
Pikantsary iray nalaina tamin'ilay gazety tohanan'ny fanjakana “People's Daily” tamin'ny 20 May 2022 (avy amin'ny China Media Project)
Nandritra ny tapabolana lasa teo dia niely teny anatin'ny tambajotra shinoa ny mety ho fametraham-pialàn'ny filoha shinoa Xi Jinping, ary niteraka tombantombana teny anivon'ireo Shinoa mpanohitra monina any ivelany.
Tamin'ny 5 May 2022, mpamokatra Youtube iray monina ao Kanadà no voalohany niandohan'ilay honohono, Lao Deng (老灯), izay nitanisa loharano tsy nitonona anarana avy amin'ny tomponandraikitry ny filaminana ao Shina ho loharanony, tamin'ny filazàna fa neken'i Xi ny hamela ny Praiminisitra shinoa, Li Keqiang, hitantana ny olana ara-toekarena sy diplaomatikan'i Shina nandritra ny fivorian'ny Filankevitra Maharitry ny Politburo ao anivon'ny Antoko Kaominista shinoa tamin'ny faran'ny Aprily. Dingana nantsoin'ilay video-bilaogera ho “fanonganam-panjakana” satria niatrika maromaro tamin'ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin'ny antokony i Xi. Nisy mpampahalala vaovao vitsivitsy miteny anglisy nitsaingoka ilay tantara hatreo.
Andro vitsy taty aoriana, marobe ireo mpamoaka vaovao amin'ny fiteny anglisy, isan'ireny ny ANI ao India sy Daily Mail, ilay gazety mpisary adala ao UK, nitanisa loharano shinoa sasantsasany tsy voamarina fa hoe i Xi dia tratry ny cerebral aneurysm, fivontosan'ny lalandrà ao amin'ny atidoha mety hitarika aretin'an-doha tsy laitra, mampihena ny fiasan'ny atidoha, ary mitondra mankamin'ny fahavakisan-drà mahafaty any amin'ny atidoha.
Nipoitra ireny honohono ireny manoloana ny alokaloky ny mety ho firotsahan-kofidian'i Xi Jinping hikendry hahazo fe-potoam-piasana fahatelo maha-filoha azy. Taorian'ny nanesorana ny fetram-potoam-pitondrana indroa tsy ho ao anatin'ny Lalam-panorenana Shinoa tamin'ny 2018, lasa nazava fa nanantena ny hijanona eo amin'ny fitondràna mandra-pahafatiny i Xi. Ny fihaonamben-Dohataona fanaon'ny antoko kaominisita ao Beidaihe dia mety ho kihon-dàlana goavana amin'ny fiantohana ny toerana maha-mpitarika azy.
Na izany aza, voadoan mafy tamin'ilay politika zero-COVID napetraka hiadiana tamin'ny valanaretina ny toekarena shinoa, ary lasa tsy manana fanantenana momba ny hoavin'ny firenena intsony ny vahoaka.
China’s economy is paying the price for its Covid Zero policy:
*Industrial output – 2.9% in April from a year ago
*Retail sales contracted 11.1% (vs est. 6.6% drop)
*Unemployment rate climbed to 6.1%, youth jobless rate hit a record via @JDMayger https://t.co/QdSe5LwOwl— Rebecca Choong Wilkins 钟碧琪 (@RChoongWilkins) May 16, 2022
Mandoa ny saran'ny politika niatrehany ny Covid Zero i Shina:
*Vokatra Indostrialy – 2.9% tamin'ny Aprily raha oharina amin'ny taona lasa
*Varotra antsinjarany 11.1% (mitaha amin'ny fidinana 6.6% novinavinana)
*Tahan'ny tsy fananana asa tafakatra ho 6.1%, tonga tamin'ny fetra ambony indrindra ny tsy fananan'ny tanora asa hoy ny @JDMayger https://t.co/QdSe5LwOwl— Rebecca Choong Wilkins 钟碧琪 (@RChoongWilkins)
Nisy drafi-panarenana toekarena natsofoka ao amin'ny fivorian'ny Filankevitra Maharitry ny Politburo ao anivon'ny Antoko Kaominista shinoa (CCP) ary tamin'ny 11 May 2022 ny Wall Street Journal dia nitatitra fa niverina ho eny alohan'ny sehatra ny Praiminisitra Li Keqiang mba hamaha ireo olana ara-toekaren'i Shina, taorian'ireo taona marobe niandrasany ny fotoanany tany ambadika tany.
Voamarik'ireo mpanara-maso ny media shinoa ihany koa fa ny Xinhua sy ny China Daily dia samy nanomboka nampiseho teny amin'ny pejy voalohan-dry zareo ireo shinoa mpitarika hafa, isany i Li Keqiang, Wang Yang (filohan'ny kaomity nasiônalin'ny kaonferansa fakankevitra politikan'ny vahoaka shinoa) sy Li Zhanshu (filohan'ny kaomity maharitry antenimieram-pirenena) raha tsy hita kosa teny anatin'ny fanasongadinan'ny media tahaka izay nahazatra i Xi.
Ny China Media Project (CMP), tetikasam-pikarohana momba ny fandrosoan'ny media ao Shina, dia nanjohy ny tsy fahitàna an'i Xi teny anatin'ireo pejy voalohan'ny China Daily:
Today's absence marks the 5th front page in the People's Daily this month w/out Xi Jinping or a title (“general secretary”) in a headline. This was our minimum benchmark for Xi's absences being notable. Keep watching! Another week of May to go. pic.twitter.com/wDS64xuZZO
— China Media Project (@cnmediaproject) May 23, 2022
Ny tsy fahitàna azy androany no manamarika ny fanindiminy amin'ny pejy voalohan'ny People's Daily tamin'ity volana ity tsy nisy an'i Xi Jinping na lohateny iray (“sekretera jeneray”) anaty lohateny vaventy. Io no tondro kely indrindra avy aminay ilazana fa miharihary ny tsy fahitàna an'i Xi. Araho tsy tapaka! Mbola misy herinandro iray vao tapitra ny May. pic.twitter.com/wDS64xuZZO
Araka ny fanadihadiana tany aloha nataon'ny CMP, zavatra iray tsy mahazatra ny mahita hoe mihoatra ny in-dimy no tsy nahitàna an'i Xi tao anatin'ny pejy voalohan'ny People’s Daily.
Tao amin'ny Twitter, betsaka ireo fifanakalozana hevitra miezaka ny mamantatra ireo famantarana manodidina ireo honohono sy ny fandrakofam-baovao.
Ireo izay mino fa mety hametraka fialàna tokoa i Xi dia nanondro ny tetikadiny “zero-COVID” sy ireo fepetram-pihibohana tao Shina ho pôlitika tena nandona mafy ny lazany. Ilay mpanohitra menavazana, Hu Ping, anefa, dia nanatefotefoka ilay fandalinana, satria ampidirin'izy io ny hoe mifototra amin'ny fanohanam-bahoaka avy amin'ireo olontsotra na ireo sangany ao amin'ny antoko ny tanjak'i Xi.
Mandritra izany fotoana izany, na ireo tsy mino ilay honohono aza dia nanatevina laharana ilay fifanakalozana hevitra mba hilaza ny tsy fahafalian-dry zareo manoloana ny zavamisy ao Shina:
虽然我不认为习近平会下台,但如果真的有什么神迹让他滚蛋,换成李克强和汪洋的组合,那绝对是一件大好事。我自己是润了,可家人没润啊,我总不能眼睁睁看着他们受苦吧……
— Peter-Lin (@PeterLin0732) May 18, 2022
Na tsy mino ny hametrahan'i Xai fialàna aza aho, raha tena misy zava-mahagaga mitranga marina ka miala tokoa izy ary i Li Keqiang sy i Wang Yang no handray ny fahefana, dia tena ho vaovao goavana izany. Nandositra aho, fa tsy nanao toy izany ny fianakaviako. Tsy te-hahita azy ireo hijaly aho…
Teng Biao, mpisolovava mpiaro zon'olombelona nandeha nanao sesitany ny tenany, dia nino fa ireny honohono ireny ary koa ireo adihevitra momba ny fanovàna pôlitika, dia ikendrena ny fanapariahana fampanantenana poak'aty hoe ho vitan'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) ny hamaha ny olan'ny maha-ara-drariny ny rafitra pôlitika tsy refesimandidy izay mihevitra ny zon'olombelona sy ny fahalalahana ho toy ny ambinambin-javatra raha miohatra amin'ny filaminana pôlitika sy ny antoko tokana.
温家宝刚上台的时候,民间一大票人看到了希望,还专门开会挺温,有一次北京的一个饭局,一大桌人,我好像是唯一对挺温不以为然的。这一次挺李克强是啥情况?中南海听床学带来了一波又一波虚假希望。
这次挺李克强的大概和2012-2013年那些因为习仲勋是改革派而挺习近平的是同一拨人?— 滕彪 (@tengbiao) May 20, 2022
Be ny nanantena zavatra fony voalohany tonga teo amin'ny fitondrana i Wen Jiabao. Ny sasany aza nanao famoriana mihitsy mba ho fanehoan-dry zareo ny fanohanany. Nandritra ny iray tamin'ireny famoriana sy fisakafoanana ireny, izaho irery no nijanona ho tsy natoky momba an'i Wen. Dia manakory izao ny fanasohasoana an'i Li Keqiang? Mbola fampanantenana poakaty iray hafa koa io, noforonin'ireo mpanombantomban'ny Zhongnanhai (ireo tena lohandohan'ny mpisoroana ao amin'ny CCP). Ireo manohana an'i Li Keqiang dia azo vinavinaina ho naneho ny fanohanan-dry zareo an'i Xi Jinping tany amin'ny 2012–2013 tany, satria ve reformista i Xi Zhongxun (rain'i Xi Jinping)?
Ireo mpanohitra sasany ihany koa, indrindra fa ireo mifandray amin'ilay shinoa mpanankarena miaina an-tsesitany, Guo Wengui, dia manely ny tsikombakomba izay nanosoka hevitra hoe i Xi no ao ambadik'ireo honohono ireo.
Na tsy manana fantsona aza isika hanamarinana ireny honohono ireny, ny fandinihan‘ny China observer Bill Bishop ny pôlitikan'ny honohono ao anatin'i Shinan'ny vaninandro ankehitriny dia manome topimaso vitsivitsy momba ilay sary mampisafotofoto:
Misy tantara lava be momba ireo honohono natosika ho any ivelan'ny ranomasina, nahodina tao Shina, manomboka miresaka azy ireny ireo manampahefana, avy eo atosika indray izy ireny hiampita ranomasina, toy ny hoe “voamarina”. Misy koa tantara lava be momba ny ankolafy resy tamin'izay ady pôlitika rehetra ka manaporitsaka vaovao diso…