
Sary hosodoko amin'ny rindrina maneho an'i bob Marley ao Hoxton Street, Londona. Sary an'i Luke McKernan teo amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0.
Rehefa mieritreritra an'i Jamaika, dia mieritreritra an'i Bob Marley. Na efa ho efapolo taona mahery aza no nahafatesany, i Bob Marley no fanondranana malaza indrindra ho an'ity firenena Nosy ao Karaiba ity. Mijanona ho mpisava lalana amin'ny mozika reggae izy izay nampamirapiratra ny mozika, ny kolontsaina sy ny fijerin'izao tontolo izao an'i Jamaika teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Tena nahatsapa mandrakariva ny heriny amin'ny maha-kintana maharitra azy ireo governemanta Jamaikana nifandimby, tamin'ny fampiasana ny mozikany tany anatin'ireo dokambarotra fizahantany, sy fampahafantarana ny tranombakoka Bob Marley ho toy ny fisarihana tsy manan-tsahala, ary hatramin'ny fanafoanana ny sazy momba ny marijuana aza ( rastafari nafàna fo i Marley, finoana iray izay mampiasa ny ganja ho toy ny singa tsy afa-misaraka amin'ireo fitandremana ara-panahy).
Na izany aza, i Marley, na dia nohajaina eran-tany aza, dia mbola tsy nahazo ny fankasitrahana faratampony tao an-tanindrazany: ny anaram-boninahitra maherifo nasionaly. Fanadinoana efa hay hatry ny ela no natolotr'ilay minisitra fahiny nisahana ny kolontsaina Lisa Hanna tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Parlemanta tamin'ny 5 Aprily, tamin'ny fitanisàna ny hafatr'i Marley momba ny fandriampahalemana, ny fandrafetan'i Marley ny fahatsiarovan-tena mainty hoditra ary ny fitenenany tsy niolankolaka nanohitra ireo rafi-pitsaràna tsy rariny, ny “fahavitrihana tononkira ho an'ny mahantra sy ory”, ny fisoloany tena namiratra, ho an'ny reggae sy Rastafari, ny hatsaram-panahiny ary ny filôzôfiany “Fitiavana tokana” ho toy ny antony tokony hanolorana azy io anaram-boninahitra fanome ny nodimandry io:
An'ny klioba iray voafetra sy manokana ireo maherifom-pirenena ao Jamaika ; fito monja izy ireo ankehitriny. Ilay panafrikanista Marcus Garvey no voalohany nahazo an'io voninahitra io. Anisany tamin'ireo mahery fo hafa i Paul Bogle, diakona sady mpikatroka tamin'ny taonjato faha-19, izay nitarika ny fikomiana Morant Bay Rebellion ary maty teo am-pelatanan'ireo manampahefana mpanjanantany ; George William Gordon, mpiaro an'ireo Afrikana lasa andevo ; Samuel Sharpe, izay nikarakara ny fikomiana niafara tamin'ny fanafoanana ny fanandevozana tany Jamaika ; Norman Manley, iray tamin'ireo nandrafitra ny fahaleovantenan'i Jamaika; ilay Praiminisitry ny firenena, Alexander Bustamante ; ary ilay vehivavy tokana mahery fo, Nanny of the Maroons, lehiben'ny marrons tamin'ny taonjato faha-18, izay ireo paikadiny ara-miaramila maranitra no nanampy tamin'ny fanafahana ny vahoakany. Voalaza amin'ny antsipirihany ao anatin'ny Lalàna tamin'ny 1969 momba ny fanomezam-boninahitra nasiônaly sy valisoa ny Laharam-Boninahitr'ireo Maherifo Nasiônaly.
Manohy i Hanna teo amin'ny Facebook fa :
Mamaritra ny teny filamatry ny maherifom-pirenena ny lalànantsika mikasika ny fanomezam-boninahitra sy ireo valisoa nasionaly : “Nanorina tanàna iray misy fototra izy”.
Ankehitriny, raha toa izao tontolo izao toa sahirana miady amin'ireo fifandirana jeôpôlitika ary i Etazonia miahiahy momba ny fahavelomana ara-toekarena ho an'ny vahoaka ao aminy, ilaintsika ny torohevitr'i Bob, ny fampiononany sy ny fahefana revolisionerany mba hamerenana indray ny maha-olombelona antsika tsirairay avy manoloana ny hafa.
Raha tena anaty fahamatorana no aniriantsika ny ho lasa repoblika, ndeha hoporofointsika aloha io amin'ny alalan'ny fitiavana ireo antsika, amin'ny alalan'ny fahafantarana ny fiantraika goavana nentiny teo amin'ny fiainantsika sy tamin'ny vohitra maneran-tany. Fotoana izao hanaovana an'i Bob Marley ho maherifo nasionaly faha-valo.
Niteraka savorovoro teny amin'ireo tambajotra sosialy ireo fanehoankevitra, maro no zendana hoe tsy mbola nahazo io voninahi-pirenena io i Marley. Raha ireo sasany kosa niampanga an'i Hanna ho nampiasa ilay olana mba hahazoana tombony ara-politika, ny hafa kosa naminavina hoe “nandrasana efa hatry ny ela” ilay fanapahankevitra, indrindra manoloana ny fifandraisana henjana misy amin'ireo tomponandraikitra sy ireo vondrompiarahamonina rastafari ao an-toerana.
J'ai regardé le documentaire Who Shot the Sheriff et appris de nouvelles révélations sur Bob Marley. Il a littéralement mis sa vie en jeu pour encourager la paix dans tout le pays. Son plaidoyer, par le biais de la musique, pour les droits des nations, y compris la nôtre …., est un véritable héros national.
— Dahlia Harris (@DahliaHarris) 06 avril 2022
ZZZZZ ………….Nijery ny fanadihadiana Who Shot the Sheriff aho ary nahafantatra zava-baovao mikasika an'i Bob Marley. Ara-bakiteny no nametrahany ny fiainany mba handrisihana ny fandriampahalemana manerana ny firenena. Ny adisisika nataony, tamin'ny alalan'ny mozika, ho an'ny zon'ireo firenena, anisan'izany ny antsika…, dia tena maherifo nasionaly.
— Dahlia Harris (@DahliaHarris)
Na niady hevitra mikasika ny maha-zava-mitombina maharitra an'i Marley aza ny olona, maro no nahatsapa fa mila fepetra maro isan-karazany ny fanomezana anaram-boninahitra nasionaly. Nanazava ny mpampiasa Facebook UniqueYan Pryce fa :
Tsy manana olana mihitsy aho amin'ireo mari-pankasitrahana nasionaly sy iraisam-pirenena omena an'i Bob Marley, amin'ny maha-matihanina azy, mendrika azy izany. Saingy amin'ny maha-maherifo nasionaly, TSIA, TSIA, ary TSIA. Lavitra ny afo ny kitay. Ireo fito efa ao ankehitriny nandrombaka ny mari-boninahitra tamin'ny fomba tsy nisy fitiavantena. Maty izy ireo tamin'ny fiadiana ho an'ity firenena ity sy ho an'ireo taranaka ho avy mba ho afaka isika amin'ny lafiny rehetra […] tsy misy tombontsoa manokana […] Araka izany, hadalana ny fametrahana an'i Bob Marley sy Usain Bolt ao anatin'io sokajy io.
Tamin'ny Desambra 2021, nangatahan’ny senatera mpanohitra Floyd Morris hasandratra eo amin'ny laharan'ireo maherifo nasionaly alohan'ny 6 aogositra 2022, daty fahatsirovana ny faha-60-n'ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'i Grande Bretagne ireo Jamaikàna olo-malaza efatra ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena -Marley, Jimmy Cliff, Usain Bolt sy Louise Bennett-Coverley.
Ambonin'izany, ny tantaran'i Jamaika amin'ny maha-zanatany Britanika taloha azy dia anisan'ny tohankevitr'ireo mpomba ny satan'ny maha-maherifo an'i Marley. Ny 30 Novambra 2021, noho ny fitsingerenan'ny faha-55 taona ny fahaleovantenany niala tamin'i Grande Bretagne, nolavin‘i Barbade ny maha-filoham-panjakana ny Mpanjakavavy Elizabeth II, ka nahatonga azy ho repoblika tamin'ny fomba ofisialy ary nanararaotany mba hanomezana an'i Rihanna, ilay kintan'ny pop ary manam-pihaviana Barbadiana, ny anaram-boninahitra ho maherifo nasionaly.
Ho an'ny Nosy Karaiba izay nantsoina fahiny hoe “Angletera Kely”, ny fanapahankevitr'i Barbade hiala amin'io sisan'ny fanjanahantany io tamin'ny fomba voadinika io dia namelona indray ny fahalianana hahalala raha toa Jamaika hanaraka ilay fihetsika, ary rahoviana. Taorian'ny fitsidihana maha-menatra nataon'ny Dioka sy ny Diosesin'i Cambridge tao amin'ny firenena, tamin'ny volana lasa teo, izay niezahan'ny Printsy William tsy niresaka fanonerana fa naleony niala tsiny fotsiny noho ny fanandevozana, dia nitombo indray ny fanerena ho an'i Jamaika mba hanaraka ny dian'i Barbade, na amin'ny lafiny ara-tsatan'ny repoblika izany na amin'ny fanomezam-boninahitra ireo olom-pireneny miavaka. Nibitsika ny senatera barbadiana Crystal Haynes nanao hoe :
Aujourd'hui, la députée jamaïcaine de l'opposition et l'une de mes femmes préférées en politique régionale, @LisaHannamp a présenté une résolution au Parlement 🇯🇲pour que Bob Marley soit désigné comme héros national.
Il était temps ! 👏🏾 https://t.co/HWPEZOOByC
— 💎Crystal Haynes💎 (@senatorcrystal) 06 avril 2022
ZZZZZZ……..Androany, naneho ny fanapahankeviny teo amin'ny Parlemanta 🇯🇲 ny mpisolovava Jamaikana mpanohitra sy ny iray tamin'ireo vehivavy anisan'ireo ankamamiako ara-politika ato amin'ny faritra @LisaHannamp, mba hanendrena an’ i Bob Marley ho maherifo nasionaly.Fotoana izao! 👏🏾 https://t.co/HWPEZOOByC
— 💎Crystal Haynes💎 (@senatorcrystal)
Mampatsiahy ny Jamaikana iray monina any Barbade fa :
Alors, @LisaHannamp vient de demander la reconnaissance de Bob Marley comme héros national de la Jamaïque. Je penche pour le oui, mais la façon dont il a traité Rita pèse lourdement contre.
— Gerald Lindo (@geraldlindo) 05 avril 2022
ZZZZZZ ………Ka, avy niataky ny hanekena an'i Bob Marley ho maherifo nasionaly ao Jamaika i @LisaHannamp. Mitanila mankamin'ny eny aho, saingy lanja mavesatra loatra manohitra izany ny fomba nitondrany an'i Rita.
— Gerald Lindo (@geraldlindo)
Nandritra izany fotoana izany, Jamaikana iray no nanontany :
Combien de fois allons-nous battre ce tambour ? Rihanna n'était même pas née au moment où Bob Marley est mort, et pourtant elle est déjà une héroïne nationale de son pays natal. Combien de temps encore Babylone va-t-elle persécuter les Rastas, même dans la mort ? Rendez au Gong ce qui lui est dû. Il est grand temps ! Quel est le problème ?🤔
— Jack Mandora⚖️ (@Zemi66) 06 avril 2022
ZZZZZZ …………Impiry isika no hively an'io amponga io ? Mbola tsy teraka akory i Rihanna tamin'ny fotoana nahafatesan'i Bob Marley, fa efa lasa maherifo nasionalin'ny firenena nahaterahany sahady izy. Mandrapahoviana i Babylone no hanenjika an'ireo Rastas, na dia anaty fahafatesana aza ve? Omeo an'i Gong izay tokony ho azy. Tena fotoana izao ! Inona no olana ?🤔
— Jack Mandora⚖️ (@Zemi66)
Teo amin'ny Facebook, nandefa an'ity fisaintsainana ity i Robin Lim Lumsden :
I Jamaika ve no ho firenena rambony amin'ny fanekena olona iray izay nandray anjara tamin'ny fanatsaràna sy fahatsiarovan-tena amin'ny rariny ara-tsosialy sy ny fandriampahalemana erantany vao hanao azy ho maherifo nasionaly ? Izy no mety ho Jamaikana malaza indrindra hatramin'izay. Firenena isika, fa toa manana endrika faritany maha-menatra isika, mbola tantanan'ireo hadalana sy fihatsarana ivelantsihin'ny mpanjanaka izay hirahirainy. Na izay, na isika dondrona tsy mampino, tsy manaiky azy ho zanaky ny tany, tany izay niavian'i Bob Marley, satria na tina na tsy tiana, izy no laro fototra ananan'ny olona eran'izao tontolo izao miaraka amin'i Jamaika.
“Laro fototra” na tsia, ho hita eo raha hisafidy ny hanome ilay olom-pireneny malaza indrindra ny mari-pankasitrahana avo indrindra i Jamaika.