Rakipeo: Fantaro ny sasantsasany amin'ireo mpikatroka mamelona aina indray ny fiteniny

Sary nomen'i Ameya Nagarajan

Amin'ity herinandro ity isika natonin'olona telo miasa ho fameloma-maso indray ny fiteniny nentin-drazany sy mitondra izany ho any amin'ny tontolo ankihy (nomerika). Manao fikarohana, manoratra ary miara-miasa amin'ny hafa ry Amrit Sufi [mg] ao India, Jhonnaten Rangel ao Meksika, ary Ọmọ Yoòbá ao Nigeria hampiditra ny fiteniny ho ao amin'ny sehatra ankihy. Henoy ny tantaran-dry zareo ary fantaro hoe nahoana isika no mila izany asa manan-danja.

Entin'ny (Rakipeo) Global Voices [Podcast] ho anao ny vaovao isan-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Isan-kerinandro ireo avy ato anatin'ny vondrom-piarahamonina no mizara aminao hoe inona ny vaovao tena misy dikany ho an'ireo ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ary ahoana ny hananganany tantatra avy amin'ny tokotanin-tsehatra tantarainy. Henoy ary ankehitriny ny fatra isan-kerinandro ny vaovao manerantany amin'ny feo isan-toerana.

Raha ankafizinao ity fizaràna ity, miangavy mamandriha ary ilazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay ianao ao amin'ny Twitter. Ny hira avy amin'ity rakipeo ity dia avy amin'ny rakitra “Voyage” avy amin'i NikMartken, avy amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices amin'ny ankapobeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.