Tantara tamin'ny Mey, 2022
Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina
Mivondrona eo ambanin'ny sainam-pirenena Rosiana nohavaozina izay ahitana ny fandavana ny imperialisma sy ny herisetra ireo Rosiana monina any ivelany manohitra ny politikan'i Potinina sy ny fananihana an'i Okraina.
Saripika 8 maneho ny hakanton'ny natiora ao Amerika Afovoany sy Pero
"Azonao ampifamenoina amin'ny alàlan'ny fakàna sary ny siansa sy ny fiarovana."
Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook
Na dia mitombo haingana aza ireo mpampiasa media sosialy ao Kenià, tohizan'ny Facebook sy ny Twitter ny fanolorana fepetra tsy mahomby sy tsy fampiasana vola betsaka amin'ny ady hanoherana ny fandisoana vaovao mifandraika amin'ireo fifidianana.
Sambany namoaka ny zom-pirenena faharoa ananany ilay bilaogera Ejiptiana voafonja, Alaa Abdelfatah, raha efa saiky ritra ny faharetany
Taorian'ny 3000 andro laniny tany am-ponja hatramin'ireo fikomiana tamin'ny 2011, nanefa sazy dimy taona an-tranomaizina i Alaa tamin'ny 2019 ary nosamborina tamin'ny faramparan'io taona io taorian'ireo fihetsiketsehana manohitra ny governemanta.
Miteraka ady hevitra ara-pitsarana ny fanentanana ara-politika ataon'ireo minisitra Nizeriana
Miraikitra ao anatin'ny folihala ara-pitsarana amin'ny lalàm-pifidianana izay mametra ny fametraham-pialana tsy misy hatak'andro sy ny lalàmpanorenana milaza fa afaka miandry ireo minisitry ny kabinetra Nizeriana mirotsaka hofidiana.
‘Miaro ny fiainana:’ Fomba fiainan'ireo vazimba teratany, tena ilaina hamahàna ny olan'ny fiovaovàn'ny toetrandro
“Ny fiarovana ny fiainana dia midika fiarovana ireo fepetra isian'ny fifangaroam-piainana mba hanohizana ny fisiana" hoy i Miryam Vargas, ilay Nahuatl mpanao gazety.
Nanamarika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tany Mozambika ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana
Anisan’ny hafatry ny fetibe sy fankasitrahana ny asa vitan’ny mpanao gazety ny fanamarihana ilay andro tamin’ny hakiviana noho ny toe-java-tsarotra iainan’ny fampitam-baovao any an-toerana.
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Fantaro i El Hadji Ibrahima DIAGO, mpikatroka ho an'ny fiteny Wolof
Avy ao Senegal, El Hadji Ibrahima DIAGO dia namorona rakipeo iray (podcast) hitrandrahana ny fifandraisan'ny fiteny Wolof sy ny teknôlôjia.
Inona no tena miavaka amin'ilay hira mandatsa-dranomaso ‘Pir’ izay niteraka adihevitra nasionaly tany Nepal?
Novaina sy naverina navoaka indray taorian'ny adihevitra mafana ny hira Nepaley iray ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahorian'ireo mpiasa ambony Maoista izay nanohana sy niady tamin'ny fikomiana naharitra folo taona tao Nepal.