Miteraka fanakianana ny fanentanana “Tsangambato Madio” ao Azerbaidjan

Iray amin'ireo tsangambato malaza voadio nandritra ny andro voalohany tamin'ny fanentanana. Pikan-tsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'i Vugar Imanov.

Mialoha ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tsangambato sy ireo Toerana Manan-tantara, fantatra ihany koa hoe Andro Erantany ho an'ny Vakoka ankalazaina isantaona isaky ny 18 Aprily, nanambara tetikasa vaovao ny Minisitry ny Kolontsaina ao Azerbaidjan, “Tsangambato Madio”, ao an-drenivohitr'i Baku. Nanasa an'ireo olona liana hanatevin-daharana ny fanentanana mba ho avy sy hanadio, ny Minisitry ny Kolontsaina, Anar Karimov. Sarivongana miisa 16 no hodiovina ao Baku renivohitra, araka ny lisitra navoakan'ny Minisitera.

Ny Minisiteran'ny Kolontsaina, miaraka amin'ny fanohanan'ny Baku Landscaping sy ny Youth Foundation, dia nanangana tetikasa sosialy iray “Sarivongana Madio” natokana ho amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ireo Tsangambato sy ireo Toerana manan-tantara, ny 18 Aprily. Ny tetikasa dia hanadio ireo sarivongana mijoro eto amin'ny firenentsika. Manasa ny rehetra izahay mba hanatevin-daharana ity tetikasa ity.

Araka ny tatitra nataon'ny ATV News, izao no andro voalohany handraisan'i Azerbaidjan ny fanentanana “arovy ireo tsangambato”. Ny teny filamatra dia ny hoe “Andao hiaro ireo sarivongana”.

Vahid, poeta Azerbaidjaney. Pikantsary avy amin'ny tatitra lahatsary an'i Nigar Jahangir.

Nizarazara ireo mpampiasa media sosialy tao Azerbaidjan. Ny sasany nidera ilay tetikasa raha toa nitsikera kosa ireo hafa. Altay Goyushev, mpahay siansa politika sady lehiben'ny Baku Research Institute, no nampitaha ny antson'ny minisitra hanao “asa tsy andraisan-karama”, izay zava-panao mahazatra fony fahagola. “Ireo boky fianarana tantara, milaza fa nofoanana tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 ny asa tsy andraisan-karama tao Azerbaidjan. Ankehitriny, tokony hiteny ireo lahatsoratra fa, tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-21, taorian'ny famerenana indray ny rafitra fahagola, naverina indray amin'ny endriny hafa ity asa tsy andraisan-karama ity, nampiasàna ireo fialantsiny isankarazany”, hoy i Goyushev nanoratra tao anatin'ny lahatsorany iray teo amin'ny Facebook.

Mpampiasa Facebook hafa iray, Magsud Masim, no nanoratra, fa ny mety kokoa dia fanentanana iray antsoina hoe “mpiasam-panjakana madio”, fandefonana ivoho atao amin'ireo mpanao politika mpanao kolikoly ao Azerbaidjan. “Tena efa ela no niandrasana ny tetikasa sahala amin'io. Sahala amin'izay voalazan'ny governemanta ihany, be loatra ireo mpiasam-panjakana maloto. Manontany tena hoe rahoviana no hanomboka io tetikasa io?”

Saingy nanao antso ireo hafa mba hanohanana ilay tetikasa, toy ity mpampiasa Facebook ity.

Mədəniyyət Nazirliyi çox yaxşı bir layihəyə başlayır:“Təmiz heykəl” adlı layihə çərçivəsində heykəllərin təmizlənməsi nəzərdə tutulub. Bəyənilsin!

Posted by Nihat Pir on Friday, April 15, 2022

Nanomboka tetikasa iray tena tsara ny Minisitry ny Kolontsaina : ao anatin'ny tetikasa “Tsangambato Madio”, nanam-pikasàna hanadio an'ireo tsangambato ny minisitera. Ndeha hotiavintsika io !

Ny tanjon'ny tetikasa dia ny hamelona indray ny tsangambaton'ireo olo-malaza ao Azerbaidjan. Saingy araka izay nanontanian'ny mpanao gazety iray ao Baku TV tao anatin'ity tantara ity, nahoana no nahemotra ny fanadiovana an'ireto tsangambato ireto ? Mahalana ny fanadiovana an'ireo sarivongana sasantsasany mandritra ny taona, mandrapahatongan'ny Andro fanao isantaona ho an'ireo tsangambato sy ireo toerana manan-tantara. Azo hamaritana ny tsy fahombiazan'ireo andrim-panjakana sy ireo sampan-draharaha misahana ny fikarakarana an'ireo tsangambato sy ireo sarivongana manan-tantara izany.

Ohatra, tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny Baku TV, lehiben'ny departemanta iray ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina, Agshin Mirfeyzullazade, no nilaza, fa tsy ny tsangambato rehetra akory no voasoratra anarana ao anatin'ny rafitra/andrim-panjakana iray. “Voadio sy voakarakara tsy tapaka ireo tsangambato voasoratra ao anatin'ny Sampandraharaha Mpikojakoja ao Baku. Fa tsy ireo tsangambato rehetra no karakarain'ilay sampan-draharaha,” hoy ny fanazàvan’i Mirfeyzullazade. Noho izany, hoy ny fanazavan'i Mirfeyzullazade, tsara ny manangana fikambanana iray vaovao hisahana ny andraikitra fikojakojàna ireo tsangambato ambiny rehetra tsy tafiditra ao anatin'ny an'ilay sampandraharaha mpikojakojan'ny tanàna.

Sarivongana an'i Bakhtiyar Vahabzade, poeta Azerbaijaney. Sary nampiasàna ny fahazoandàlana CC BY-SA 4.0

Saingy noho ny rafitra efa misy dia mety tsy ho ilaina ny asa fanampiny.

Tamin'ny taona 2014, ny Prezidà Ilham Aliyev dia nanao sonia didim-panjakana iray fananganana ny Sampan-draharaham-panjakana ho Fiarovana, Fampiroboroboana ary Famerenana amin'ny laoniny ny Vakoka ara-Kolontsaina ao amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina. Anisany amin'ireo asany marobe ny fanarahamaso, ny “famerenana amin'ny laoniny, ny fananganana indray sy ny fiarovana ireo tsangambato manan-tantara sy ara-kolontsaina”. Ary araka ny voalazan'ity tahirin-kevitra ity, ny Sampan-draharaha dia miandraikitra tsangambato maherin'ny efapolo sy sarivongana mampiseho ireo olo-malaza, manerana ny firenena.

Na izany aza, tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity, nambaran'ilay Sampan-draharaha ny hetahetany hanangana ray fanampiny amin'ny ivontoerana iray famerenana indray ireo tsangambato, izay hanofana ireo manam-pahaizana manokana amin'ny famerenana amin'ny laoniny ireny tsangambato ireny, hoy ny tatitry ny tranokalam-baovao Azernews.az. Araka ny voalazan'ny Toko faha-9 amin'ny lalàna mikasika ny fiarovana ireo tsangambato manan-tantara sy ara-kolontsaina, “ny fiarovana, ny fandalinana sy ny fitehirizana ireo tsangambato dia hovatsian'ny tetibolam-panjakana sy ny tetibola eo an-toerana, ireo sampan-draharaha misahana ny ara-bola sy ny fanampiana ara-batana ary ara-moraly ataon'ny olona.”

Hatreto, nivadika ho fisehosehoana teo imason'ireo mpitsikera ny tetikasa. Mpampiasa Facebook iray no nanolo-tena hitondra ny ambin'ireo ‘chlore’ izay novidiany tany am-piandohan'ny valanaretina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.