- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

Peta-drindrina ho an'ny fifidianana ao Kenià. Sary an'i Heinrich-Böll-Stiftung [1], 4 Martsa 2013. (CC BY-SA 2.0) [2]

Ao Afrika, ny orinasa media sosialy tahaka ny Twitter sy ny Facebook dia mametraka ho maika kokoa ny famolavolana ireo vokatra vaovao na amin'ny fanitsiana ny tsy mety any anatin'ireo vokatra efa misy fa tsy amin'ny famolavolana paikady sy fitaovana feno hiadiana amin'ny vaovao mamotika sy diso, zaraina avy amin'ireo vovonana media sosialy mandritra ireo fifidianana demokratika.

Tamin'ny 2020, Nu Wexler, tomponandraikitra taloha an'ny ekipam-pifandraisana ara-politika tao amin'ny Twitter, no namaritra ireo fifidianana tao Etazonia ho “the Super Bowl” [3]. Etsy ankilany, Frances Haugen, ilay mpiampanga ao amin'ny Facebook, nanao tslian-tsofina hoe tsy ampy fanarahamaso momba ny fiarovana ilay vovonana any amin'ireo tsena tsy miteny anglisy [4], anisan'izany i Afrika. Fahamalinana ve ny mihevitra fa ny fifidianana any amin'ny faritra atsimon'ny tany dia ampiasaina fotsiny ho toy ny kianja fanandramana ho an'ireo orinasa media sosialy mba hitsapàna ireo fitaovana fandisoana vaovao ?

Taorian'ny tsy nahavitana nanakana ny fitsabahan'ny vahiny, tamin'ny alàlan'ny fandisoana vaovao narindra, avy amin'ny fisarihana ireo fifidianana amerikana tamin'ny 2016, nanomana sy namolavola fandraisana andraikitra mahomby [3] sy fitaovana nomerika ny Facebook sy ny Twitter mba hiadiana amin'ireo vaovao fako sy mba hizarana ampahibemaso ny drafitr'izy ireo  [5] talohan'ny fifidianana tamin'ny 2020. Manoloana izany, azo heverina fa mety hisy fomba mitovitovy amin'izay no ho atao mba hanafoanana ireo vaovao diso nokendrena, satria nisy tranga iray mitovy tamin'izany nitranga nandritra ny fifidianana keniana tamin'ny 2016 [6].

Kasaina ho atao amin'ny 9 Aogositra 2022 ny fifidianana manaraka ao Kenià. Saingy na ny Facebook na ny Twitter dia samy tsy nanambara [7] ampahibemaso paikady iray manoritsoritra hoe ahoana no fomba hiadian'izy ireo amin'ny vaovao diso sy ny fandisoana vaovao mandritra ny fifidianana.

Efa mitombo sahady ny fandisoana vaovao mialoha ireo fifidianana

Malaza amin'ny fihanaky ny fandisoana vaovao amin'ny alàlan'ireo vovonana media sosialy [8] ny fifidianana ao Kenià. Nandritra ny fifidianana tamin'ny 2017, ireo boto Twitters no nameno ny ampahefatr'ireo feo mpitaona tao amin'ny Twitter [9] izay ny tanjona voalohany dia ny fanelezana ireo fitantaràna ratsy mikasika ireo olana goavana, ireo kandidà politika ary ireo tsy mety rehetra hita amin'ny fifidianana.

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nizara lahatsary iray teo amin'ny Twitter narahan'ny teny fototra #Railathebetrayer [10] ireo blaogera avy amin'ny ankolafy misy an'i William Ruto [11], filoha lefitra Keniana sady kandidà mpifanandrina ho filoham-pirenena, izay nitaona sy namily ny resadresaka teo amin'ilay vovonana media sosialy. Ny tanjon'ilay fampielezan-kevitra dia ny hampiboridana an'i Raila Odinga, kandidà lehibe iray, izay voalaza fa namadika an'ireo mpanao politika hafa nandritra ny nanaovany raharaha politika.

Miaina anaty fihoaram-pefy sahady ny fifidianana [12] ho avy ao Kenià raha toa ireo kandidà ara-politika mirotsaka ao anatin'ireo fiampangàna mahery vaika. Fanampin'izay, efa mitombo be izaitsizy sahady ireo fampielezankevitra fandisoana vaovao [13] eo amin'ny Facebook sy Twitter, tsy misy fitaovana sahaza afaka hampitsaharana azy ireny.

Voalazan'ny fanadihadiana [14] nataon'ny Reuters Institute Digital News tamin'ny taona 2021 fa ny 75% n'ireo mpanjifa vaovao ao Kenià dia dia mahita fa sarotra ny hanavaka ireo vaovao tena izy sy diso aty anaty tambajotra. Ary koa, fantatra fa mihanaka haingana avo telo heny ny fndisoana vaovao ara-politika [15], miohatra amin'ireo endrika fandisoana vaovao hafa rehetra eny anatin'ireo vovonana media sosialy.

Mampiahiahy io ho an'ireo olom-pirenena, satria ireo mpanao politika [16] sy ireo mpitarikevitra avy any ivelany [9] dia hampiasa ho fitaovam-piadiany ireo vovonana media sosialy ireo mba hanosehana ireo fitantarana mamotika izay hanimba ny fahamendrehan'ny fifidianana ao Kenià.

Voafetra ny fiantraikan'ireo mpanamarina tranga manoloana ny indostria miroborobon'ny fandisoana vaovao

Ny taona 2019, nofaritan'ny Facebook ny fomba niomanany ho an'ireo ifidianana ao Afrika [17], anisany amin'izany ny fiarahamiasa amin'ireo mpanaramaso ny zava-mitranga any an-toerana, ny fanamafisana ny fahaiza-mamaky teny nomerika, ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena sy ny fanaovana ho mangarahara ireo dokambarotra politika. Tamin'ny 22 Martsa 2022, nilaza ilay orinasa media sosialy fa, mba hiarovana ny fahamarinan'ireo fifidianana sy hampitomboana ny mangarahara, dia hohamarininy ireo mpanao dokambarotra politika mialohan'ny handefasana ireo dokambarotra. Ary koa, homeny fidirana ny daholobe [18] ho ao amin'ny tranombokiny mikasika ny dokambarotra [19] mba hahitan'ny rehetra ny vola lany tamin'ilay dokambarotra politika sy izay nandoa izany.

Tsy hitondra vokatra goavana ity fomba fanao mahazatra nampiasain'ny vovonana media sosialy marobe ity, mba hamahàna ireo fanamby amin'ny fandisoana vaovao mandritra ny fifidianana, any amin'ireo firenena toa an'i Kenià. Ananan'i Kenià ny orinasa tsara lamina misahana ny fandisoana vaovao [13], izay miroborobo vokatr'ireo tranga saropady toy ny fifidianana, ny adihevitra mikasika ny volavolan-dalàna, sy ny sisa mba hahazoana tombony. Manakarama mpitarikevitra ao amin'ny media sosialy ireo mpanao politika Keniàna [13], izay mamorona sarintsarina kaonty manana   mpanjohy marobe, mba hampiasa ny kaontin'izy ireo hamiliana ny lahatenin'ny olom-pirenena ho amin'ny tombontsoan'izy ireo sy hikendrena ireo tanora amin'ny  alàlan'ireo fampielezankevitra fandisoana ny vaovao.

Nandritra ny adihevitra momba ilay Building Bridges Initiative malaza – dingana iray mikasika ny fanitsiana ny lalàm-panorenana Keniana – nisy mpitarikevitra tao amin'ny Twitter izay voakarama hanao fanentanana, tsy hoe fotsiny nitaona ny hevitry ny daholobe [20], fa nanala baraka ihany koa ireo Keniana mpikatroka malaza, ireo mpanao gazety sy mpitsara izay nanohitra ilay hetsika.

Araka ny filazana ara-drariny [21] nataon'ny Talen'ny Advox, Nanjala Nyabola, ilay Keniàna mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, tamin'ny Global Voices, hoe “Ao anatin'ny vanimpotoana izay hitobahan'ny vola be eo amin'ny sehatra politika isika ary ny ampahany betsaka amin'io vola io dia ahodina mankany amin'ireo izay mitranga ao anaty tambajotra sy manandrana manodina ny hevitra ara-politikan'ny olona ao anaty tambajotra, mba handehanana mankany amin'ny tanjon'ireo olona manana ny fahefana, mahay manindry…”

Noho izany, tsy mahomby ho an'ny Twitter sy Facebook ny hametraka ny andraikitra fanalefahana ny fandisoana vaovao politika ho any an-tànan'ireo tsy miankina mpanamarina ny zavamisy. Miatrika fanamby roa lehibe ireo mpiara-miasa amin'ny fanamarinana ny zava-misy : tsy manana fahafahana sy fotoana izy ireo hijerena ireo votoaty be dia be eo amin'ny vovonana media sosialy, ary ny votoaty manohintohina izay mety handrahona ny fahamarinan'ny fifidianana dia tsy ho laharam-pahamehana amin'ireo vovonana media sosialy raha toa tsy misafidy ny hanao izany ireo mpanaramaso ny zava-misy. Ireo mpiaramiasa mpanaramaso ny zava-misy amin'ireo orinasa media sosialy sasany manerana an'i Afrika dia nanaiky fa na dia iteraka fahasamihafàna kely aza ny asan'izy ireo, ny fiantraikany dia tena voafetra [22]. Raha ny tena izy, tsy manana finiavana hampiasa vola sy hampiasa an'ireo loharano rehetra ireo media sosialy [22] mba hiarovana ny fahamarinana ara-pifidianana ao Kenià.

Ny tsy fahaizan'ireo vovonana media sosialy naka lesona tamin’ny fomba tsy ara-dalàna nanangonan'ny Cambridge Analytica ireo angon-dakitra [21]avy amin'ny Facebook mba hanaovana an'ireo fitantarana ratsy sy hitarihan-kevitra tamin'ny fifidianana Keniana tamin'ny taona 2017 dia mitaky ezaka be avy amin'ireo vovonana ireo eo amin'ny fikatsahany hiady amin'ny fandisoana vaovao ao Afrika.

Ny Facebook sy ny Twitter dia tokony hamaritra stratejia iray sy hampiasa vola amin'ny famahàna ny olana ka hitady izay fomba “tsy hitehirizan [15]“ny algoritman-dry zareo sy hamafàna ny fahafahaa manamafy sy mampitombo ireo votoatim-pankahalàna sy diso. Hampihena be ny fahafahan'ireo mpanao politika Keniàna tsy ho afaka hanely ireo votoaty izay mampisara-bazana vita anatina tsindry tokana monja izany.