- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Podcast: Ny governemantan'i Pakistàna, ny COVID-19 ao Shanghai, ary fanolorana ny Green Voices

Sokajy: Pakistana, Shina, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Global Voices Podcast

Shanghai Skyline, sary an'i  Keith Marshall [1]. Nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-SA 2.0 [2].

Amin'ity herinandro ity, atombontsika ao Pakistàna, toerana anambaràn'i Umaima Ahmed [3], mpandray anjar ato amin'ny Global Voices amintsika ny zavatra nanjo ny governemanta nandritra ny roa herinandro farany, ary ny antony nahatonga ny  Praiminisitra fahiny, Imran Khan, [4] hanao fihetsiketsehana an-dalambe. Avy eo isika handeha ho any Shanghai, toerana ilazan'i Oiwan Lam,  [5]mpamoaka laahatsoratra ao Azia Atsinanana amintsika ny antony mahatonga ilay pôlitika “tsy misy COVID-19″ sy ny fihibohana [6] naterany ho nanasarotra ny fiainana ho an'ireo mponina 26 tapitrisa ao an-tanàna. Farany, ny toniandahatsoratra lefitra, Sydney Allen, [7] dia hiaraka amintsika hanolotra ny Green Voices [8], fandrakofana afantoky ny GV  amin'ny tontolo iainana.

Mitondra ho anao ny vaovao avy eny an-toerana manerana izao tontolo izao ny Podcast an'ny Global Voices. Isankerinandro, zarain'ireo avy ato anatin'ny vondrompiarahamoninay ireo vaovao manandanja indrindra avy any amin'ny vondrompiarahamonina misy azy ireo sy ny fomba nananganany ny tantarany niainga avy amin'ny zavanisy teo an-toerana. Henoy ary izao ny fatram-baovao ho anao isankerinandro avy amin'ny feon'ny eny an-toerana.

Raha nankafizinao ity fizaràna ity, miangavy anao hamandrika [9] sy hilaza amin'ireo namanao ny momba anay! Azonao atao ny manaraka anay ao amin'ny Twitter [10]. Ny mozika ao amin'ity Podcast ity dia avy amin'ny “Voyage [11]” an'i NikMartken, avy amin'ny vondrompiarahamonina midadasiky ny Global Voices.