidy tsara indrindra ho an'ny kaontinanta.

Efa voapetraka mialoha amin'ireo finday avo lenta amidin'ny Transsion, mpanamboatra ny Tecno, Infinix ary itel — ireo marika finday be mpividy indrindra aty Afrika — ny Boomplay App.

Natomboka tamin'ny taona 2013 ny Mdundo ary manolotra hira an-tapitrisany maro azo alaina maimaim-poana, indrindra fa ny avy aty Afrika. Manana katalaogin-kira manerantany azo ampiasaina amin'ny alàlan'ny maodely freemium sy mifototra amin'ny famandrihana ihany koa izy. Ny loharanom-bolany voalohany dia ny dokambarotra amin'ny alàlan'ny soratra miserana sy miraikitra amin'ny rakikirany.

Manana maodely ara-bola tsy manam-paharoa, mifantoka amin'ny artista ny Mdundo . Ireo mpanakanto manao sonia(m-pifanarahana) amin'ny sehatra dia mandray ny atsasaky ny vola azo avy amin'ny dokambarotra tao amin'ny hirany. Voaporofo fa nahasarika mpanakanto Afrikana izany, satria mpitendry mozika maherin'ny 80.000 no nisoratra anarana tao amin'ny orinasa, namorona katalaogin-kira 1,5 tapitrisa araka ny lazain'ny Quartz Africa [11].

Nandritra ny telovolana farany tamin'ny taona 2021, nanambara [12] fisongàna 22 isanjato amin'ny isan'ny mpisera ny serivisy fandefasan-kira pan-Afrikana, nahatratra mpisera 20 tapitrisa raha 16,3 tapitrisa izany herintaona talohan'io.

Na dia mbola tsy mahasarika ny orinasa misandrahaka maneran-tany aza ny otrika fidiram-bola ao amin'ny kaontinanta, dia hamokatra ny ankamaroan'ny mpamandrika hira [13] ao anatin'ny folo taona ho avy ny faritra. Azo heverina fa mety haka ny ampahany betsaka indrindra amin'ny tonom-pizarankira amin'ny sehatra manerantany ireo mpisehatra eo an-toerana izay namboly fifandraisana lalindalina kokoa tamin'ny sehatrasa, ny mpanakanto, ny vondrom-piarahamonina an-kira ary ny haino-vaky-jery.