Rakipeo: Ny valim-pifidianana any Aostralia sy ny mikasika ny fanjakana Meksikana mitady ny fomba hiatrehana ny haintany

Sary nomen'i Ameya Nagarajan

Tamin'ity herinandro ity, manazava ny adihevitra momba ny fitsinjarana ny rano ao amin'ny fanjakan'i Querétero any Meksika izay tratran'ny haintany ny toniandahatsoratra any Amerika Latina Melissa Vida, aorian'izay i Kevin Rennie, mpandray anjara ao amin'ny GV, no hamelabelatra ny voka-pifidianana tany Aostralia ary hanazava ny fandresen'ny Labour (Mpiasa) sy ny dikan'ny hoe fandrosoana ho an'ireo kandidà tsy miankina maromaro.

Entin'ny Rakipeo Global Voices ho anao ny vaovao isam-paritra avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Isan-kerinandro ireo avy ao amin'ny vondrom-piarahamoninay mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy avy sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misorata anarana ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices midadasika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.