- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fomba ampiasain'ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro Fiji ny tambajotra sosialy

Sokajy: Oseania, Fiji, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Siansa, Tontolo_iainana
[1]

Anisan'ireo olona ao amin'ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro Fiji. Loharano: Facebook. Sary [1] nahazoana alalana

Ahoana no fomba ampiasan'ny mpamantatra ny toetr'andro araka izay tratra ny asany amin’ny tambajotra sosialy? Nanao izany fanontaniana izany tamin’ny Fiji Meteorological Service [2] (FMS) ny Global Voices mba hamantarana bebe kokoa ny fomba fampiasan'izy ireo ny tambajotra sosialy hizarana vaovao momba ny toetr'andro sy ny siansan’ny toetany any amin'ny firenena Pasifika Atsimo.

Manana kaonty YouTube [3], Twitter [4], ary Facebook [5] ny FMS, izay hananany mpanjohy mihoatra ny 131.000. Nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny mailaka i Ana Degei, tompon'andraikitry ny fampitam-baovao ao amin'ny FMS, fa “maniry ny hampitombo ny isa hatrany ny Sampan-draharaha mba hahafahan’ izy ireo farafahakeliny manatratra ny mpiseran’ny tambajotra sosialy rehetra ao amin'ny mponin'i Fiji.” 902.224 no isan’ny mponin'i Fiji  araka [6] ny angondrakitry ny Firenena Mikambana.

Manaiky ny hasarobidin'ny fampiasana sehatra tahaka ny Facebook hanatontosana ny asany ny FMS:

The Fiji Meteorological Service recognises that social media is a very useful tool not only to inform our audience but it can also be used as a feedback mechanism that allows us as an essential service provider to gauge what is working and what is not and the exact needs of our customers, through their comments and messages.

We don’t only use social media to inform our users of the weather and climate forecasts or of impending severe weather events but we also use it to create awareness around the work that we do, the technicalities and the science behind it and also on the brilliant people that work silently behind the scenes.

Manaiky ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro Fiji fa ny tambajotra sosialy no fitaovana tena ilaina tsy hampahafantarana vaovao ho an’ny mpanaraka anay fotsiny ihany fa azo ampiasaina ihany koa izy io ho toy ny rafitra fanehoan-domberina mba hahatonga anay ho sampan-draharaha tena ilaina amin’ny fanomezana vaovao hanombatombanana ny mety sy ny tsy mety ary ny zavatra tena ilain'ny mpanjifa, amin'ny alàlan'ny fanehoan-kevitra sy ny hafatr'izy ireo.

Tsy mampiasa ny tambajotra sosialy fotsiny izahay hanomezana vaovao ireo mpisera momba ny toetr'andro sy ny toetany na ny toetr’andro  ratsy mananontanona, fa mampiasa izany koa izahay hanaovana fanentanana manodidina ny asa ataonay, ny teknika sy ny siansa ao ambadik'izany ary koa ny olona marani-tsaina izay miasa mangina ao ambadiky ny sehatra.

Tsy fampahalalam-baovao momba ny toetr'andro fotsiny tokoa ny lahatsoratra Facebook sy Twitter-n'ny FMS—manasongadina ny asan'ny sampan-draharaha ihany koa izy ireo, toy ny atrikasa [7] fiofanana, ny fanaraha-maso [8] ny haavon'ny rano, ary ny fandaharana [9] vinavinan’ny toetr’andro isan'andro. Vao haingana izy ireo no nanome voninahitra ny mpanao gazety tamin'ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety tamin'ny alalan'ny fanekena azy ireo ho vondrom-mpiaramonina mpiara-miasa amin'ny fampahafantarana vaovao ny vahoaka momba ny asan'ny FMS:

📸 Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety 2022

Misaotra ny mpanao gazety sy ny efitra famoaham-baovao rehetra izay manohana ny asan'ny Sampan-draharahan’ny Toetr'andro Fiji izahay ho fanomezam-boninahitra ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety [10].

Fanampiana ny serasera. Arahabaina nahatratra ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety.

Nankasitraka ny fandraisan'ny vehivavy mpamantatra ny toetr’andro anjara tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy ihany koa ny FMS:

Amin’ity Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy ity, maniry ny hankasitraka ny ezaka goavana sy ny fandraisana anjara tsy tapaka nataon'ireo vehivavy manamboninahitra ny sampan-draharaha FJMET [14] tamin'ny fanomezana vaovao momba ny toetr'andro sy ny rano ho an'ny mponina ao Fiji sy ny faritra.

Arahabaina nahatratra ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety.

Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara i Ana Degei raha nanontaniana momba ny lesona azony tamin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy:

The best feature or value about social media is engagement. If you put an information out there using social media, you will know whether or not people are reading it, whether or not they are using it or if it’s no interest to them at all.

Ny fandraisana anjara no toetra na ny maha-tsara indrindra ny tambajotra sosialy. Raha mandefa vaovao amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy ianao dia ho fantatrao na mamaky izany na tsia ny olona, na mampiasa izany na tsia izy ireo na tsy mahaliana azy ireo akory izany.

Nohazavainy ny antony maha-zava-dehibe ny fahamarinam-baovao sy ny vaovao mazava ho an'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro izay mampiroborobo ny votoaty amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy:

When posting an update, make sure to keep it as less technical as possible. Keep it short and simple.

Post accuracy and timeliness are very important, especially when you’re using social media to inform the public about severe weather and climate events. A life could depend on it or a livelihood could depend on it.

Ataovy izay hitazonana ny fandefasana ny fanavaozam-baovao ho tsy mampiasa teknika be loatra araka izay tratra. Fa ataovy fohy sy tsotra.

Tena zava-dehibe tokoa ny fahamarinan'ny lahatsoratra sy ny maha-ara-potoana azy, indrindra rehefa mampiasa ny tambajotra sosialy ianao hanomezana vaovao ny besinimaro momba ny toetr'andro ratsy sy momba ny toetany. Mety miankina amin’izany ny aina na mety hiankinan’izany ny fivelomana.

Ohatra iray amin'ny votoaty mikendry ny hanabe ny vahoaka momba ny siansan’ny toetrandro ny lahatsoratra [18] Facebook nataon’ny FMS momba ny balaoninan'ny toetr'andro. Nosoratana tamin'ny fiteny tsotra izay mora azon'ny olon-tsotra ilay lahatsoratra, izay nozaraina betsaka tao Fiji. Ity misy ampahany amin'ilay lahatsoratra:

Did you know that Fiji Met. releases a weather balloon twice a day?

Twice a day, every day of the year, the Fiji Meteorological Service releases a weather balloon at 11am and 11pm.

The balloon flights last for around 1 ½ to 2 hours and can rise up to 100,000 ft. (about 32 kilometres) in the atmosphere!

Weather balloons are the primary source of data above the ground. They provide valuable input for computer forecast models, local data for meteorologists to make forecasts and data for research.

Fantatrao ve fa mamoaka balaoninan'ny toetr'andro indroa isan'andro ny Fiji Met?

Indroa isan'andro, isan'andro ao anatin'ny taona, mamoaka balaoninan'ny toetr'andro amin'ny 11 ora maraina sy amin’ny 11 ora alina ny Sampan-draharahan'ny Toetr'andro Fiji.

Maharitra 1 ½ ka hatramin'ny 2 ora eo ho eo ny sidina balaonina ary mety hiakatra hatramin'ny 32 kilaometatra eo ho eo eny amin'ny habakabaka!

Ny balaonin’ny toetr'andro no loharano voalohany amin'ny angondrakitra ambonin'ny tany. Manome hevitra sarobidy ho an'ny maodely vinavina amin'ny solosaina, angondrakitra eo an-toerana ho an'ny mpahay toetr’andro hanaovana vinavina sy angondrakitra ho an'ny fikarohana izy ireo.

Farany, nanontanianay ny FMS momba ny fomba ahafahan'ny mpisera manampy azy ireo hanatanterahany ny asany.

To provide feedbacks to the Fiji Meteorological Service- they could be our eyes and ears on the ground.

Take appropriate actions with the warning messages that they receive from the Fiji Meteorological Service and help others do the same.

Mahasolo ny masonay sy sofinay eto ambonin’ny tany izy ireo mba hanomezana fanehoan-kevitra ho an'ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro Fiji.

Mandray fepetra mifanaraka amin'izany miaraka amin'ireo hafatra fampitandremana azon'izy ireo avy amin'ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro Fiji ary manampy ny hafa hanao toy izany koa.