Mandetika an'i Trinidad & Tobago ho anaty fisaonana ny fahafatesana “aloha loatra” nahazo an'i Dexter “Blaxx” Stewart, ilay mpihiran'i soca

Pikantsary an'ilay mpiangaly soca Trinbagoniàna Dexter “Blaxx” Stewart, nosintonina avy amin'ny lahatsarina tononkira iray tao amin'ny YouTube, amin'ilay hirany “Remove Yuhself”.

Tamin'ny fahafatesan'i Dexter “Blaxx” Stewart, tamin'ny 28 Martsa, very olo-manga iray hafa teo amin'ny mozika soca i Trinidad & Tobago. Niditra hopitaly tao amin'ny sampana famelomana aina (USI) tao amin'ny hopitalin'i Arima tany atsinanan'i Trinidad i Blaxx, ka tao izy no maty noho ny fahasarotana vokatry ny aretina mifandraika amin'ny COVID-19. 59 taona izy.

SIP (Surf In Peace) ilay marika ara-kolontsainao

— Ebo Jones (@jones_ebo) 28 Martsa 2022

Tena nankamamian‘ireo mpankafy sy mpanaraka azy ny marika mozika soca tsy manam-paharoa an'i Blaxx, ary nahazo laza izy tamin'ny famoahana ireo feon-kira avo lenta hatrany isaky ny vanim-potoanan'ny fetibe. Milantolanto ny hirany, mampandihy ary mampisy aingam-panahy. Tsy menatra velively miseho amin'ny maha izy azy, matetika no tsy fahita firy sy miavaka ireo tolotra omen'i Blaxx, satria vitany ny niditra tao anatin'ny fotopisainana tao ambadiky ny fanahy feno hafaliana mahatretrika amin'ny karnavalin'i Trinidad & Tobago isantaona.

🇹🇹🕊 Nodimandry ilay mpahay mozika Soca malalantsika #Blaxx.

“Velaro ny tànana ary avelao handeha” Blaxx malala ary mijere an'i Trinidad & Tobago sy ny karnavalin-tsika avy eny ampita eny!

Manodidina antsika ireo razambentsika 🇹🇹🇹🇹🇹🇹 pic.twitter.com/PpBZCXGaoY

Amin'ny maha-mpihira fototra azy tao amin'ny tarika soca Roy Cape All Stars, marobe tsy tambo ho isaina ireo fihiràna nankafizina nataon’i Blaxx, anisan'izany ny “Leh Go” tamin'ny 2013, izay nanjary fantina iray tsy lany andro :

“Hulk” no iray tamin'ireo talentany goavana tsy nampoizina tamin'ny 2018, izay “nandravarava” ny olik'ireo fety tamin'izay vanim-potoana izay :

Miaraka amin'ny tononkira toy ny “Izay tsy mahafaty anao dia tokony hanefy anao hatanjaka kokoa”, resahan'ilay hira ny hioarana amin'ireo sakana misy ary ny fijoroana hanatratra ny fahafaha-manao rehetra ao aminao. Taorian'ny nanefàny ny adidiny tamin'ny fiezahana hampandroso ny tontolon'ny mozika soca – nilazàna izy fa “mainty loatra”, ” ngeza loatra” ary “tsy azo amidy” – ary rehefa niady irery amin'ireo olana ara-pahasalamana, avy amin'ny zavatra niainany no resahan'i Blaxx. Namirapiratra ny maha-toka-miavaka azy, mifandray mandrakariva tamin'ireo mpankafy azy hatrany.

Tamin'ny Oktôbra 2020, rehefa nampidirina hopitaly izy noho ireo olana ara-pisefoana, noforonina tamin'ny anarany ny pejy Go Fund Me. Rehefa heno ny vaovao milaza ny fahafatesany, nirotsaka nameno ireo fantsona media sosialy isan-karazany ny fiarahamiory.

Teo amin'ny Twitter, niteny ny mpanao gazety Kejan Haynes hoe :

Tena tsy vitako ny misaina hoe misy feon-kira tokana tsy tiako tamin'izay an'i Blaxx, fantatrao.
— Kejan Haynes (@KejanHaynes)

Tao anaty Facebook, nilaza i Carla Parris fa izy no iray amin'ireo mpiangaly  soca ankafiziny indrindra, amin'ny fiantsoana azy ho “mpijery miabo hatrany, mavitrika ary falifaly […] amin'ny famoronana ambiansy sy ireo fahatsiarovana tsy mampino indrindra” :

Herinandro vitsivitsy lasa izay, [nanantena] aho ny hahita azy hilalao ka nalahelo fa tsy ho avy izy. Naniry ny haheno azy mivantana aho tamin'ity vanim-potoanan'ny karnavaly ity.

Andro tena mampalahelo ity ho an'ny indostrian'ny mozika, tsy ho an'i Trinidad & Tobago irery, fa ho an'i Karaiba manontolo sy ny diaspora.
Handry am-piadanana lalina  anie ianao, namela marika tsy azo kosehina ho anay rehetra ny mozika Soca falifaly nataonao ary nahatonga anay “hahatsapa ho toa an'i Hulk”🙏🏾.

Nihevitra ilay mpanao hatsikana, Simmy De Trini, fa “tena natao tsinontsinona” ny talentany :

Lehiben'ny mpiventy hira ny lehilahy fa tsy soca fotsiny. Ah rehefa fotoana ihiran'i Blaxx an'ireo hiram-pitiavana tranainy sasany R&B tamina hetsika iray ary ny feo… Nisokatra ireo mason-koditro ary nanomboka nanganohano ny masoko.

Tamin'ny alalan'ny fanehoana ny fangorahany teo amin'ny Facebook, niteny ilay mpanakanto mozika rapso, Wendell Manwarren, hoe :

Zavatra iray no azo antoka : tafalentika tsy voakosoka ao anaty fahatsiarovana sy fanahinay ny feo[-nao]

Ny hafa nahatsiaro azy noho ny fitiavany sy fahamarinany, ny fijeriny miabo sy ny fiheverana mandrakariva ny tsara, raha toa i Nigel A. Campbell nanamarika fa “mpanakanto iray manolotra foana amin'ny fotoana iray sy na aiza na aiza i Blaxx” :

Ery anoloan'ny tarika soca izay tsy isalasalàna fa ny miasa mafy indrindra eto amin'ny planeta, izy no feo tsy tapaka  isaky ny fety. Nanana ‘hits’ (fahombiazana) sy mpifaninana maro izy teny an-dalana. Iray azo antoka ho tonga amin'ny famarànana ha any toeran'i Soca Monarch izy, afaka nanao fampisehoana sy nampifaly niaraka tamin'ireo tsara indrindra tamin'izy ireny izy. Fatiantoka ity. Nilalao hatramin'ny farany izy. Manantena aho fa ho ekena sy ho angonina ho amin'ny hoavy ny lova navelany sy ireo bokin-kirany. Mila ireo mozikany voafantina ny indostrian'ny mozika eto an-toerana mba ho toy ny mari-panondroana ny antsoina hoe soca sy izay rhetra momba ny fampisehoana soca.

Niombon-kevitra i Jabari Peter Bem Fraser fa :

Ao anatin'ny orinasa iray ahitana taham-panavaozana kidaladala isantaona, izay tsy miahotra akory mamafa mpanao mozika aorian'ny taona iray tsy nahitàna fahombiazana, tsy manam-paharoa i Blaxx sady tena kintan'ny soca izay mamakivaky an'ireo andian-taranaka. Ny mozikany sy ny asany niaraka tamin'i Roy Cape sy The All Stars dia nandray anjara tamin'ny fitazonana ny feon'ireo varahina lehibe ho velona nandritra ireo fety sy ireo andian-taranaka tanora izay efa zatra ny mozika soca tsy arahana fandrindràna feon'anjomara.

Raha tia soca sy calypso ianao, nampifaly anao i Blaxx, nitsambikimbikina, nanofahofa, nihira, nihomehy, nandom-bera, namihina olona tsy fantatra, nikapoka tongotra na namelatra tànana sy namela ny fahamatoranao, farafaharatsiny indray mandeha. […] Isaorana ilay maestro-n'ny mozika.

Tamin'ny datin'ny fahafatesan'i Blaxx, nahatratra 3.738 no isan'ny fahafatesana mifandraika tamin'ny COVID voarakitra tao Trinidad & Tobago hatramin'ny fiantombohan'ilay valanaretina. Amin'izao fotoana izao, 7.256 ny tranga-na viriosy velona ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.