- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angola: Tandindomin-doza ny fikatrohana amin'ny taom-pifidianana

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fanoherana, Fifidianana, Lalàna, Mediam-bahoaka

 

Tanora Angoley nanao hetsi-panoherana tao an-drenivohitra Luanda – tatitry ny tao amin'ny YouTube [1] (pikantsary nataon'ny mpanoratra)

Miha-tandindonin-doza hatrany ny fahalalahana maneho hevitra ao Angola volana vitsivitsy mialoha ny volana aogositra hanaovana [2] ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena vaovao. Araka ny tatitry ny Departemantam-panjakana Amerikana momba ny Zon'Olombelona 2021, nivoaka [3] tamin'ny 2022, miaina fotoana voamariky ny famonoana olona tsy ara-dalàna na tsy ara-drariny, ny fanjavonana an-terisetra, ny fitondrana tsy araka ny maha-olombelona ary ny famerana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety i Angola.

Tsara homarihina ihany koa fa taorian'ny  hetsika [4] nisesy nataon'ireo mpikatroka sy antokon'ny fanoherana manohitra ny lalàm-pifidianana vaovao, dia nisy fihetsiketsehana vaovao indray tao Luanda renivohitra. Na izany aza, toy ny efa niverimberina tamin'ny fotoana hafa, noraran'ny polisy ny fihetsiketsehana [5] tamin'ny 9 Aprily ary efa nosamborina ny sasany tamin'ireo mpikatroka.

Hatramin'ny omaly, nivezivezy ny vaovao tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny @MPLAoficial: ny fisamborana an'i Laurinda Gouveia sy ny ZANANY 6 VOLANA nandritra ny fihetsiketsehana! Tsy mandà izany fisamborana izany ny PNA ka tokony hihevitra isika fa TENA nisy io!

Avy amin'ny antoko mpanohitra indrindra ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra voalohany nanameloka ny fihazonana, ny Vondrona Demaokratika (BD), izay nilaza hoe [10]:

Estes ativistas cívicos foram presos, porque pretendiam dar início à uma manifestação contra a Indra (empresa selecionada para gerir o processo eleitoral) e pela libertação dos presos políticos, no dia 09 de abril, apesar desta ter sido convocada nos termos da Constituição e da Lei da Liberdade de Manifestação e as autoridades competentes terem sido atempadamente notificadas do facto.

Nosamborina ireo mpikatroka sivily ireo satria nikasa hanao fihetsiketsehana hanoherana ny Indra (ilay orinasa voafidy hitantana ny zotram-pifidianana) sy ny famotsorana ireo gadra politika tamin'ny 9 aprily, na dia nanaraka ny fepetra voalazan'ny lalàmpanorenana sy ny lalàna momba ny fahalalahana maneho hevitra aza izany, ary na dia efa nampahafantarina ara-potoana aza ny manampahefana mahefa.

Araka ny loharanom-baovao [11] isankarazany, nosamborina tsy ara-dalàna ireo mpanao fihetsiketsehana ary notanana am-ponja tsy manana zo hiaro tena araka ny voalazan'ny lalàna. Nentina tany amin'ny fitsarana andro vitsivitsy taty aoriana ireo mpikatroka miisa 22, izay notsaraina vetivety, araka ny nasehon'ilay mpikaroka momba ny Zon'Olombelona Zenaida Machado:

Nahazo isa ambany ny polisy Angoley, ao amin'ny firenena iray izay nahitana fandrosoana teo amin'ny fandraketana (fanajana) ny zon'olombelona, ary mihemotra laharana dimy. IZANY no karazana tontolo iainana sy fihetsika ataon’ny polisy tsy tiantsika ho hita amin’ny taom-pifidianana.

Mbola teny amin’ny fitsarana, nilaza [14] ny mpisolovava fa nalain’ny polisy baraka izy rehefa niezaka nifandray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Noho izany, ny 14 aprily, nivoaka ny sazy [15] izay milaza fa tanora mpikatroka roa no voasazy handoa onitra 40 andro sy 60.000 kwanzas (130 euros) saram-pitsarana noho ny heloka bevava tamin’ny tsy fankatoavana.

Noafahana madiodio noho ny tsy fisian’ny porofo ireo voampanga miisa 20 ambiny. Na izany aza, nalahelo [16] i Donito Carlos, mpitondra tenin'ny mpikarakara ny fihetsiketsehana, fa voasazy handoa onitra noho ny tsy fankatoavana ireo tovolahy roa ireo.

Ficamos tristes quando vemos um juiz altamente instrumentalizado pelo regime maquiavélico a condenar os dois. Sabemos que são resistentes da liberdade de expressão.

Malahelo izahay rehefa mahita mpitsara tena ampiasain'ny fitondrana lomorina manameloka azy ireo. Fantatsika fa mpanohitra ny fahalalahana maneho hevitra izy ireo.

Nampitandrina ihany koa ity mpikatroka ity fa tsy mila fampitahorana ireo tanora ary nambarany fa mbola hitohy ny hetsika fanafahana ireo gadra politika.