- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôlitisiàna Nizeriàna mifantoka amin'ny fampielezankevitra fifidianana, manadino ireo mpampianatra mitokona eny amin'ny anjerimanontolo

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sendikà

Lanonana fanolorana diplaoma tao amin'ny anjerimanontolo iray tsy miankina ao Nizerià. Saripika an'i Rajmund Dabrowski/ANN [1], 7 Jona 2009. (CC BY-NC-ND 2.0 [2]).

Nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2022, niditra tamin'ny fitokonana “tanteraka sy manontolo” ny ASUU (Academic Staff Union of Nigeria Universities), nanosika ireo anjerimanontolom-panjakana nizeriàna vatsian'ny governemanta federaly hanakatom-baravarana. Nandritra ireo volana roa farany, marobe ireo Nizeriàna mpianatra no nijanona an-trano, mitolona mba hanamaivanana ny fikorontanan'ny tetiandrom-pianaran-dry zareo.

Taorian'ny tsy fahitàna mamimaritra niraisan'ny sendika sy ny governemanta momba ireo fitakian'ny mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo no nitranga ilay fitokonana. 

Amin'ireo anjerimanontolo miisa 170 [3] ao Nizerià, 43 no tantanin'ny governemanta federaly, 48 an'ny governemanta foibe sy tantaniny. Ny 79 ambiny dia toeram-pianarana an'ny tsy miankina. 

Ny tsy nahavitàn'ny governemanta nampihatra ilay nifanarahany tamin'ny 2009 [4] niaraka tamin'ireo mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo no iray isan'ireo antony lehibe amin'io fitokonana io. Indrindra indrindra fa ampangain'ny [5]ASUU ny governemanta ho nandà ny fandoavana ilay “880 lavitrisa NGN eo ho eo (2,2 lavitrisa dolara amerikàna) tokony “hanomezana aina vao ireo anjerimanontolo, no sady koa nandà tsy hampiditra ireo fanampiana akademika efa azo ho an'ny tetibola 2022 araka ny nampanantenaina.”

Profesora Ayo Akinwole, lehiben'ny ASUU dia nitaraina [5]bebe kokoa hoe “raha ireo Nizeriàna pôlitisiàna no isan'ireo mandray karama ambony be indrindra erantany, ireo Nizeriàna mpampianatra amin'ny anjerimanontolo kosa no isan'ireo kely karama indrindra erantany, ahitàna profesora tsy mandray afa-tsy latsaky ny 1.000 dolara amerikàna isambolana.” Ireo Nizeriàna mpanao lalàna no isan'ireo olona be karama indrindra erantany, vola miditra isantaona [6] eo anelanelan'ny  150.000 sy 190.000 dolara amerikàna.

Ny governemanta, tamin'ny alàlan'ny Ministry ny Asa sy ny Fampananana Asa,  Chris Ngige, dia nilaza fa tsy ananany ny vola [7] ho entina manome fahafahampo ny fitakian'ireo mpampianatra mitokona. Na izany aza, tamin'ny 2 Martsa dia nanangana kaomity iray [8] ny Ministeran'ny Fampianarana mba hifampiraharaha amin'ny ASUU, ka tanjony amin'izany ny hivoahana amin'ity kizo ity.

Be loatra ny fitokonan'ny ASUU ?

Ny fitokonana voalohany indrindra nataon'ny ASUU dia nanoherany ny jadona tafahoatra ataon'ny fitondrana miaramila eo amin'ny fahefana, izay niafara tamin'ny fandraràna ilay sendika [9]tamin'ny 7 Aogositra 1988. Nanomboka teo, tsy nitsahatra ny fampiasàn'ny ASUU ireo hetsika fitokonana ho toy ny fitaovana iray ifampiresahana amn'ny governemanta.

Nanomboka tamin'ny 1999, rehefa niverina tamin'ny rafitra demaokratika sivily ny tao Nizerià, in-15 niditra tamin'ny fanaovana fitokonana ireo mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, izay rehefa atambatra dia mahatratra 50 volana, hoy ny tatitry ny [10]Premium Times, gazety nizeriàna an-tambajotra. Naharitra sivy volana ny fitokonan'ny ASUU tamin'ny 2020, mitovy amin'ny taompianarana akademika iray manontolo. Matoandahatsoratra iray tao anatin'ny Nigerian Tribune, gazety iray ao an-toerana no manamafy bebe kokoa [11] fa “teo anelanelan'ny 1999 sy 2020, in-17 ny  ASUU no niditra tamin'ny fanaovana fitokonana, 1.450 andro rehefa atambatra. Midika izany fa nanao fitokonana isaky ny 15 volana, ary rehefa atambatra dia efa mila hanome efatra taona feno tato anatin'ny 21 taona.”

Nisy fiantraikany nanapotipotika ny fampianarana teny amin'ny anjerimanontolo ao amin'ny firenena ny vokatra nitambatambatra avy amin'ireny fitokonana ireny. “Tena voadona ratsy be ny vokatra akademikan'ny mpianatra, ary saiky ngoly ny rafitra fampianarana manontolo. Mpianatra feno tapany sy olona nahazo diplaoma tsy afaka ny ho ampiasaina akory no vokatr'ireny, sady tsy manana izay traikefa kely indrindra takiana mba ho enti-mivelona ao anatina tontolo mavitrika toy ny ao Nizerià sy erantany” hoy ny tarainan'ny [12] The Cable, gazety iray an-tambajotra.

Governemanta maty eritreritra sy tsy miraharaha ve?

Fitaratra fotsiny ihany amin'ny “tsy firaharahiana tanteraka asehon'ny governemanta nizeriàna ny fanabeazam-bahoaka” raha ny fitokonan'ny ASUU, hoy ny ambaran'i [13] Ebenezer Obadare, Profesora sady Zokiolona Mpiaradia amin'ny Fandalinana momba an'i Afrika ao amin'ny Council on Foreign Relations (CFR).

Mibaribary any anatin'ireo fitokonana hafa ataon'ireo sendika hafa any amin'ireo anjerimanontolom-panjakana ao Nizerià io filazana ny tsy firaharahian'ny fanjakana ny fanabeazam-bahoaka io.

Ny 27 Martsa 2022, natomboky ny Non-Academic Staff Union of Universities (NASU) sy ny Senior Staff Union of Nigerian Universities (SSANU) ny fitokonana iray ho fanairana [14]. Ny fitakiana dia nifototra tamin'ny tsy fankatoavan'ny governemanta ireo fifanekena momba ny fiahiana ny mpiasa tamin'ny Oktôbra 2020 sy Febroary 2021 nifanaovany tamin'ireo sendika. Tamin'ny 21 Aprily, nitarina iray volana fanampiny [15] ilay fitokonana, taorian'ny “nanohizan'ny governemanta ny fahanginany momba ny fitakian'ireo sendika.”

Tsy hoe tsy misy ifandraisany amin'ny famatsiambola zara raha misy omena ny fanabeazam-bahoaka ao Nizerià akory ilay andiana fitokonana. Ilay 1,09 trillion  NGN (2,8 tapitrisa dolara eo ho eo) natokana tao anatin'ny tetibola 2021 ho an'ny fanabeazana no iray amin'ireo ambany indrindra tato anatin'ny folo taona. Latsaka any ambanin'ny fenitry ny UNESCO io, izay milaza ny hanokanana “15 hatramin'ny 20% amin'ny tetibolam-panjakana ho amin'ny fanabeazana” hoy [16] ny fandalinana iray nataon'ny BudgIT, fikambanana sivily iray ao Nizerià.

Raha handray amin'ny fomba matotra ny famatsiana ara-bola ny anjerimanontolo ny governemanta nizeriàna, dia “tokony ho eo anelanelan'ny 2,03 trillion sy 2,7 trillion NGN ny tetibola ho an'ny fanabeazana — fa tsy 1,09 trillion NGN, hoy ny nohizingizinin'ny [16] ” BudgIT, vondrona nizeriàna mpandalina ny toekarena.

Fitantanana natsahatra ho an'ireo fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana

Ngige sy ilay mitovy kilasy aminy, Emeka Nwajiuba, ministra lefitra misahana ny fanabeazana, dia samy nisolo tena ny governemanta federaly tany anatin'ireo fifampiraharahàna nifanaovana tamin'ny mpitokona ASUU. Samy nanambara ny fikasàny ireo minisitra roa fa hoe handà tsy handray ny toerana faratampony ao Nizerià, ny toerana maha-filoha.

Raha ny ASUU mitokona, ny minisi-panjakana misahana ny fanabeazana kosa dia nividy N100N, taratasy firotsahana ho filoha. Ny minisitry ny asa sy ny famokarana koa dia maniry ny ho lasa filoham-pirenena. Lasa toy ny mpiasa matoatoa sisa ilay tena minisitra misahana ny fanabeazana. Saingy vitany ny nitazona ny toerany nandritra ny 7 taona. Hatsikana mahatsikaky.

— Dr Dípò Awójídé (@OgbeniDipo) 28 Aprily 2022 [17]

Indrisy, io dia manome fahatsapana toy ny hoe natsahatra ny fitantanana ao Nizerià. Mety ho lany taona iray any an-tranony ireo Nizeriàna mpianatra, raha ireo minisitra kosa manohy ny fampielezankevitr'izy ireo ho amin'ny fifidianana. 

Raha eo ampifanakalozan-kevitra amin'ilay governemanta bemarenina ny ASUU, mety ho fotoana angamba izao tokony handinihan'ilay sendika ny tetikadiny, araka ny torohevitra [11] avy amin'ny tonian-dahatsoratry ny Nigerian Tribune. Raha tsy izany, atahorana “hotsarain'ny maro ho manao ny fitokonana ho toy ny anton-draharahany” ny ASUU.”