Ny 5 Aogositra 2019, nanafoana [2] ny Andininy faha-370 [3] ao amin'ny lalàm-panorenan'i India izay nanome sata fizakan-tena manokana nanomboka tamin'ny taona 1950 ho an'ny fanjakana ifandirana Jammu sy Kashmir, any amin'ny zoro avaratrandrefan'ny firenena, ny governemantan'i India, tarihin'ny Antoko Bharatiya Janata (BJP [4]).
Vondrom-paritra misaraka ankehitriny i Jammu, Kashmir, ary Ladakh. Noho ny tahotra korontana, nametraka mpitarika politika an-jatony [5] sy ny mpanampy azy ireo ho eo ambany fanaraha-maso ny trano fonenan’izy ireo ny manampahefana, ary nampiato ny [6] fidirana amin'ny tambajotra finday, an-tariby, ary aterineto. Nasiana fanakanan-dalana teny an-dalambe ary saika ny famerana ny fivezivezena rehetra no ampiharina.
Tamin'ny 5 Aogositra 2019, nihidy tanteraka i Srinagar, tanàna lehibe ao Jammu sy Kashmir, ary olona miisa 2300 farafahakeliny, ny ankamaroany tovolahy, no voatazona [7].
Vakio bebe kokoa: Indian government abolishes Kashmir's special status, announces bifurcation [8]
Tamin'ny fahatapahan'ny fifandraisana, nitodika tany amin'ny Twitter ny mpisera — izay nanosika ny governemanta Indiana hangataka ny fampiatoana ny kaonty sasany nampangainy ho nanaparitaka “vaovao tsy marina”.
Vakio bebe kokoa: Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir [9]
Na dia nanaisotra tsikelikely ny fameperana aza ny manampahefana dia nijanona lavitra [10] ny sekoly tamin'ireo andro voalohany ny mpianatra. Nandidy ireo toeram-pampianarana hisokatra indray ny 28 aogositra ny manampahefana. Mandritra izany fotoana izany, naverina tsikelikely [11] ny fifandraisana any amin'ny toerana sasany.
Mitsikera [12] ny “fibodoana” an'i Kashmir ny tatitra navoakan'ireo mpikatroka Indiana vao haingana na dia nanizingizina [13] aza ny governemanta Indiana fa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny faritra, ary mandrisika ny governemanta “hamerina ny demaokrasia ao amin'ny faritra” izy ireo.
Vakio bebe kokoa: Indian-administered Kashmir is like an ‘open prison’, says observers [14]
Samy milaza ny faritany Kashmir ifandirana azy manontolo na i India sy Pakistan. Raha i India no mifehy ny ampahany ilany, izay antsoiny hoe Jammu sy Kashmir [15], Pakistan kosa no mifehy ny ampahany iray hafa nomena anarana hoe Azad Kashmir [16]. Ankoatra izany, i Shina no mitantana an’i Aksai Chin [17], ampahany kely amin'ny faritr'i Ladakh izay lazain'i India ho anisan'i Kashmir.
Manana mponina Miozolomana betsaka i Jammu sy Kashmir. Nanomboka tamin'ny taona 1989, ao anatin'ny fikomiana ny faritra ary niaina fihetsiketsehana tsy tambo isaina, ny sasany mitaky ny fahaleovan-tena na Azadi. Tao anatin'ny 27 taona, Kashmiri maherin'ny 70.000 no novonoina [18] ary maro hafa no naratra na nosamborina tamin'ny famoretana nataon'ny miaramila Indiana.
Vakio ny fitantaranay manokana: The Kashmiri People Versus the Indian State [19]
Hetsi-panoherana mahery vaika tao Pakistan
An'arivony ny Pakistaney naneho hevitra tamin’ny fomba mahery vaika tamin'ny fihetsiketsehana [20] manerana ny firenena noho ny fanafoanana ny andininy faha-370. Naneho ny tsy fankasitrahany ny fihetsik'i India ny governemanta Pakistaney ary namaly haingana tamin'ny andiana hetsika hanehoana fanohanana an'ireo Kashmiris
Ohatra, noroahan’ny manampahefana ny Tompon’andraikitra Ambony Indiana [21] any Pakistan Ajay Bisaria, nampiato ny fidirana amin'ny varotra sy ny habakabaka, ary nampihena ny [22] fifandraisana amin'ny mpifanolobodirindrina aminy. Nilaza ihany koa i Pakistan fa tsy handefa tompon’andraikitra ambony amin'ny toerany any New Delhi izy ireo.
Namoaka taratasy [23] ihany koa ny Pakistan Electronic Media Regulatory Authority (PEMRA) tamin'ny 14 aogositra 2019 manambara fandrarana ny doka ahitana mpanakanto Indiana, na novokarina tany India ho anisan'ny politika vaovaon'ny firenena manoloana ny mpifanolo-bodirindrina aminy.