Niteraka fihotsahan'ny tany sy tondra-drano mahafaty tao amin'ny Nosy Leyte ao Filipina ny tafiotra tropikaly Megi

Manara-maso ny fahasimbana nateraky ny fihotsahan'ny tany tao Abuyog, Leyte ireo tompon'andraikitra ao an-toerana. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'ny Kongresy Carl Cari.

Olona maherin'ny 100 ao amin'ny toeram-pambolena sy vondrom-piarahamonina amorontsiraka ao amin'ny nosy Leyte atsinanan'i Filipina no namoy ny ainy tamin'ny fihotsahan'ny tany sy ny tondra-drano nateraky ny tafio-drivotra tropikaly Megi (Agaton anarana eo an-toerana) izay namely ny firenena nandritra ny faran'ny herinandro.

Maro amin'ireo Filipiana no tsy nahafantatra ny faharavana nandritra ny andro maro, satria nobahanan'ny vaovao momba ny fifidianana nasionaly ny ankamaroan'ny tatitry ny media sosialy ao an-toerana sy ny fandrakofam-baovao. Tsy azo nianteherana ihany koa ny aterineto sy ny herinaratra nandritra ny andro maromaro. Maro no gaga raha nahafantatra momba ilay loza satria tsy mahazatra ny tafiotra mahery vaika toa an'ny Megi mamely an'i Filipina hatramin'ny tapany faharoa amin'ny taona.

Araka ny filazan'ny tompon'andraikitra ao an-toerana, tafakatra 137 ny isan'ny maty tao amin'ny tanànan'i Baybay sy Abuyog, samy ao Leyte, tamin'ny 15 Aprily 2022. Mbola maro ireo tsy hita popoka sy ahiana efa maty taorian'ny nandalovan'i Megi, izay rivo-doza mahery indrindra namely ny firenena tamin'ity taona ity, ary niteraka rotsak'orana andro maromaro tany amin'ny faritra samihafa ao Visayas sy avaratr'i Mindanao.

Leyte no voa mafy indrindra. Nandrava trano efa ho zato tamin'ny fotaka sy hazo nianjera tamin'ny 12 Aprily 2022 — saika ny trano rehetra tao an-tanàna — ny fihotsahan'ny tany tao amin'ny tanànan'i Pilar ao an-tanànan'i Abuyog, izay voahodidin'ny ranomasina amin'ny ankilany ary tendrombohitra iray kosa amin'ny andaniny.

Araka ny vaovao voaray, dia niezaka namakivaky tamin'ny alalan'ireo lalana izay voasakan'ny potipoti-javatra ireo tompon’andraikitra mba hamindrana ireo olona an-jatony tafahitsoka tamin’ny andro faharoa nisian’ny tondra-drano toarian'ny nitrangan'ny fihotsahan’ny tany.

Lahatsary mampatahotra misy ny fihotsahan'ny tany tany Pilar, Abuyog, Leyte. Acddg. ho an'ny mpamoaka horonan-tsary, marami daw mga bahay ang natabunan  ary misy ireo olona sasany tsy hita popoka. AMPIO AZAFADY!

Nilaza koa ireo tompon'andraikitra eo an-toerana fa olona 86 ihany koa no maty ary maro ireo naratra tany amin'ny faritra ambanivohitra manodidina ny tanànan'i Baybay, Leyte. An-jatony hafa no tsy hita manerana an'i Leyte.

Nampiasa ny tenirohy Twitter #AgatonPH, izay anaran'ny rivo-doza tao an-toerana Megi ny mpiserasera, mba hizara vaovao farany momba ny fiantraikan'ny tafiotra tropikaly any amin'ireo faritra voakasika. Ireto misy sary sasantsasany mampiseho ny fiantraikan'ny Megi nozarain'ny mpiserasera sasany:

AMIN'IZAO FOTOANA IZAO: FIHOTSAHAN'NY TANY ANYBRGY. BUNGA, BAYBAY CITY, LEYTE. TENA MILA FANAMPIANA IZAHAY‼️ Mivavaha ho fiarovana ny rehetra azafady! 😭🙏

JEREO: barangays maromaro tany Jipapad, Samar Atsinanana no dibo-drano noho ny orana tsy ankijanona nateraky ny #AgatonPH. Tsy ny trano ihany no dibo-drano fa ny tranom-panjakana sasany toy ny gym monisipaly | 📷 avy amin'i Vicky Abestros/MDRRMO

Misy ihany koa ireo maty tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena: telo no maty an-drano tany Mindanao, telo hafa maty tany Negros, ary iray hafa tany Iloilo. Difotry ny tondra-drano izay nandripaka ny voly, nandrava trano, ary nanery olona an'arivony ho any amin'ny toby fifindra-monina ny faritra isan-karazany ao Visayas.

 Tena mila ny fanampianao izahay rn. Tokony hanatitra entana ho an’ireo tra-boina ireto mpamonjy voina ireto saingy mafy loatra ny rano ary tsy voafehy ka izay no nahatonga izany.

#CallForHelp (Mitaky Fanampiana) Sara, Iloilo no iray amin'ireo tanàna rava noho ny tondra-drano nateraky ny #AgatonPH. Tena rava ny Tobim-pianarana NIPSC ao Sara. Tulungan natin ang mg apektadong kabataan izay vao manohy ny kilasy F2F rehefa namely ny rivo-doza.

Mitohy ny famahana ny loza sy ny fanampiana vonjy aina amin'izao fotoana izao, misy mpiserasera mizara ny antsipirihan'ireo hetsika antserasera. Manangona ny lisitr'ireo ezaka toy izany ny tranokalam-baovao Rappler mba hanampiana ireo vondrom-piarahamonina tratran'ny rivo-doza Megi.

Naka ny sarin'ny fihotsahan'ny tany nandravarava tany Leyte ity lahatsary drona (tantelimby) ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.