Nahitana karazan-dramanavy vaovao tao i Trinité sy Tobago tamin'ny Andron'ny Tany

Mimon crenulatum, karazana ramanavy tamin'ny fianakavian'ny biby vaovao hita, izay ahian'ny mpahay siansa fa mety ho karazana Gardnerycteris vaovao. Sary a vy amin'iKarin Schneeberger (Felineora) tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0).

Niezahana ny manao fanentanana sy mamory fanohanana ho fiarovana ny tontolo iainana mandritra ny Andron'ny Tany izay ankalazaina isan-taona ny 22 Aprily tao anatin’ny 52 taona lasa izay. Ny vondronosy Karaiba, amin'ny maha-Fanjakan’ireo Nosy Kely eo An-dalam-pandrosoana (SIDS) azy dia iray amin'ireo faritra mandray anjara kely indrindra amin'ny etona mangeja hafanana eran-tany [mg], nefa tena mijaly indrindra raha ny momba ny voka-dratsin’ny olan’ny fiovàn’ny toetrandro – saingy tsy isalasalana fa maro ny tantara momba ny fandringanana, fanimbana ary fanararaotana ataon’ny olombelona [mg] amin’ny tontolo iainana [mg], misy koa ny tantaran'ny fahitana [fr], faharetana [fr] ary fanantenana [mg].

Tantara iray toy izany ny nahitana karazana ramanavy vaovao tao Trinite sy Tobago, izay nahatonga ny isa mampitolagaga amin’ny karazana ramanavy voarakitra ho 70 ny ao amin'ny firenena. Nanamarika ny pejy Facebook Trinibats, izay nanambara ny vaovao fa avy amin'ny karazany Gardnerycteris ilay ramanavy vaovao, fantatra amin'ny anarana hoe ramanavy misy volon-korona, ary antsoina matetika hoe “Mimon” any an-toerana. Tamin'ny 3 Aprily, tao amin'ny alan'ny Arena any atsimon'i Trinite, no nanaovan’ny ekipa fikarohana notarihin'i Jasmin Camacho, mpikaroka manana mari-pahaizana PhD ao amin’ny Stowers Institute for Medical Research any Etazonia amin'izao fotoana izao, nanao tatitra hoe:

The first net of the night […] trapped a Gardnerycteris species, distinguished by the crenulated and elongated lancet and the wing membrane attached to the metatarsal. In Mimon, the wing membrane attaches to the ankle. However, we noticed it lacked a backstripe and was red in color. We concluded it could not be G. crenulatum nor G. keenani, because both have the backstripe and dark fur. The only other known Gardnerycteris species is G. koepckeae, which lacks a backstripe and is red. It was first found in Peru, then also found in Columbia & Bolivia. It is a very rare bat. Tentatively, we have identified it as ‘cupcake’ until we can compare DNA from all known Gardnerycteris species to the DNA sample of ‘cupcake’. It is either the known G. koepckeae or a new species of Gardnerycteris.

Nahafandrika karazana Gardnerycteris ny harato voalohany ny alina […], miavaka amin'ny endriny sy ny halavany ary ny elany miraikitra amin'ny rantsan-tongony. Amin'ny Mimon, miraikitra amin'ny kitrokely ny elany. Tsikaritray anefa fa tsy misy lamosina ilay izy ary miloko mena. Nanatsoaka hevitra izahay fa tsy G. crenulatum na G. keenani izy io, satria samy manana lamosina sy volony matroka ireo roa ireo. Ny hany karazana Gardnerycteris hafa fantatra dia ny G. koepckeae, izay tsy misy lamosina ary miloko mena. Tany Però no nahitana azy voalohany, ary hita tany Kolombia sy Bolivia ihany koa. Ramanavy tsy fahita firy izy io. Notombatombananay ho ‘cupcake’ izy io mandra-paha-vitanay ny fampitahana ADN tamin'ny karazana Gardnerycteris fantatra rehetra amin'ny santionan'ny ADN amin'ny ‘cupcake’. Na izy io G. koepckeae ilay efa fantatra na karazana Gardnerycteris vaovao.

Mikasa ny hitondra ny santionan'ny ADN any amin'ny laboratoara Stowers i Camacho “ho atao fitiliana sy hanaovana fanadihadiana  phylojenetika ho ampitahaina amin'ireo santionany ADN hafa fantatra amin'ny karazana Gardnerycteris.” Hampitaha ny fandrefesana ara-bika nataon'ny ekipa amin'ny santionany holotype mipetraka ao amin'ny mozea amerikana ihany koa ny fitiliana. Havoaka amin'ny gazety iarahan’ny mpanao gazety nahitsy ny valiny.

Na inona na inona valiny, na izany aza, tena faly amin'ny fanantenany ny mpankafy ramanavy ao an-toerana, raha manazava ny Trinibats hoe:

The bat in question […] is either the very rare Koepckeae’s Hairy-nosed Bat, Gardnerycteris koepckeae, which will be a first ever record for Trinidad, or even more intriguingly, it could be an entirely new species of Gardnerycteris, which will elevate this bat’s status to not merely a new discovery for Trinidad and Tobago, but the discovery of an entirely new species of bat! This may not be the case but time will tell. Either way, this is officially the 70th species of bat to be recorded locally—a truly exciting find!

Ny ramanavy resahina […] dia na ilay ramanavy misy volon-korona tsy fahita firy Koepckeae, Gardnerycteris koepckeae, izay ho firaketana voalohany indrindra ho an'ny Trinite, na ilay mahaliana kokoa, izay mety ho karazana Gardnerycteris vaovao tanteraka, ka hanandratra ny satan'ity ramanavy ity ho tsy ho zava-baovao ho an'i Trinite sy Tobago fotsiny, fa ho fahitana karazana ramanavy vaovao tanteraka! Mety tsy izany no zava-misy fa ny fotoana no hilaza. Na izany na tsy izany, ity no karazana ramanavy faha-70 voarakitra an-tsoratra ao an-toerana tamin'ny fomba ofisialy—fahitana mampientam-po tokoa!

Na dia toa zavaboary tsy takatry ny saina aza ny ramanavy any Karaiba — dia maro ny olona matahotra azy ireo, ary tsy iadian-kevitra ny fifandraisan'ny ramanavy sy ny fiparitahan'ny haromotana sy ny aretina avy amin’ny holatra mahafaty histoplasmose – ireo ihany koa anefa no mpandray anjara manan-danja amin'ny fifandanjan’ny tontolo iainana, miasa ho toy ny mpamindra vovobony, mifehy bibikely ary manaparitaka voa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.