- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Ny valim-pifidianana any Aostralia sy ny mikasika ny fanjakana Meksikana mitady ny fomba hiatrehana ny haintany

Sokajy: Mediam-bahoaka

Sary nomen'i Ameya Nagarajan

Tamin'ity herinandro ity, manazava ny adihevitra momba ny fitsinjarana ny rano ao amin'ny fanjakan'i Querétero any Meksika izay tratran'ny haintany [1] ny toniandahatsoratra any Amerika Latina Melissa Vida [2], aorian'izay i Kevin Rennie [3], mpandray anjara ao amin'ny GV, no hamelabelatra ny voka-pifidianana tany Aostralia ary hanazava ny fandresen'ny Labour (Mpiasa) sy ny dikan'ny hoe fandrosoana ho an'ireo kandidà tsy miankina maromaro.

Entin'ny Rakipeo Global Voices ho anao ny vaovao isam-paritra avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Isan-kerinandro ireo avy ao amin'ny vondrom-piarahamoninay mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy avy sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misorata anarana [4] ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter [5] ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage [6]” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices midadasika.