Taiwan: Firenena sambatra indrindra ao Azia Atsinanana, araka ny navoakan'ny World Happiness Report 2022

Pikantsary tamin'ny Twittern'ny World Happiness Report 2022. .A screenshot from  theWorld Happiness Report 2022's Twitter post.

Namoaka ny World Happiness Report (Tatitry ny Fahasambarana Maneran-tany) 2022 ny Tambajotra Vahaolana Fampandrosoana Lovainjafy an'ny Firenena Mikambana tamin'ny zoma 18 martsa lasa teo. 

Mametraka an'i Taiwan ho firenena faha-26 sambatra indrindra eran'izao tontolo izao ny tatitra, ary sambatra indrindra amin'ireo firenena any Azia Atsinanana raha nidina ho teo amin'ny toerana faha-81 kosa i Hong Kong, toerana iray aorian'i Rosia.

Ho an’ny Shina Tanibe kosa dia laharana faha-72 amin’ireo firenena 146.

Manasongadina ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny fahasalaman'ny olona sy ny iray amin'ireo zavatra hitany ny tatitra tamin'ity taona ity:

Countries where people trusted their governments and each other experienced lower COVID-19 death tolls and set the stage for maintaining or rebuilding a sense of common purpose to deliver happier, healthier and more sustainable lives.

Ireo firenena nitokisan'ny vahoaka ny governemantany sy ny niainana taham-pahafatesana ambany kokoa tamin'ny COVID-19 no (lazain'ny) tatitra ary nametraka ny sehatra hihazonana na hanorenana indray ny fahatsapana tanjona iraisana mba hanomezana fiainana sambatra kokoa, salama kokoa ary maharitra kokoa.

Mandrefy ny tombantomban'ny olona momba ny fahasoavana amin'ny singa enina lehibe ny tatitra: ny harin-karena isan-olona, ​​ny fanohanana ara-tsosialy, ny taham-pahavelomana anaty fahasalamana, ny fahalalahan-tsafidy eo amin'ny fiainana, ny fahalalahan-tanana ary ny fahafahana lavitry ny kolikoly.

Jeffrey D. Sachs, Tonian-dahatsoratra Mpanorina ny tatitra mamintina ny lesona nianarany tamin'ny ezaka fikarohana nandritra ny folo taona:

Now, at a time of pandemics and war, we need such an effort more than ever. And the lesson of the World Happiness Report over the years is that social support, generosity to one another, and honesty in government are crucial for well-being. World leaders should take heed. Politics should be directed as the great sages long ago insisted: to the well-being of the people, not the power of the rulers.

Ankehitriny, anaty fotoanan'ny valan'aretina sy ny ady, mila ezaka be mihoatra noho ny taloha isika. Ary ny lesona avy amin'ny World Happiness Report nandritra ny taona maro ny hoe ny kitro ifaharan'ny fanasoavana ny mahaolona ny fanohanana ara-tsosialy,  fifampitsimbinana, ary ny fahitsiana ao amin'ny governemanta. Tokony hitandrina ny mpitondra maneran-tany. Tokony hotarihina araka ny nanamafisan’ireo olon-kendry hatry ny ela ny politika hoe : ho amin’ny fanasoavana ny vahoaka fa tsy ho amin'ny fahefan’ny mpifehy.

Nalahatra laharana voalohany tamin'ireo firenena Aziatika Atsinanana nandritra ny roa taona nisesy i Taiwan. Na dia niatrika fandrahonana ara-miaramila sy teritery ara-toekarena avy amin'i Shina aza i Taiwan, dia tsy dia nijaly loatra tamin'ny valan'aretina COVID-19 izy raha oharina amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy.

Milaza ny fiandrianam-pireneny amin'i Taiwan i Shina, fanjakana mizaka tena manokana izy taorian'ny nananganan'ny Kuomingtang ny governemanta an-tsesitany tao amin'ny Repoblikan'i Shina tao Taiwan tamin'ny fahareseny nandritra ny Ady An-trano Shinoa.

Tao amin'ny media sosialy, maro no gaga tamin'ireo fahasamihafan'ny laharana momba ny fahasambarana eo amin'ireo faritra miteny Shinoa ao Azia Atsinanana, araka ny nasongadin'ny mpampiasa Twitter @pybaubry iray hoe:

Fahagagana tokoa ny nahazoan'i “Taiwan, faritanin'i Shina” ny laharana faha-26 tamin'ny World Happiness Report 2022 raha laharana #72 i Shina ary faha #81 i “Hong Kong SAR of China” (!).
Na angamba satria tsy “faritany Shina” i Taiwan.

Raha maro ny Taiwaney naneho hevitra tamin'ny vaovao tamin'ny tsy fahafaliana manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny tahan'ny karama ambany, dia niaiky izy ireo fa misitraka fahalalahana bebe kokoa raha oharina amin'ireo fiarahamonina Shinoa hafa.

Nahazo ny sehatra an-tampony tamin'ny Global Freedom Index, Global Economic Index, World Press Freedom Index, sy ny EIU Democracy Index ihany koa i Taiwan. Noho izany, araka ny nasehon'ny iray tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny randran-dresaka tamin'ny vaovaon'ny Happiness Report tao amin'ny Facebook:

把自由看得重的人就快樂,把錢看得重的人就不快樂,如此而已。

Raha manome lanja bebe kokoa ny fahalalahana ny olona iray dia ho sambatra izy ireo, raha toa ka manome lanja bebe kokoa ny vola dia tsy ho sambatra izy ireo.

Nihatsara ny laharan'ny fahasambarana tao Shina nandritra ny areti-mifindra. Tamin'ny taona 2019, talohan'ny fipoahan'ny COVID-19 dia laharana faha-93 izany ary tamin'ity taona ity dia niakatra ho 72. Mifanohitra amin'izany, nidina avy amin'ny 76 ho 81 i Hong Kong tamin'io vanim-potoana io.

Any Shina Tanibe, vitsy dia vitsy ny dinika momba ny Tatitry ny Fahasambarana 2022. Namolavola ny fandrefesany ny fahasambarana manokana i Shina tamin'ny fanisana ny tanànany. Ny karazany lehibe dia ny tahan'ny asa, ny fidiram-bola, ny tontolo iainana, ny filaminam-bahoaka, ny fanabeazana, sns. Tamin'ny taona 2021–2022, ny tanàna telo tena sambatra indrindra ao Shina dia Chengdu, Hangzhou, ary Ningbo.

Raha ny momba an'i Hong Kong, na dia tsy niharan'ny valan'aretina lehibe aza ny tanàna raha tsy tamin'ny herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nosarahana tamin'ny ankamaroan'izao tontolo izao ny tanàna noho ny politikan'ny fanaraha-maso ny areti-mifindra ary niatrika fihemorana lehibe tamin'ny zon'olombelona sy ny fahalalahana taorian'ny fampidirana ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena (NSL) tamin'ny taona 2020.

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook momba ny laharan'ny fahasambaran'i Hong Kong tamin'ny esoeso manoloana ny tontolo ara-politika ao an-tanàna ny olona:

做調查嘅人都未喺香港住過!邊可信㗎我哋有咗國安法, 又有完善嘅制度,啲警察又知法犯法,個個高官又奉公守法!黎住下包你覺得幸福啊

Mbola tsy nipetraka tany Hong Kong mihitsy ireo mpikaroka. Tsy azo itokisana izany. Manana ny Lalàna momba ny Fiarovam-pirenena sy ny rafi-pifidianana nohatsaraina isika. Manana fahalalana betsaka momba ny fanjakana tan-dalàna ny mpitandro filaminana. Tena manao adidy sy manara-dalàna ny manampahefam-panjakana. Tongava manorim-ponenana eto dia ho sambatra tokoa ianao!

我地有愛黨者治港,又有宇宙無敵郭安發,冇理由唔開心嘅,好肯定係外國勢力又企圖抹黑我地偉大嘅中共國同香港市。

Manana ireo tia tanindrazana izay mankafy ny antoko tokana hitondra an'i Hong Kong sy ny lalàna momba ny filaminam-pirenena tsy azo resena isika. Tsy manana antony tokony tsy hahasambatra isika. Tena fampielezan-kevitra fanosoram-potaka nataon'ny fahefana vahiny tanteraka izany mba handoko ny endrika maintin'ny Firenena Komonista Shinoa lehibe misy antsika sy ny tanànan'i Hong Kong.

Araka ny tatitry ny World Happiness Report 2022, i Finland no firenena sambatra indrindra maneran-tany nandritra ny dimy taona nisesy ary firenena Eoropeanina ny ankamaroan'ny folo voalohany afa-tsy Israely sy Nouvelle-Zélande. Ny firenena tsy faly indrindra, laharana faha-146, dia i Afghanistan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.