- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Podcast: Inona ny Unfreedom Monitor?

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Global Voices Podcast, Unfreedom Monitor

Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'i Nanjala Nyabola [1], talen'ny Advox [2], ilazany amintsika momba ny tetikasa fikarohana farany an'ny Advox: Unfreedom Monitor [3]. Ny Unfreedom Monitor dia tetikasa mamakafaka, mandrakitra sy mitatitra momba ireo fitomboan'ny trangan-javatra amin'ny fampiasana ny teknolojiam-pifandraisana ankihy (nomerika) mampivelatra ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Firenena miisa 11 – Brezila, Ekoadaoro, Ejipta, India, Maraoka, Myanmar, Rosia, Sodàna, Tanzania, Torkia ary Zimbaboe no fakafakain'ireo mpikaroka – sy lohahevitra efatra mifamatotra momba ny fitondrana tsirefesimandidy ankihy mba hamolavolana fomba fiasa azo ampiasaina ao anatin'ny tokotanin-tsehatra — fitantanana angon-drakitra , lahateny, fahafaha-miditra, torohay. Hitanao ato [4] [mg] ny tatitra fohy momba azy ity.

Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any ireo ao amin'ny vondrom-piarahamoninay sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, dia mamandriha [5] ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter [6] ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage [7]” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices ankapobeny.


Miangavy tsidiho ny pejin'ny tetikasa raha hijery lahatsoratra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [3].