- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Fantaro ny sasantsasany amin'ireo mpikatroka mamelona aina indray ny fiteniny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Global Voices Podcast

Sary nomen'i Ameya Nagarajan

Amin'ity herinandro ity isika natonin'olona telo miasa ho fameloma-maso indray ny fiteniny nentin-drazany sy mitondra izany ho any amin'ny tontolo ankihy (nomerika). Manao fikarohana, manoratra ary miara-miasa amin'ny hafa ry Amrit Sufi [1] [mg] ao India, Jhonnaten Rangel [2] ao Meksika, ary Ọmọ Yoòbá [3] ao Nigeria hampiditra ny fiteniny ho ao amin'ny sehatra ankihy. Henoy ny tantaran-dry zareo ary fantaro hoe nahoana isika no mila izany asa manan-danja.

Entin'ny (Rakipeo) Global Voices [Podcast] ho anao ny vaovao isan-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Isan-kerinandro ireo avy ato anatin'ny vondrom-piarahamonina no mizara aminao hoe inona ny vaovao tena misy dikany ho an'ireo ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ary ahoana ny hananganany tantatra avy amin'ny tokotanin-tsehatra tantarainy. Henoy ary ankehitriny ny fatra isan-kerinandro ny vaovao manerantany amin'ny feo isan-toerana.

Raha ankafizinao ity fizaràna ity, miangavy mamandriha [4] ary ilazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay ianao ao amin'ny Twitter [5]. Ny hira avy amin'ity rakipeo ity dia avy amin'ny rakitra “Voyage [6]” avy amin'i NikMartken, avy amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices amin'ny ankapobeny.