- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tompon'andraikitra fast food japoney iray voaroaka rehefa niresaka “fampiankinan-doha ny tanoravavy amin'ny (zava-mahadomelina) meth”

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Yoshinoya beef bowl and male office workers

Henan'omby Yoshinoya amin'ny baolina sy lehilahy mpiasam-birao. Saripika avy amin'i Mizuguchi Coji [1], tao amin'ny Flickr [2]. Lisansa sary: CC BY 2.0 [3]; namboarina ny sary hanasongadinana ny loko sy hanitsiana fanetezan(tsary).

Voaroaka ny tompon'andraikitra iray ao amin'ny fast-food Japoney malaza iray taorian'ny nanaovany fanamarihana mamoafady nandritra ny nivahinianany hampianatra lesona iray tao amin'ny oniversite iray manana ny lazany. Manasongadina ny fihetsika raiki-tapisaka anjakazakan'ny lehilahy ao amin'ny fiarahamonina japoney hatry ny ela izay raha ny tsara indrindra, dia tsy miraharaha vehivavy,  ny fanamarihan'ilay tompon'andraikitra teo aloha.

Nandritra ny fivahinianany vao haingana tamin'ny 16 aprily 2022 [4], hampianatra ireo mpianatry ny Oniversite Waseda any Tokyo (Atoa) Ito Masaaki, tale fitantanan'ny Yoshinoya manana toeram-pivarotana eran'izao tontolo izao ity, no nilaza fa ny paikam-panoron'ny orinasa dia mitovy amin'ny fahazoana “sipan'ambanivohitra” mbola vaovao amin'ny “fiankinan-doha amin'ny (zavamahadomelina) meth [5]“(生娘をシャブ漬け戦略 [6]) any an-tanàna lehibe.

Nohazavain'Ito fa ny Yoshinoya, izay manam-pahaizana manokana amin'ny gyudon, vary fotsy ilaofana henan'omby nalòna sira anaty baolina, dia tsy maintsy nihetsika haingana mba “hampiraikitra” ireo tanora vavy “virijiny [7]” amin'ny vokatra mora vidy sy ambany kalitao [8] alohan'ny hananan'izy ireo vintana hanandrana sakafo tsaratsara kokoa sy tsara tsiro.

Voalaza [9] fa niezaka Ito nandrisika ireo mpanatrika ny fampianarana mba hanolo-kevitra ara-barotra mety amin'ny orinasa fast-food-ny. Iray amin'ireo oniversite malaza indrindra ao Japana ny Waseda, izay efa namoaka praiminisitra japoney maro [10] ho anisan'ny maintimolaliny.

Ho an'ireo izay tsy mahalala ny Oniversite Waseda dia iray amin'ireo oniversite tsy miankina ao Japana izay mitovy amin'ireo andian-tsekoly Ivy League any Etazonia.

Heverina fa “oniversite mamirapiratra” manana “fenitra avo lenta” izy io ary mahazo lesona haivarotra avy amin'ity lehilahy ity.

Manam-pahaizana manokana amin'ny baolin'henan'omby gyudon tsy lafo [12] nampiroboroboana ho an'ireo mpanjifa ao Japana izay tsy manam-bola holaniana loatra ny Yoshinoya, orinasa iraisampirenena [13] Japoney iray naorina tamin'ny taona 1899.

Sarimasin'ny vanim-potoanan'ny tsy fihetsehan'ny vidim-piainana tao Japana taorian'ny fitokana-monina [14] ihany koa ity ny tsenam-barotra mpanao sakafo maivana vita haingana ity. Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny tsy fiakaran'ny karama na mihena mihitsy aza, nandritra ny roapolo taona i Yoshinoya niady ho an'ny mpanjifa tamin'ny fianteherana tamin'ny toekarena an-tanantohatra sy ny akora mora mba hitazonana ny vidiny ambany kokoa noho ny mpifaninana.

Yoshinoya storefront 2008

Ny anoloan'ny Yoshinoya tao Kichijoji, Tokyo, 2013. Saripika avy amin'i sekihan [15], tao amin'ny Flickr [16]. Lisansan-tsary: CC BY-NC 2.0 [17]

Nisy tamin'ireo mpianatry ny Waseda nanatrika ity fampianaran'olona nasaina — tafiditra ao anatin'ny taranja haivarotra izay voalaza [18] fa mitentina 3.000 dolara amerikana isaky ny mpianatra tsirairay — no rikoriko tamin'ny lazaina ho fanamarihan'Ito sy nizara ny dika an-tsoratra izay niely haingana dia haingana tao amin'ny Twitter.

Nihomehy Ito Masaaki, tale mpitantana sy Tale Jeneralin'ny Teti-pivoarana ao amin'ny Yoshinoya, ary niantso ny fepetra ara-barotra mikendry ireo zatovovavy ho “paikam-panorona manao ahazoana sipa hiankin-doha amin'ny meth (shabu)”. Nilaza i Ito fa ny haivarotr'(i) Yoshinoya dia natao “hampitodika tovovavy tsy mahalala izay havia sy havanana avy any ambanivohitra ho ‘mpiankin-doha amin'ny henan'omby’ nefa mbola tsy manan-tsiny sy mandimandina.” Araka ny efa nampoizina, mpianatra maintimolalin'ny Procter & Gamble [22]

Niala tsiny avy hatrany (i) Ito taorian’ny lesona, taorian’ny fitabataban’ny vahoaka tamin'ny fanamarihana izay nataony. Na izany aza, noroahin’ Yoshinoya ilay tomponandraikitra andro maromaro taty aoriana, ary nilaza hoe [9]:

They were significantly inappropriate remarks made officially that are completely unacceptable from the perspective of human rights and gender issues.

Nisy ny teny tsy mendrika natao tamin'ny fomba ofisialy izay tsy azo ekena mihitsy raha jerena avy amin'ny zoron'ny zon'olombelona sy ny miralenta.

Nandresy lahatra ny mpaneho hevitra iray hafa fa mihoatra noho ilay lehilahy iray tomponandraikitra teo aloha tao amin'ny Yoshinoya ny fankahalana vehivavy amin'ny dokambarotra sy ny fiarahamonina Japoney. Mpampiasa ny anarana mpanoratra Fuemi [23] (笛美), matihanina momba ny dokambarotra, feminista, mpaneho hevitra amin'ny haino vaky jery no milaza fa ny fanamarihan'(i) Ito dia ohatra iray monja amin'ny olana lalina fankahalana vehivavy mianjady amin'ny fiarahamonina Japoney.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny gazety mpiseho isan'andro Mainichi, nilaza [24] i Fuemi:

その人たちが元々持っていた女性蔑視(の価値観)があり、女性が顧客になっても、それがなくならないんだと思います。

Misy fahatsapana fanamavoana raki-tapisaka amin'ny (ny lanjan'ny) vehivavy ao amin'ny indostrian'ny dokambarotra ao Japana, na dia amin'ny maha-mpanjifa azy aza.

Tao amin'ny tafatafa, nanazava i Fuemi fa ny fanamavoana ny vehivavy dia ampahany manan-danja amin'ny indostrian'ny dokambarotra anjakazakan'ny lehilahy ao Japana:

若い女性を意思ある人間ではなくだまされて利用されるモノのように捉えています […]「生娘シャブ漬け」という発言は、男性中心の、男性同士の絆を重視するホモソーシャル(な社会)では「俺はこんな風に女性を悪く扱える悪い男なんだ」と笑いが取れる発言だったんだと思います。「男に高い飯をおごってもらうようになれば(牛丼を)絶対に食べない」という元常務の発言も、男女の賃金格差を問題視せず、ジェンダー格差の固定化につながってしまうと懸念します。

Izahay [ao amin'ny indostrian'ny dokambarotra] dia mahita ny zatovovavy ho zavatra azo fitahina sy ampiasaina, fa tsy amin'ny maha-olombelona manana ny sitrapony manokana […]

Ao amin'ny fiaraha-monina anjakazakan'ny lehilahy, izay ny lehilahy no ifantohana, ary ny fifamatoran'ny lahy no navoitra, ny fitenenana hoe “Ataovy hiankin-doha amin'ny meth ny zatovovavy” dia zavatra azonao tenenina hahazoana fihomehezana sy hilazana koa hoe “Lehilahy ratsy aho mampiasa ny vehivavy amin'ny fomba ratsy.”

Ary rehefa nilaza (i) Ito, talen'ny fitantanan'i Yoshinoya teo aloha hoe: “Raha mividy sakafo lafo vidy kokoa ho an'ny tovovavy ny lehilahy iray, dia tsy hikasika iray baolina henan'ombin'ny fast-food (mora kokoa) mihitsy izy”, dia tsy misy mihitsy fiheverana fa misy ny elanelan-karama eo amin'ny lahy sy ny vavy ao Japana. Ary tsy ho voavaha ny hantsana eo amin'ny lahy sy ny vavy.

Ankoatra ny fanasongadinana ny fihetsika mamoafady sy mankahala vehivavy izay raiki-tapisaka ao amin'ny kolontsain'ny fihariana Japoney, dia toa nisy letra tamin'ny fanamarihan'Ito mankahala vehivavy tafaporitsaka ny vehivavy mpanjifan'i Yoshinoya.

Tao amin'ny sioka iray nozaraina in-10.000 mahery, nanoritsoritra ny fanorisorenana an-kolaka ataon'ny lehilahy mpanjifa iray ny vehivavy iray rehefa nanandrana nankafy hen'omby Yoshinoya iray baolina fotsiny izy:

Lehilahy roa jerena ho mpiasam-birao nipetraka seza roa avy teo amin'ny toerana tiako hipetrahana no nihomehy sady niteny mafy mba hahenoako hoe: “Tonga izy mba hiankin-doha amin'ny (zava-mahadomelina) meth, tpt.”

Nanadio ny tendako aho ary niteny tsotra hoe: “Tsy mampihomehy mihitsy izany fa tapaho fotsiny.”

Ka nahatonga ahy ho sadaikatra mihitsy aza [ny fanamarihan'Ito].