- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rising Voices miarahaba ireo mpiaramiasa 10 ho amin'ny Fikatrohana Nomerikan'ny fiteny Maya

Sokajy: Mediam-bahoaka, actlenguas, Rising Voices

Sary fanaingoana nataon'i David Canul (Pájaro Toj) ho an'ny Rising Voices.

Hafaliana ho an'ny Rising Voices ny manambara ireo Mpiaramiasa vaovao 10 voafantina ho ao anatin'ny Mayan Languages Digital Activism Fellowship Program 2022 [1]. (Fandaharanasa Fiarahamiasa ho an'ny Fikarohana Nomerikan'ny Fiteny Maya)

Ireo olona folo nofantenana avy any amin'ireo fanjakana meksikàna ao  Chiapas, Quintana Roo ary Yucatan dia hanomboka dingana iray fiaraha-mianatra mandritra ny valo volana izay hisy fotoana fitarihandàlana ataona mpiahy avy amin'ny tariky ny Rising Voices ahitàna ireo mpikatroka nomerika manana traikefa avy ao amin'ireny faritra ireny. Ireo fifanakalozana ireo dia hanampy amin'ny fampivoarana ny traikefa fahaiza-mitarika mifandraika amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny mba hametrahany ny tetikasam-pikatrohana manokan-dry zareo iarahany miasa akaiky amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana. Ny tsirairay amin'ireo olona nofantenana dia hizara ny traikefan'izy ireo sy ny fandrosoana vitany amin'ny alàlan'ireo famoahana tsy tapaka ao amin'ny tranonkala sy ireo fantsona hafa.

Manomboka ny volana May, hanomboka fihaonam-bondrona izahay, sy isambatan-olona, hitondrana miaraka ireo mpikatroka vao misondrotra mba hirotsaka feno anatina tambajotra nasiônaly, isam-paritra, na erantanin'ireo mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny.

Taorian'ny fandinihana lalina ireo tetikasa 80 mahery napetrak'ireo mpikatroka avy ao amin'ny faritra atsimon'i Meksika tamin'ilay fandaharanasa, olona 10 no voafantina, dimy Chiapas ary dimy avy amin'ny saikinosin'i Yucatan:

List of 2022 Fellows