Mitady mpikaroka isaky ny firenena ho an'ny tetikasa Advox ny Global Voices

 

 

Mitady mpikaroka ny Advox, fanentanana ataon'ny Global Voices ho an'ny zo ankihy, hitantana, hanolotra, ary hampita fikarohana ho an'ny tetikasa momba ny fiarahamonina sy ny fitondrana tsirefesimandidy [samy] mampiasa tambajotra any amin'ireo firenena sy faritany voafantina, anisan'izany: Myanmar, India, Tanzania, Egypta, Maraoka, Brezila, Rosia, Torkia, Kamerona, Sodàna, Zimbaboe, Ekoadaoro, Nikaragoà, Meksika, Hong Kong, Filipina.

Hofakafakain'ny tetikasa, horaketiny ary hotateriny ny fitomboan'ny fampiasana ny teknolojian'ny serasera ankihy mba hampiharan-dalàna sy hampandrosoana ny fitondrana jadona. Hanangana lasitrasa ny tetikasa hanaovana famakafakana, hanorina fomba fiasa sy fomba fanaraha-maso, fomba fandraketana ary hampisongadina ireo raharaha sy tranga ho an'ny olona voakasik'ity tetikasa ity, ary hamokatra tatitra momba ny tranga maromaro.

Ho tompon'andraikitra ny mpikaroka amin'ny fametrahana ny tanjon'ny tetikasa amin'ny fikarohana eo amin'ny sehatra nasionaly, miara-miasa amin'ireo mpikaroka any amin'ny firenena hafa momba ireo olana mifanitsy, sy amin'ny famokarana fanehoan-kevitra sy famakafakana ho an'ny Advox izay hanohana ny fanoritana ny asa. Tompon'andraikitra ry zareo amin'ny fiantohana fa atao amin'ny fenitra fomba fiasa ambony indrindra ny fikarohana ary tohanan'ny tsikaritra eny antokotanin-tsehatra. Hiara-hiasa amin'ny ekipan'ny Global Voices ihany koa ireo mpikaroka ao amin'ny firenena mba hanangonana sy handikana ny vaovao ho an'ny faritra hafa amin'ny tetikasa araka izay takiana.

Ireto ny andraikitry ny mpikaroka ao amin'ny tetikasa:

  • Mamokatra sy mametraka fikarohana momba ny fahefana tsirefesimandidy voatambajotra ao amin'ny firenena iray manokana manomboka amin'ny tsirinkevitra hatramin'ny fampiharana, ao anatin'izany ny fanoratana sy ny famakafakana tsara angondrakitra.
  • Mamorona drafi-pikarohana hamitana ny fikarohana ao anatin'ny fe-potoana takiana sy voafaritry ny tetibola
  • Miara-miasa amin'ny mpikaroka hafa mba hizara fahaiza-manao sy fahalalana lohahevitra
  • Mikarakara sy manatrika atrikasam-panamarinana ho an'ny fikarohana
  • Mandrindra ny hetsika fikarohana miaraka amin'ireo mpikaroka avy amin'ny ekipan'ny firenena hafa
  • Maka manam-pahaizana hiasa amin'ny zo ankihy avy amin'ny firenena nofinidiny handraisany anjara amin'ny Advox
  • Miandraikitra ireo mpilaza vaovao ao amin'ny firenena

Ireo kandidà ho voaray dia:

  • Manana fahaiza-manao amin'ny fikarohana vita tsara sy/na marobe, zatra famolavolana sy fampiharana drafi-pikarohana, mitarika fikarohana sy fahazaran-draharaha, miasa amin'ny tobin-dahatahiry sy andian'angondrakitra, manatanteraka asa eny ifotony, ary mampifanaraka ny fomba fiasa amin'ny fiovaovan'ny toe-javatra.
  • Mahafehy ny solosaina tsara
  • Mahay manoratra mazava ho an'ny mpanaraka tsy akademika
  • Manana fidirana matanjaka amin'ny fifandraisana amin'ny aterineto
  • Manana fahafahana miasa amin'ny tontolo isan-karazany sy ahitana kolontsaina isan-karazany
  • Afaka miasa mahaleotena sy miaraka amin'ireo ekipa miparitaka amin'ny hasin'ora maro
  • Mahay miteny Anglisy tsara (tsara kokoa raha mahay fiteny fanampiny hafa)
  • Mahay mampita hafatra tsara
  • Mahay mitantana fotoana tsara

Tsy misy fetra ara-jeografika takiana amin'ity toerana ity. Mariho fa tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Tsy maintsy mahay mandrindra tsara ny fametrahana ny fandaharam-potoanany manokana ny mpifaninana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo ary vonona hanao dia iraisampirenena.

Raisinay an-tanandroa ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary ampirisihana ireo olona mandray anjara amin'ny tetikasa Global Voices mba handray anjara.

Raha handray anjara:

Alefaso mailaka amin'ny teny Anglisy amin'ny jobs@globalvoices.org ny fehin'ny lalana nodiavinao sy ny filazalazana ny fahavononanao,  izay manasongadina ny asanao ary hazavao ny antony hiheveranao fa ianao no ilay kandida mety indrindra ho an'ny Global Voices, asio lohateny: Advox Project researcher: [ny anaranao]. Ny fe-potoana fangatahana farany dia amin'ny 11:59pm ET (GMT -5) amin'ny 31 mey 2022. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.