Lesoka eo amin'ny fanadinana fidirana ao amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa ao Trinite sy Tobago ahariharin'ny tsy fahombiazan'ny maripakasitrahana

Latabatra fianarana ao anaty efitrano fianarana iray. Sary an'i Emory Maiden teo amin'ny Flickr, CC BY-NC 2.0.

Ao Trinite sy Tobago, mety hahazo ny iray amin'ireo maripankasitrahana ambony indrindra ao amin'ny firenena ianao noho ny fiavahanao tamin'ny fanadinana. Ny Medaly (Volamena) an'ny Filoham-pirenena ho an'ny Fampianarana Ambaratonga Voalohany, iray amin'ireo maripankasitrahana marobe isan-taona tahàka izany, no manome voninahitra ny “mpianatra mendrika indrindra” amin'ny fanadinana fitsapàna hidirana ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa (SEA), fanadinana fitsapàna izay hametraka ireo ankizy avy amin'ny ambaratonga voalohany ho ao amin'ireo sekoly ambaratonga faharoa. Vokatry ny fepetra fiarovana ny fahasalamana noho ny COVID-19, ny lanonana tamin'ny taona 2019 no farany tamin'ireny fankasitrahana  ireny mety ho hitan'ny firenena mandritra ny fotoana vitsivitsy, saingy ny 11 Aprily kosa amin'ity taona ity, noho ny tsy fahombiazan'ny dingana nataon'ny Minisiteran'ny Fampianarana, dia mpianatra roa mendrika indrindra tamin'ny fanadinana 2020 no nifampizara ny loka ambony indrindra, namelona indray ny adihevitra mikasika ny fanomezan-danja ny fanadinana sy raha tena mankamin'ny tombontsoa amboni'ireo ankizy izany.

Nanomboka ny tsy fandehanan-javatra nahatafiditra ireo mendrika indrindra tamin'ny fanadinana SEA tamin'ny taona 2020 taorian'ny nilazana tamin'i Ameerah Beekhoo fa miainga avy amin'ireo vokatra savaranonando – izay efa fahazarana ho an'ny Minisitry ny Fanabeazana ny mampiasa azy mba hanondroana ireo mpianatra mahazo ny laharana ambony indrindra mendrika hofidiana hahazo ny Medalin'ny Filoha – dia izy no mendrika indrindra tamin'ity taona ity.

Na izany aza, afaka manontany ny naotiny ireo mpianatra, ary dia nanao izany i Aaron Subero, ilay noheverina ho mpandray ny Medaly (Volafotsy) avy amin'ny Filoham-pirenena, eo amin'ny laharana faharoa. Nampiakatra ny isa farany azony io famerenana nijery naoty io ka nahazoany ny fitambaran'isa avo indrindra tamin'ny fanadinana tamin'ny 2020, zavatra iray izay nampitaina taty aoriana tany amin'ny sekoly nianarany taorian'ny efa nanambarana an'i Beekhoo no mpandresy.

Tao anatin'ny fanambaràna ho an'ny gazety tamin'ny 7 Aprily, nanazava ny minisitra hoe:

Zon'ny ray amandreny rehetra ny manontany ny naotin'ireo zanany, izay nohamorain'ny Caribbean Examinations Council (CXC), sampana mpitantana ny SEA. Matetika, roa volana aorian'ny fahazoana ireo vokatra vonjimaika no voaray ireo naoty ireo. Mety hanova na tsia ny naotin'ireo mpianatra io fangatahana io, saingy tsy manova kosa ny lisitry ny toerana vonjimaika, izay hanolorana ireo loka. Narahina nandritra ny taona maro ity politika ity.

Mety ho nifarana teo ilay fangatahana, raha tsy noho ny nataon'ny mpiasan'ny ministera iray ve io :

Dia mihevitra izany ny mpanatanteraka ao amin'ny MOE fa tena faran'izay mampalahelo ny fisiana tompon'andraikitra ambony iray ao amin'ny Minisitera nihoatra ny ny fahefàna ananany ka nanova ny lisitry ny toerana nomen'ny SEA, niainga avy fandinihaa ireo vokatra azon'ny mpianatra sasantsasany […] niroso tamin'ny fampahafantarana an'ireo ray amandreny sy ireo sekoly ny fahazoan'izy ireo mari-pankasitrahana araka ny lisitra tsy nankatoavina, izay niteraka fahaketrahana. Araka izany dia nomena toromarika ilay tompon'andraikitra hiverina amin'ny politika tokony ho izy ary hampilaza an'ireo ray amandreny sy ireo sekoly mifanaraka amin'izay, izay efa natao. Tohin'ity hetsika natao samirery ity, nampametra-panontaniana ny fahombiazan'ilay mpianatra napetraka teo amin'ny laharana voalohany  […]. Tena mampalahelo.

Ity fanapahankevitra  hanesorana ny loka ambony indrindra tsy ho an'i Subero ity – niainga avy amin'ny politikan'ny Ministera haka fanapahan-kevitra avy amin'ireo vokatra vonjimaika – dia narahina taratasy araka ny lalàna avy amina vondrona roa ahitana ny ray amandreny.

Ny toe-draharaha dia nitarika ny Minisiteran'ny Fanabeazana Nyan Gadsby-Dolly hanoro hevitra hoe :

Amin'ny hoavy, averina ho jerena ity rafi-pitiliana ataon'ny fanjakàna sy fanomezana mari-pankasitrahana ity ho an'ireo mpianatra SEA voakilasy ho ambony. Ny fahitako azy manokana dia efa very ny maha-izy azy ity, ary ankehitriny manjary manampy adin-tsaina, ao anaty tontolo iray izay efa mandrera-tsaina ilay izy. Miantefa any amin'ireo mpianatra roa ny fialantsiniko lalina dia lalina, izay niavaka ary tsy tokony niaina izao zavatra izao.

Tahaka ireo ray amandreny marobe, ny mpampiasa Facebook, Lesel Ali-De Silva, ihany koa faly nandre ireo drafitra ho famerenana mandinika indray ny fotokevitr'ilay fanolorana loka ho an'ireo kandidà amin'ny fanadinana SEA, tamin'ny fanehoana hevitra hoe :

Misaotra anao. Azafady indrindra, farano hatreo ny top 200 sy ny top 10!! Tsy maninona, miara-manomboka daholo eo amin'ny zanatohatra mitovy ry zareo any amin'ny lisea.

Taorian'ny fialantsiny nataon'ny Minisitera noho ilay hadisoana, nanapa-kevitra izy nony farany fa hotolorana ny medalin'ny Filoha (Volamena) avokoa ireo mpianatra roa. Tetsy ankilany, ny Filoha Paula-Mae Weekes nilaza mazava tsara fa tsy ny biraony no manendry ireo mendri-piderana ary naneho hevitra izy – taorian'ny nandraisany zay heveriny ho toy ny feo fandrahonana tao anaty taratasy nalefana olon'ny anjerimanontolo iray tsy mitonona anarana, mikasika ny fizotry ny fiandrasana ny loka ela loatra – fa tokony hikolokolo fanajana lehibe kokoa ho an'ny asam-panjakana ireo olompirenena :

Na dia tsy maintsy mamokatra mpianatra feno fahasahiana, hentitra sy mahatoky tena aza isika, izay tsy matahotra ny hametraka fanontaniana momba ny zavatra tsy mandeha na hilaza ny marina amin'ny mpitondra – moa ve isika tsy tokony koa hanefy tanora hahalala honony sy handefitra, ka rehefa miatrika fahadisoam-panantenana izy ireo, fanamby na fahasosorana, tena izy na tsikaritra, dia tsy miditra amin'ny fandrahonana, na familiviliana na fanaovana tsindry aloka mba hitondràna ny isambatanolona sy ny birao araka izay mendrika azy ireny, na dia manjohy tsy amin-tahotra ny zavatra takiany ara-drariny aza ry zareo ?

Nitarika an'ireo mpampiasa media sosialy hiady hevitra lalina momba ireo fomba fiasa mety, sy ny tena ilàna ny fanadinana mihitsy ilay raharaha manontolo.

Nijoro vavolombelona i Karel McIntosh fa efa nitranga teo aloha ny fahadisoana sahala amin'izao, zavatra niainan'ny zanak'anabaviny, izay niatrika fanadinana tamin'ny taona 2021 :

Taorian'ny famerenana fijerena, voaporofo fa vosokajy ho laharana faharoa izy, teboka iray monja no elanelan'isany amin'ilay tonga lafatra. Tsy maintsy nitelina an'io pilina mafaitra io izy. Tsy sahala amin'izay tokony ho izy eo amin'ny fiainana raha ireo eny amin'ny anjerimanontolo, saingy tokony omena fankasitrahana tsy mitanila ireo ankizy nahatratra an'io raha manana valisoa isika.

Na izany aza, mpampianatra iray amin'ny ambaratonga voalohany, izay niresaka tamin'ny Global Voices anatina fepetra tsy fitononana  anarana, no nanontany ny antony mahatonga ny fanadinana SEA hisy loka, satria ny fitsapàna, ny tena fotony, dia fanazarantena iray ho fametrahana amina toerana iray : “Ahoana no hahazoana antoka fa ny fandrefesana fahombiazana toy izany dia mifototra amin'ny zava-bitan'ny ankizy iray, anatin'ny fahatanorana tahaka izany ? amin'ny fanadinana iray atao amin'ny indray andro ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.