- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nivarina avy amin'ny “Mahafa-po” nankany amin'ny ‘Manahirana’ ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong tao anatin'ny taona vitsivitsy

Sokajy: Azia Atsinanana, Afganistana, Hong Kong (Shina), Myanmar (Birmania), Shina, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Reporters Sans Frontières mampiseho ny Sarintany Fahalalahan-Gazety [1] 2022

Nihintsana lalina dia lalina indrindra i Hong Kong teo amin'ny Tondro Fahalalahan-gazety [1] iraisampirenena tamin'ity taona ity. Laharana faha-80 ny tanàna tamin'ny herintaona ary nidina toerana 68 ka laharana faha-148 tamin'ireo firenena 180 tamin'ny taona 2022.

Nanara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerana an'izao tontolo izao ny mpanara-maso iraisampirenena, Reporters Sans Frontières (RSF) nandritra ny roapolo taona. Navoaka tamin'ny 3 Mey — Andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety — ny tondro 2022 .

Tamin'ny taona 2002, laharana faha-18 i Hong Kong — nahatonga azy ho fanilon'ny asa fanaovan-gazety malalaka eto amin'izao tontolo izao, indrindra fa any Azia — saingy nihasimba be ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Tamin'ny taona 2021, taorian'ny fampiharana ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena [2] (NSL), nilatsaka ho faha-80 ny tanàna, ary nihintsana hatrany amin'ny faha-148 tamin'ity taona ity satria noteren'ny polisin'ny fiarovam-pirenena hihidy ny famoaham-baovao tsy miankina roa lehibe, Apple Daily [3] sy Stand News [4].

Nihintsana i #HongKong [5]  tao anatin'ny tabilaon'ny fahalahan'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena satria nampiasa lalàna vaovao henjana momba ny fiarovana ny manampahefana mba hanampenam-bava ireo famoaham-baovao manakiana sy hanagadrana mpanao gazety, hoy ny tati-baovaon'ny @RSF_inter [6]  tamin'ny talata. Raha hijery feno: https://t.co/JZNmkgKhIk [7] #pressfreedomday [8] #WPFD [9] pic.twitter.com/P8M8gZWRaK [10]

Tao anatin'ny roapolo taona, nidina avy amin'ny faharoa tsara indrindra “Mahafa-po” ho “Manahirana” ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong ary tamin'ny sokajy “Sarotra” faharoa ratsy indrindra tamin'ity taona ity, sambany ambany noho i Filipina (faha-147) sy Singapaoro (faha-139).

Nandray fomba fiasa vaovao [12] ny RSF tamin'ny tondrony 2022, izay mamaritra ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ho

The effective possibility for journalists, as individuals and as groups, to select, produce and disseminate news and information in public interest, independent from political, economic, legal and social interference, and without threats to their physical and mental safety.

Fahafahana mahomby ho an'ny mpanao gazety, amin'ny maha-olona na vondrona, hisafidy, hamokatra ary hanaparitaka torohay sy vaovao ho tombontsoan'ny besinimaro, mahaleotena amin'ny fitsabahana ara-politika, ara-toekarena, ara-pitsarana ary ara-tsosialy, ary tsy misy fandrahonana ny fiarovana azy ireo ara-batana sy ara-tsaina.

Ny tontolo ara-politika, ny rafitra ara-pitsarana, ny tontolo ara-toekarena, ny tontolo ara-tsosialy sy ara-kolontsaina ary ny filaminana ireo tondro dimy vaovao.

Nidina [13] ny laharan'i Hong Kong noho ny tondro ara-dalàna sy ny fiarovana, araka ny hita ao amin'ny tatitra ara-paritry ny RSF. Faritan'ny kiady iraisampirenena ny NSL ho:

A pretext to gag independent voices in the name of the fight against “terrorism”, “secession”, “subversion”, and “collusion with foreign forces.”

Fialàna bala hanampenam-bavao ireo feo tsy miankina amin'ny anaran'ny ady amin'ny “fampihorohoroana”, “fisaraham-bazana”, “fanakorontanana”, ary “firaisan-tendro amin'ny hery vahiny”.

Ankoatra ny NSL, nampiasaina ho fitaovana ara-dalàna hanakatonana ny Stand Ne [4]ws [4] ny lalànan'ny fikomiana tamin'ny andron'ny fanjanahantany.

Raha ny momba ny tondro ara-piarovana, nanamarika ny RSF hoe:

During the 2019 protests, hundreds of journalists were victims of police violence and were also detained and indicted. A new wave of arrests started in 2021, when a dozen journalists were detained for national security crimes.

Nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2019, mpanao gazety an-jatony no niharan'ny herisetran'ny polisy ary nogadraina sy voampanga ihany koa. Nanomboka tamin'ny taona 2021 ny onjan'ny fisamborana vaovao, ka mpanao gazety am-polony no voatazona noho ny heloka bevava momba ny fiarovam-pirenena.

Araka ny fandrefesana [14] RSF, amin'ireo mpanao gazety sy mpiasan'ny haino aman-jery miisa 480 any am-ponja amin'izao fotoana izao, 18 no avy any Hong Kong. Mpanao gazety valo sy mpikambana mpanatanteraka [15] ao amin'ny Apple Daily no nosamborina, ary fito no voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny tafika vahiny araka ny NSL. Anisan’izany ny mpanorina ny fampahalalam-baovao Jimmy Lai. Ho an'ny Stand News kosa, tonian-dahatsoratra zokiny roa teo aloha [16] no voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny famoahana lahatsoratra mampiady.

Manamarika ny tatitry ny tondro RSF 2022 fa niharatsy tanteraka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny Faritra Azia Pasifika [17], izay manana mihoatra ny antsasaky ny mponina manerantany, vokatry ny ady ara-tafika sy ny rafitra ara-politika tsirefesimandidy izay manome hery ny governemanta hifehy tanteraka ny vaovao.

Amin'ireo firenena 32 any Azia Pasifika, valo no ao anatin'ny sokajy “Toe-draharaha tena henjana”, ka i Korea Avaratra (faha-180) no laharana ratsy indrindra eran-tany, arahin'i Myanmar (faha-176) satria nitarika “famoretana henjana ny mpanao gazety” ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2021 . Shina (faha-175), Vietnam (faha-174), Bangladesh (faha-162), Laos (faha-161), ary Pakistan (faha-157) izay mbola mifehy mafy ny fikorianan'ny media sy ny vaovao. Afghanistan (faha-156) kosa nidina be ihany koa satria lasa lasibatry ny fampitahorana ny mpanao gazety sy ny fampahalalam-baovao taorian'ny nandrombahan'ny Taliban ny fahefana tamin'ny volana Aogositra 2021 [18].

Asongadin'ny tatitry ny RSF 2022 ihany koa ny haikan'ny fisaraham-bazana [19] manoloana ny fikorontanan'ny torohay ateraky ny vaovao faikany sy ny propagandy, izay miteraka fisaratsarahana ao anatin'ny fiaraha-monina demaokratika ary manimba ny demaokrasia maneran-tany :

At the international level, democracies are being weakened by the asymmetry between open societies and despotic regimes that control their media and online platforms while waging propaganda wars against democracies.

Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, mihamalemy ny demaokrasia noho ny tsy fitoviana misy eo amin'ny fiarahamonina misokatra sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy izay mifehy ny haino aman-jery sy ny sehatra anjotra no sady mikarakara adim-propagandy ifanandrinana amin'ireo mitandro ny demaokrasia.