- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Famakafakana ny fomba famalian'ny vahoaka Rosiana ny lahatsoratra momba ady ao amin'ny tambajotra sosialy

Sokajy: Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Global Voices Podcast, Russia invades Ukraine
On a black background is an orange map of Russia. Imposed on that are icons of groups of people connected to each other to signify a social network

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Amin'ity herinandro ity, hijery lalindalina mikasika ny fikarohana ataon’ny Civic Media Observatory [1] isika, izay iresahan’i Daria Dergacheva [2] amintsika ny famakafakana nataon'ny CMO momba ny Vkontakte [3], tambajotra sosialy Rosiana tokana. Nijery, tao amin'ny iray amin'ireo habaka “ho an’ny daholobe” sisa tavela ho an'ny Rosiana ao Rosia, ny fomba namalian’ny mpikambana ireo ranty momba ny ady, sy ny teny ary ny sarisary mifandray amin'izany ny fikarohana. Tamin'ny lahatsoratra tohin'ny fanadihadiana noresahina teto, nijery ny fomba nampiasan'ny Okrainiana io tranonkala io ihany koa mba hanomezana vaovao momba ny ady ho an’ny Rosiana ny CMO [4].

Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any ireo ao amin'ny vondrom-piarahamoninay sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misorata anarana [5] ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter [6] ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage [7]” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices midadasika.


Raha mila vaovao fanampiny mikasika ity lohahevitra ity dia jereo ny fitantaranay manokana momba ny Fanafihan'i Rosia an'i Okraina. [8]