- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sambany namoaka ny zom-pirenena faharoa ananany ilay bilaogera Ejiptiana voafonja, Alaa Abdelfatah, raha efa saiky ritra ny faharetany

Sokajy: Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

Nandany ny ankamaroan'ny folo taona lasa tany am-ponja ilay bilaogera malaza, Alaa Abd El Fattah. Sary nampiasaina ny lisansa Creative Commons Attribution-Share Alike 2.5 Generic [1].

Alaa Abd El Fattah, bilaogera Ejiptiana malaza izay nanomboka nitokona tsy nihinan-anina tapa-bolana mahery lasa izay mba hanoherana ny famonjàna azy, sambany nandritra ireo taona maro nifonjàny no nangataka ny mba hanomezana azy ny zony amin'ny maha-olom-pirenena Britanika sy Ejiptiana azy izy.

Sambany nitaky ny zom-pirenena maha-Britanika azy rehefa latssaka ambany ny herin-tsainy ary nihena ny fanantenany ho afaka, nanoratra tao anaty lahatsorany teo amin'ny Facebook ny anabavin'i Alaa, Mona Seif, tamin'ny Sabotsy 16 Aprily fa :

Ny fangatahany :

Amin'ny maha-olom-pirenena Ejiptiana : manendry mpitsara iray mba hanadihady mikasika ireo fitarainana izay efa napetrany,  mirakitra ny fandikan-dalàna nihatra taminy hatramin'ny andro nisamborana azy tamin'ny 29 Septambra 2019.

Amin'ny maha-olom-pirenena Britanika : mba ho afaka hitsidika azy any am-ponja ny masoivoho Britanika.
Ary mba ho afaka hiserasera amin'ireo mpisolovava anay ao Royaume-Uni izy mba hahafahan'izy ireo handray izay rehetra fepetra ara-pitsaràna azo atao, tsy hoe fotsiny, momba ireo fanitsakitsahana zo nanjo azy, fa koa ireo heloka bevava rehetra natao tamin'ny maha-olombelona ihany koa, izay hitany nandritra ny famonjàna azy.

Alaa, izay mahalaza betsaka momba ny tantara lavaben'ny famoretana sy ny tsy rariny ara-politika ao amin'ny firenena ny samy nanagadran'ireo mpitondra tsirairay vao haingana teo amin'ny firenena azy, dia nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tamin'ny 2 Aprily mba hanehoany ny fitsipahany ireo fepetra henjana amin'ny famonjana azy sy ireo sazy ara-politika izay nanaisotra taminy nandritra ireo taona maro lasa ny zanany lahy sy ny fianakaviany.

Manana ny zom-pirenena Britanika izy avy amin'ny [2] reniny, Laila Soueif, mpampianatra matematika tao amin'ny anjerimanontolon'i Kairo, teraka tany Londona fony mbola namita ny fianarany nanomana doctorat ny reniny.

I Alaa no feo iray tsy niangatra tao anatin'ireo taona nialoha ny revolisiona tamin'ny 2011 izay nitondra ho amin'ireo fiovàna ara-politika nahitana ny fanonganana ny filoha naharitra ela, Hosni Mubarak, tao anatin'izay mety ho heverina ho hany zava-bita amin'ny ampahany tamin'ny Lohataona Arabo tao Ejipta. Laviy ny hiatrika fitsarana sandoka ataon'ny fitsarana misahana ny fiarovana an'ny Fanjakana Vonjimaika izay nandà tsy hanome azy ny zony fototra hiaro ny tenany ka nanasazy azy higadra roa taona tamin'ny volana Desambra noho ny fiampangàna azy ho nanao fanaparitahana vaovao diso. Tsy nokajiana tao anatin'ny sazy ny fanagadrana vonjy maika azy roa taona talohan'ny fitsaràna.

Nogadraina natoka-monina ny mpanoratra ilay boky “You Have Not Yet Been Defeated [3]” (Tsy mbola resy akory ianao) navoaka vao haingana,  tsy mahazo mamaky ireo boky sy tsy manana zo hiasa. Tsy manaiky ho resy na teo aza ny fanamelohaa azy dimy taona izay efa vitany volana vitsy monja taloha'ny nampidirana azy indray mba hanefa ilay sazy amin'izao fotoana izao, Alaa dia nandalo vanimpotoana maro izay niteraka ahiahy ny fiharatsian'ny fahasalamany ara-tsaina [4] taorian'ny nilazàna ny fikasàny hamono tena rehefa nitsidika azy ny mpisolovava azy.

Araka ny kajikajin'ny Mada Masr, tranonkalam-baovao tsy miankina iray, tsy nandany afa-tsy 185 andro ivelan'ny fonja i Alaa hatramin'ny nanombohan'ny fikomiana Ejiptiana tamin'ny 25 Janoary 2011.

Zanaka lahin'ireo mpiaro ny zon'olombelona malaza roa, ary anadahin'ireo mpikatroka roa hafa mafana fo, ny andro voalohany tamin'ny volana masina fifadian-kanin'ny Miozolomana i Alaa no nanatevin-daharana ireo mpikatroka liberaly hafa voafonja [5] izay nanomboka nitokoa tsy hihinan-kanina nanohitra ireo fepetra famonjàna tsy araka ny maha-olombelona izay nanidiana azy ireo.

Raha nanambara ny fiantombohan'ny fitokonany tsy hihinan-kanina ny anabavin'i Alaa, Mona, nanoratra [6] teo amin'ny Facebook tamin'ny 5 Aprily hoe :

مساء الخير

النهاردة في زيارة علاء Alaa Abd El Fattah [7] عرفت منه انه دخل اضراب مفتوح عن الطعام من أول يوم رمضان، السبت 2 أبريل 2022
علاء بيفكر في القرار ده بقاله حبة لكنه حسم القرار وبدأ الاضراب رسمي
علاء غضبان جدا، بس النهاردة الغضب كان مختلف جدا عن الفترة السوداء اللي دخلناها من سبتمبر اللي فات. علاء غضبان بس مش واخد قرار طائش، هو واخد قرار فكر فيه وحاسبه ومقرر يخوض المعركة دي حتى لو احنا – أسرته- ماقدرناش نعمل حاجة تساعده فيها.
انطباعي ان المرة دي غير أي مرة أخذ قرار بالاضراب عن الطعام، يمكن المرة دي أقرب لوقت اضرابه بالتزامن مع تدهور ووفاة بابا.
اللي باحاول أقوله ان احساسي ان المرة دي مختلفة، علاء مش شايف جدوى تحمله الأوضاع البشعة اللي هو فيها، وحرمانه من مساحة امان يقدر يشوف فيها خالد، واختزال كل عقله وأفكاره ومشاعره وأحلامه وتحويله لجسد مقفول عليه في زنزانة مع اثنين زملاء ومطلوب منه يحافظ على سلامته الجسدية فقط لأجل غير معلوم.
أنا كنت رايحة وقلقانة ان علاء يبقى قرر فعلا يضرب عن الطعام خاصة مع أنباء موجة اضراب أصدقاءنا المعتقلين -ودومة بالأساس- في سجن المزرعة بطرة، وكنت محضرة أسباب لمحاولة اقناعه ب “الصبر” حبة وقت.
بس غير انه علاء بدأ الاضراب بالفعل خلاص، لكن الحقيقة ان اللي شوفته النهاردة خلاني أقر بأن قراره مفهوم جدا حتى لو مؤلم جدا جدا.
اللي شوفته بني ادم غضبان بس على حق قرر يخوض معركته بنفسه وبجسمه قدام سلطة بتحاول بكل الطرق الملتوية تقضي عليه. شوفت أخويا بينفض عنه الحالة اللي كانت مسيطرة عليها بقاله شهور وقرر يقاوم
وفي سجن شديد الحراسة 2، في زنزانة بلا تريض ولا كتب وبحكم 5 سنين من محكمة أمن دولة طوارئ مافيهوش نقض والمحكمة ما أقامتش حتى مراسم محاكمة ومرافعة، وكل ده بعد ما هو بالفعل قضى حكم 5 سنين سابق .. في وسط كل ده الطريقة الوحيدة المتاحة له للمقاومة هي دي: اضرابه عن الطعام بشكل كلي
واحنا أسرته وحبايبه مش بايدنا غير اننا نحاول بكل الطرق ندعمه في معركته، خاصة وانه على حق وصبر أكثر من سنتين قدام تخاذل مستمر من كل الجهات والمسؤولين.
علاء طلب مننا اجراءات وخطوات كتيرة بنراجعها مع المحامين وبننسقها مع بعض في العائلة وهنشارككم بكل التحديثات. وهنقدم بلاغات طبعا بخصوص اضرابه.
رجاءنا الوحيد انكم تساعدونا في وسط شهر قد كدة زحمة بالاجتماعيات والأنشطة، وكوكب قد كدة غرقان في كوارث وأخبار سياسية مختلفة .. تساعدونا نوصل صوت علاء وكل المعتقلين المضربين عن الطعام وما ننساهمش ولا نعتاد اللي هم فيه
*الصورة المرفقة عشان تفكرنا هو صبر على ايه وقد ايه

Salama harivariva,
Nandritra ny fitsidihana an'i Alaa Abd El Fattah [7] androany no nahafantarako fa nanao fitokonana tsy hihinan-kanina izy, miaraka amin'ny fiantombohan'ny Ramadany, ny 2 Aprily 2022. Efa ela ity fanapahan-kevitra ity no noeritreretiny saingy norasiny ny fanapahankeviny ka natombony ofisialy ilay fitokonana.

Tezitra mafy i Alaa, saingy  hafa tanteraka noho ny fahatezerana tamin'ny fotoana matroka izay nidiranay tamin'ny volana Septambra ny haromotana androany. Tezitra i Alaa saingy tsy kitoatoa ny fanapahankeviny. Fanapahankevitra voakajy tsara no noraisiny sady vonona izy ny hiady ity adiny ity na dia tsy afaka manao n'inon'inona hanampiana azy aza izahay – fianakaviany.

Ny fahitako azy dia hafa tsy mitovy amin'ny fanapahan-keviny isaky ny hanao fitokonana tsy hihinan-kanina izao. Ity [indray mitoraka ity ] dia mitovitovy amin'ilay izy nanao fitokonana tsy hihinan-kanina fony narary mafy ny rai [nay] ary nodimandry. Izay tiako hambara dia hafa ny tamin'ity indray mandeha ity. Tsy mahita tombontsoa amin'ny fiaretana ireo toe-draharaha ratsy misy azy i Alaa, ary tsy manana toerana azo antoka hahafahany mahita an'i Khalid (zanany), sy hanena ny fisainany, ny eritreriny, ny fihetseham-pony sy ny nofinofiny, ary hamadika an'io ho vatana iray voahidy ao anaty efitra iray miaraka amin'ireo olona roa hafa sy tsy maintsy hitandrina ny fahasalamany ara-batana mandritra ny fotoana tsy voafetra.

Nandeha nitsidika tamin'ahiahy aho hoe  nanapa-kevitra hitokona tsy hihinan-kanina i Alaa, indrindra teo anivon'ny tatitra nilaza fa maro tamin'ireo namanay nigadra – sahala amin'i [Ahmed] Douma – no nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina tao amin'ny fonjan'i Tora Farm, ary nanomana lisitra iray misy ireo antony aho ho ampiasaina handresena lahatra azy mba hanam-paharetana “misimisy kokoa”.
Na izany aza, ankoatry ny hoe efa natombony ny fitokonana tsy hihinan-kanina, izay hitako androany dia nandresy lahatra ahy fa azo takarina tsara ny fanapahankeviny na dia faran'izay tena maharary aza.

Izay hitako dia olona tena tezitra amin'ny ara-drariny, nanapa-kevitra ny hitondra ny adiny irery sy amin'ny vatany, miatrika fahefana iray mampiasa ny heriny rehetra mba hamonoana azy. Hitako ilay anadahiko niala ny toerana nisy azy nandritra ny volana maro sy nanapa-kevitra ny hanohitra.
Tao anatin'ny fonja tsara aro 2, ao amin'ny efitrakely iray tsy misy fampiasam-bàtana na boky, ary miaraka amin'ny didim-pitsarana 5 taona avy amin'ny fitsarana misahana ny fiarovana an'ny Fanjakana Vonjimaika,  tsy misy fampiakarana fitsarana, ary na ny tribonaly aza tsy nanao fitsarana sy fifandaharana, ary ireo rehetra ireo taorian'ny efa nanefany sazy 5 taona mialoha.
Ao anatin'izany rehetra izany, ny hany fomba tokana mety aminy mba hanoherana an'io dia ity : fitokonana tsy hihinan-kanina feno sy tanteraka.
Izahay, fianakaviany sy ireo havany akaiky, ny ezaka fanohanana azy tamin'ny fomba rehetra sisa no hany azonay natao, indrindra fa manana ny marina izy sady nanam-paharetana hatramin'izay roa taona mahery izay teo anatrehan'ny fahadisoam-panantenana tsy miova avy amin'ny lafy rehetra sy ireo mpiasam-panjakana. Nangataka taminay i Alaa mba hanaraka ireo fomba fiasa sy ireo dingana marobe izay dinihinay miaraka amin'ireo mpisolovava ary fandaminanay samy izahay ao amin'ny fianakaviana, ary hozarainay aminareo ireo fanavaozam-baovao rehetra. Mazava ho azy, hanome hatrany ireo fanavaozam-baovao mikasika ny fitokonana ataony izahay.
Izay angatahanay aminareo, ao anatin'ny fisasahan'ny volana, ary ao anatin'ny hetsika sy hetsika sosialy maro, sy planeta iray tena feno zava-doza sy vaovao ara-politika isan-karazany, dia ny mba hanampy anay hitondra ny feon'i Alaa sy ireo rehetra voafonja niditra amin'ny fanaovana fitokonana tsy hihinan-kanina ary ny mba tsy hanadinoana azy ireo na hanao vain-drahalahy tsy maharary amin'ny mahazo azy ireo.