KUGOMA: Fitsangatsanganana manavatsava ny tsenaben'ny sarimihetsika lehibe indrindra any Mozambika

Hitondra ny fihetseham-pon'ny sarimihetsika vokarin'ny Afrikana manokana amin'ny efijery lehibe ny KUGOMA amin'ity taona ity. Sary: Doka/KUGOMA (Nahazoana alalana)

Hetsika fanao isan-taona any Mozambika ny tsenaben'ny Sarimihetsika  KUGOMA, izay natao nandritra ny 10 taona mahery tao an-drenivohitra Maputo, ho fampisehoana ireo zavakanto an-tsehatra natao tany Mozambika, sy tany amin’ireo firenena miteny Portiogey. Amin'ny andiany faha-13 ny KUGOMA amin’ity taona 2022 ity, ny 15 aprily no nisokatra ny fisoratana anarana, ary hifarana ny 15 Jona.

Araka ny nolazain'ny mpikarakara ny hetsika hoe:

KUGOMA 13ª edição aceita curtas-metragens de realizadores moçambicanos e africanos, tanto no continente como nas diásporas. Todos os géneros são bem-vindos – documentários, ficção e ensaios, ambos ao vivo ou animados, até 30 minutos de duração, submetidos através da FilmFreeway.

Devido às restrições COVID-19 em curso, introduzimos uma edição híbrida com eventos online e no local, em Maputo e para o público online em todo o lado. Os realizadores/produtores que submetem os seus filmes devem assinar autorização para exibições online, durante a 13ª semana KUGOMA.

Mandray ny horonantsary fohy avy amin’ireo tale Mozambikana sy Afrikanina, na eto amin’ny kaontinanta na any am-pielezana, ny KUGOMA andiany faha-13. Raisina an-tanandroa ny karazana rehetra – fanadihadiana, tantara foronina ary famoaboasan-kevitra, na mivantana na an-tsary, hatramin'ny 30 minitra ny halavany, alefa amin'ny alàlan'ny FilmFreeway.

Noho ny fitohizan’ny fepetra fameran’ny COVID-19, nampiditra andiany hybrida ahitana ireo hetsika anjotra sy an-toerana ao Maputo sy ho an'ny mpijery anjotra na aiza na aiza izahay. Tsy maintsy manao sonia ny fanomezan-dàlana hanao fampirantiana anjotra mandritra ny herinandron'ny KUGOMA faha-13 ireo tale/mpamokatra sarimihetsika izay mandefa ny sarimihetsiny.

Amin'ity 2022 ity, hanana loka roa lehibe ny andiany faha-13: ny Lokan'ny Mpanatontosa Filma Mozambikana – atolotry ny Associação dos Museus de Cinema de Moçambique sy ny Loka PALOP-TL Upcoming Filmmaker Award — iarahana miasa amin'ny PALOP-TL Film sy ny Audiovisual Network.

Araka ny azonao vakiana ao amin'ny Pejiny Facebook, aingam-panahy avy amin'ny traikefan'ny fetibe sy fampirantiana hafa ny KUGOMA, ny tantaran'ny fandefasana an-tsary amin’ny finday Kuxa Kanema — noforonin'ny Cinemarena sy ny fikambanana hafa  indray — tao amin'ny Dockanema — fetibe malaza iraisam-pirenena izay nikatona — dia tohizanay eto Mozambika ny topimaso amin’ny fampirantiana ny sarimihetsika.

Ankoatra izany, manolotra endrika hafa amin'ny fanatontosana sarimihetsika ny fetibe, izay sady ahitana singa ara-dalàna (efitrano fandefasana sarimihetsika) sy tsy ara-dalàna (ankalamanjana eo amin'ny manodidina) ary mitondra ny sarimihetsika ho akaiky kokoa ny mponina ao amin'ny manodidina ny toeram-ponenany sy ho an’ny mpijery tanora kokoa, mahasahana ireo karazana fanatontosana sarimihetsika maro kokoa, atambatry ny endrika miavaka amin'ny sarimihetsika fohy, mahatonga ny zavakanto hahatratra mponina midadasika kokoa

Fantatra ihany koa fa ny KUGOMA amin'ity taona ity dia hitondra eny amin'ny efijery lehibe ny fihetseham-pon'ny sarimihetsika vokarin'ny Afrikana indrindra indrindra, ahitana fisarihana mpijery vaovao sy ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo tanora matihanina avy amin'ny firenena Afrikana miteny Portiogey (PALOP). Hiaraka amin'ny hetsika hanatsarana ny vakoka sy ny fiofanana amin'ny haino aman-jery, amin'ny sehatra matihanina isan-karazany ny hetsika toy izany, hoy ny fikambanana nanasongadina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.