- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, World Press Freedom Day 2022
Screenshot of the cover page of the Freedom Network Annual State of Press Freedom Report 2021-22. Fair use. [1]

Pikantsarin'ny fonon'ilay tatitra isantaona 2021-2022 momba ny toerana misy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, avy amin'ny Freedom Network. Fampiasàna ara-drariny.

Ho fankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana gazety [2], ny Freedom Network [3], media iray tsy miankina sy ireo fikambanana ho an'ny zo sivily, miorina ao Pakistàna, dia namoaka tatitra [4] iray izay namboraka fa lasibatra ireo mpanao gazety ao Pakistàna, indrindra fa noho ny ataon'ireo mpisehatra avy ao anaty fitondrana, tato anatin'ny herintaona farany (May 2021 hatramin'ny Aprily 2022) teo ambanin'ny fitantanan'ny  governemanta Imran Khan [5] izay efa voahilika tamin'ny toerany, nitarika ho amina herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, famonjàna ary fandrahonana. Voarakitra ao Pakistàna ihany koa ny fahaverezany teboka 12 tao anatin'ny Tondro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Gazety 2022 [6].

Araka ilay tatitra, miisa 86 ireo trangam-panafihana nanjo ireo mpanao gazety nanerana an'i Pakistàna. Ny tarehimarika ambony indrindra tamin'ireo fanafihana — 32 — dia tao Islamabad [7] renivohitra no voarakitra [8]; ny faritanin'i Sindh [9] no eo amin'ny laharana faharoa miaraka amina fanafihana miisa 23 natao tamin'ireo mpanao gazety.

Ireo faritra tena mampididoza indrindra ho an'ny #mpanaoGazety [10] ao #Pakistàna [11]  Navoakan'ny  #FreedomNetwork [12] ny Tatitra 2022 momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety ao Pakistàna#JournalismIsNotACrime [13] #wpfd2022 [14]#wpfd [15]https://t.co/Uxc28D22RZ [16] pic.twitter.com/k4Ou5RfxBi [17]

— Freedom Network (@pressfreedompk)

Lazain'io tatitra io ihany koa fa ny tarehimarika avo indrindra amin'ireo fanafihana dia natao tany an-trano fonenan'ireo [19]mpanao gazety, raha roa kosa ireo mpanao gazety maty nisy namono.

Lisitry ny fandrahonana atrehan'ireo #mpanaoGazetyNomerika [20] ao anatin'i #Pakistàna [11] Navoakan'ny #FreedomNetwork [12] ny Tatitra 2022 momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety ao Pakistàna #JournalismIsNotACrime [13] #WPFD2022 [21]#wpfd [15]https://t.co/Uxc28D22RZ [16] pic.twitter.com/nks7UKJo58 [22]

— Freedom Network (@pressfreedompk)

Vita lisitra [24] ao anatin'ilay tatitra ihany koa fa ireo mpisehatra avy ao anatin'ny fitondrana sy ireo mpiasam-panjakana no tena manao lasibatra ireo mpanao gazety ao Pakistana — tranga miisa 35. Ny sehatra mpampita vaovao tena lasibatra [25] dia ny fahitalavitra (tranga 39), arahan'ny gazety an-tsoratra (tranga 35).

Fitontonganana be tao anatin'ny Tondro Erantany momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety

Araka ny tatitra Tondro Erantany momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety [6], very toerana 12 i Pakistàna tao anatin'ilay fandaharana, avy any amin'ny faha-145 tamin'ny 2021, lasa any amin'ny faha-157 ho an'ny 2022.

Manao antontan-kevitra momba ny fomba nahatonga an'i Pakistàna sy ireo firenena maro ao amin'ny faritra atsimon'i Azia ho any amin'ny laharana ambany amin'ny resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ilay mpanoratra, Madiha Afzal.

Tondro 2022 avy amin'ny RSF momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety – ny filaharan'ireo firenena ao atsimon'i Azia milahatra amin'ireo matanjaka sy izao tontolo izao:

#1 – Norvezy
#42 – Amerika
#76 – Nepal
#146 – Sri Lanka
#150 – India
#155 – Rosia
#156 – Afghanistàna
#157 – Pakistàna
#162 – Bangladesh
#175 – Shina
#180 – Korea Avaratra (vodilaharana)

— Madiha Afzal (@MadihaAfzal)

Marobe ireo media sôsialy no nanasongadina io fitontonganana ao anatin'ny fandaharana momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety io ao Pakistàna.

Nanasongadina ilay fahaverezan-toerana ilay mpanao gazety, Waleed Tariq:

@RSF_inter [27] mamoaka ny Tondro 2022 fanaony momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Erantany.

Pakistàna, izay teo aloha dia laharana faha-145 tamina firenena 180, very toerana 12 ka lasa ho laharana faha-157 ao anatin'ilay tondro farany indrindra.

Mena midorehitra – Toedraharaha tena manahirana pic.twitter.com/Ln5RWJKkcw [28]

— Waleed Tariq (@WaleedTariq89)

Ilay mpikabary mampientanentana, Shafique Khan, nibitsika hoe:

Fotoana izao hametrahana fanontaniana amin'i @ImranKhanPTI [30] hoe fony izy tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny 2018 dia laharana faha-139 i Pakistàna tao anatin'ilay Tondro Erantany momba ny Asa Fanaovana Gazety, nitontona any amin'ny laharana faha-157 i Pakistàna ny taona 2022. Nahoana i Pakistàna no very toerana 18 teo ambany fitantànany? Nahoana izy no tondroin'ny @RSF_inter [27] ho mpihaza ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety tamin'ny 2021?

Tao amin'ny Twitter, ny Praiminisitra vaovao, Shehbaz Sharif, [32] koa dia nanameloka ny lova navelan'i Imran Khan :

Very toerana 12 i Pakistàna ao anatin'ny Tondro momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, nandritra iny taona lasa iny, teo ambany fitantanan'ny governemantan'i Imran Khan & ary toerana 18 nandritra ny fe-potoam-piasàny. Tsy hoe nahazoany fotsiny ilay anaram-boninahitra mahamenatra ho “mpihaza ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety” izany, fa koa nametraka ny demaokrasiantsika ho anaty haizina. Tena mifamatotra be amintsika ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fanehoana hevitra!

— Shehbaz Sharif (@CMShehbaz)

Mifanohitra amin'izay nambaran'ny Praiminisitra teo aloha, Imran Khan, tao anatin'ny kabariny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ny voalaza ao anatin'ilay tatitra. Tao anatin'ny iray tamin'ireo fanambaràny [35] tamin'ny Septambra 2021, nilaza izy hoe, “Nisitraka fahalalahana tsy mbola niainany hatrizay ireo media teo ambany fitantanan'ny govt PTI .” Tao anaty fanambaràna iray hafa tamin'ny 1 Martsa 2022, nanome tsiny ny sakelika iray amin'ny media izy, izay nanakiana ny politikany tamin'ny nanomezany tànana ireo mafia [36], nanondroany an-kolaka ireo antoko pôlitika hafa.

Na izany aza, nandritra ny fe-potoam-pitondran'i Imran Khan, nosotasotaina ireo vehivavy mpanao gazety, nampitahorina sy niharan'ny fanararaotana henjana tety anaty tambajotra [38].Tamin'ny 2020, nisy vitsivitsy ihany koa ireo vehivavy mpanao gazety no tafahaona [39] tamin'ny Filohan'ny Antokom-Bahoaka ao Pakistàna sady filoha fahiny tao amin'ny Kaomity Maharitra misahana ny Zon'Olombelona ao anatin'ny Antenimieram-pirenena, Bilawal Bhutto, [40] mba hanao fitànana an-tsoratra ny fitarainan-dry zareo.

Archen Baloch, mpanao gazety iray avy any Balochistàna nibitsika hoe:

Ireo teritery nataon'i Pakistàna tao Balochistàna dia nahitàna ny:
1. Tsy mila media iraisampirenena miditra ao Balochistàna
2. Tsy mila firenena vahiny, afa-sy Iràna, azo omena alàlana hametraka birao kaonsily jeneraly any amin'ireo tanandehibe ao Balochistàna #Quetta [42] #Gwadar [43] #Turbat [44] #Khuzdar [45]https://t.co/fq3KBK8pXD [46]

— Archen Baloch (@ArchenBaloch)

Azonao sintonina eto [1] ilay tatitra 2022 avy amin'ny Freedom Network momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety ao Pakistàna.