Toa hoe notapahan'ny polisy ny dreadlock an'ny tovovavy rastafariàna iray, ka manontany tena ireo Jamaikana raha tena nafahana tokoa ry zareo?

« [Pourquoi] célébrer l'émancipation alors que nous sommes toujours piégés ? »

Matetika ireo rastafariàna no mitaky ny sainam-pirenena an'i Etiopia tamin'ny vanimpotoana nanjakan'i Haile Selassie ho mariky ny finoandry zareo. Sary bdeCJ teo amin'ny Flickr, nmapiasàna ny lisansa CC BY 2.0.

[Fanamarihan'ny mpandika: Raha tsy misy filazana hafa, mitondra mankany aminà pejy amin'ny teny anglisy avokoa ireo rohy rehetra.]

Misy ireo holatra mankarary navelan'ny tantaran'ny fanjanahantany tao Jamaika, izay betsaka no mifamatotra amin'ny zon'olombelona, sady tian'ireo olompireneny ny tsy hahatsiaro azy intsony. Tsy miankina amin'ireo lalàna tranainy tamin'ny andron'ny fanjanahantany izay mbola manan-kery, misy ny tolona iray hanoherana ireo fomba efa lany andro sy manavakavaka, tahaka izay porofoin'ny fifandraisana ara-tantara mikorontana eo amin'ireo rastafariàna sy ireo mpitandro ny filaminana Jamaikàna.

Na eo aza ireo ezaka hanarenana sy hanasitranana ireo ratran'ny tsy rariny tany aloha, isan'izany ireo fialantsiny ofisialy nataon'ny Praiminisitra Andrew Holness mikasika ireo fanafihana malaza nataon'ny polisy sy ny miaramila tamin'ny vondrom-piarahamonina rastafariàna tao Coral Gardens tamin'ny 1963, vao haingana no nisafoaka ireo Jamaikàna noho ny endrika herisetra hafa iray natao tamin'ilay vondrom-piarahamonina, taorian'ny nanamafisan‘ny tovovavy iray fa, tamin'ny 22 jolay,  notapahan'ny mpitandro filaminana ny dreadlocks-ny tao amin'ny paositry ny polisy ambanivohitra .

Nzinga King, mpianatra ho mpitsabo mpanampy iray, sivy ambinifolo taona, sy ny reniny, Shirley McIntosh, no nanambara fa nampiasa hety ilay manamboninahitra hanapahana ny volon-dRamatoakely King, fony izy mbola voatàna tao amin'ny paositry ny polisy tao Four Paths ao amin'ny paroasy atsimon'i Clarendon [fr.]. Voaheloka hifonja folo andro izy taorian'ny nisamborana azy noho ny tsy fanaovana maska sy voaporofo ho nanao “fitondrantena tsy ara-dalàna” nandritra ny fifamaliana taminà polisy iray. Efatra andro taty aoriana, naloan'ny reniny ny saziny ary navoaka i Ramatoakely King. Vetivety dia lasa lohateny lehibe teny anatin'ireo gazety ny fiampangàna ary nitarika hatezerana tany anatin'ireo haino aman-jery mahazatra sy sôsialy.

Taratasy feno hatezerana iray ho an'ny tonian-dahatsoratry ny Jamaica Gleaner no nampahatsiahy ny vahoaka ny zava-nitranga tao Coral Gardens :

Emancipation and Independence remain a scam, a fleeting illusion, as are constitutional and human rights. Queen Nzinga King, the liberation movement has begun in this another ‘Bad Friday’ Coral Gardens that is unearthed all over again…The curriculum at all educational and training institutions, including the security forces, must include teaching history and human rights.

Mijanona ho fisolokiana ny fahafahana sy fahaleovantena, hevi-dravina iray mandalo, sahala amin'ireo zo araka ny lalàmpanorenana sy ny ny maha-olombelona. Mpanjakavavy Nzinga King, ny hetsika fanafahana dia nanomboka tamin'ity “zoma ratsy” iray hafa ity, tao Coral Gardens, izay nipoitra indray… Ny fandaharanasa amin'ireo toerana fampianarana sy fiofanana rehetra, isan'izany ireo an'ny mpitandro ny filaminana, dia tokony ahitana ny fampianarana tantara sy zon'olombelona.

Raharaha iray anaovana fanadihadiana

Nihetsika haingana ny tao amin'ny polisy, nampanantena fanadihadiana iray “marina sy mangarahara”, nanantitrantitra tao anatin'ny fanambaràna tamin'ny 2 aogositra hoe:

The claims of Human Rights abuses made by the young woman and her mother are viewed by the High Command as very serious in nature and are, therefore, being treated as such. While investigations into the matter are ongoing, it must be stated categorically that the cutting of people’s hair — particularly that of Rastafarians — has NO place in the modern JCF [Jamaica Constabulary Force].

Heverin'ny Fibaikoana Ambony ho toy ny manana endrika tena matotra ireo fiampangàna manohintohina ny Zon'olombelona nosoratan'ilay tovovavy sy ny reniny ka dia ho raisina araka izany. Raha toa ka mbola an-dalana ny fanadihadiana momba ilay olana, tsy maintsy hamafisina amin'ny fomba henjana, fa ny fanapahana volon'olona – indrindra fa ny an'ireo rastafariàna – dia TSY manana ny toerany ao amin'ny JCF [Polisy Jamaikana] maoderina.

Manaraka io raharaha io ny Vaomiera Mahaleotena miandraikitra ny fanadihadiana (INDECOM), ilay sampana mpanao famotorana momba ny fanamparam-pahefana ataon'ny polisy sy ny miaramila, tamin'ny fanamarihana tao anaty fanambaràna iray tamin'ny 3 aogositra fa:

INDECOM views the allegation, as expressed by the complainant in video footage, as a breach of rights as afforded to all citizens, under the Charter of Fundamental Rights and Freedoms.

Ny INDECOM dia manakilasy ilay fiampangàna, araka izay nambaran'ny mpanao fitarainana tao anatina ampahana lahatsary iray, ho tahaka ny fanitsakitsahana ny zo omena ny olompirenana rehetra, araka ny voalazan'ny Satan'ireo zo sy fahalalahana fototra.

Mijery ny raharaha ihany koa ny Birao Mpiaro ny vahoaka :

Nanambara ny Birao Mpiaro ny vahoaka fa nanokatra fanadihadiana mikasika ny fitarainana iray, izay milaza fa voatapa-bolo ankeriny nataona polisy vavy iray i Nzinga King, rastafariana iray 19 taona.

Mamaly ireo tambajotra sosialy

Tao amin'ny Twitter, nisy ny fipoahana hatezerana sy fiaraha-mientana tamin-dRamatoakely King :

Any amin'i #NzingaKing ny fonay androany. Manantena izahay fa hitantana  azy amin'ity sedra ity ny fanahin'ny mpanjakavavy lehibe Nzinga ao Angola. #Jamaïque … #Jamaïque 2021. …… Sento
Reko fa nisy tatitra fanadihadiana iray. Tena manantena amin'ny foko aho fa nanome fanohanana ara-tsaina ho an'ity tovovavy ity ny Fanjakana

Koa satria ny faran'ny herinandro ny vaovao mikasika ilay zava-mitranga no niseho, tamin'ny Andron'ny famotsorana, mpampiasa Twitter iray no nanombatombana fa nijanona ho sarotra takarina ny foto-kevitry ny fahafahana :

[Dia] tena mahamenatra sy maharikoriko ny nataon'i @JamaicaConstab tamin'i #NzingaKing. Tsy misy fialantsiny mihitsy. Na izany aza, heverina ho tokony hankalaza ny Famotsorana isika raha mbola fandrihana foana.

Nisafoaka ilay mpikatroka iray avy amin'ny fiarahamonina sivily, Carol Narcisse : 

I Nzinga King izay notsarain'i Babylone hoe nety ny nanapahana ireo locks-ny, izay ny zo amin'ny fivavahana, amin'ny fahafahana maneho hevitra, sy ny sisa, dia tsy nidika na inona na inona. Niaro ny zony tamin-kafanam-po izy ary nosamborina, nampangaina, nohelohina ary nosolaina. Eo amin'ny toeranao, vahoaka mainty hoditra. Iza no iheveranao ny tenanao? Nofinofy ny famotsorana [sic]. pic.twitter.com/MN0uSZHf3h

Miorim-paka ao anaty fanjanahantany

Irian‘ ny vondron'ny rastafari monina ao Clarendon ilay polisy vavy, izay mbola tsy voatendry akory, mba hatsahatra amin'ny asany mandritra ny faharetan'ny fanadihadiana. Ny filohan'ny vondrona, Ras Ivi Tafari, nanontany hoe:

How can Jamaica put up Bob Marley’s image to attract foreigners to the country when Rastas in Jamaica are being disenfranchised and disrespected? It looks like some of these police have that old trend in their mind that, when them see Rasta, them must think ‘trim and brutality’.

Ahoana no hahafahan'i Jamaika hametraka eny aloha ny sarin'i Bob Marley mba hisarihana ireo vahiny ho ao amin'ny firenena raha toa ireo Jamaikàna rasta aza tsy mizaka ny zony sady tsy voahaja ? Toy ny hoe ny sasantsasany amin'ireny pôlisy ireny dia manana ity fironana ity ao an-dohany, araka izany, rehefa mahita Rasta izy ireo dia tsy maintsy hieritreritra ny “fanasolàna sy herisetra”.

Ny alin'ny fetin'ny fahaleovantenan'i Jamaika, ny 5 aogositra, nanomana fihetsiketsehana an-dalambe ireo rastafariàna tao Montego Bay, raha toa naneho ny fanohanany an'ireo rastafariana kosa i Mercia Frazer, renin'i Mario Deane maty tamin'ny 2014, taorian'ny daroka mahery setra nataon'ny polisy taminy. Taorian'ilay zava-nitranga, Chronixx, mpihira reggae iray malaza, izay rastafariàna ihany koa, nitsidika an-dRamatoakely King sy ny fianakaviany. Tamin'ny fizaràna ny eritreriny tao anaty lahatsary iray teo amin'ny pejy Instagram-ny, nanisika hevitra izy hoe miorim-paka anaty fanjanahantany ny fihetsik'ilay polisy vavy.

Ny hevitry ny fanitsakitsahana ireo zo ara-pivavahana ananan'i King – mety efa hatrany amin'ny fahazazàny no namelàny haniry ny dreadlocks-ny – dia naverina noraisina tao anatin'ny fanehoankevitr'i Olivia “Babsy” Grange, minisitry ny Kolontsaina, izay nanipika fa ny famelàna ny volony haniry dia “omba masina ara-pivavahana” ho an'ny finoana rastafariàna, ao anatin'ny sehatry ny “voady Nazareana” ataon-dry zareo :

Ankasitrahan'i Grange tsara ny fanokafana ny fanadihadiana mikasika ilay voalaza fa fanapaham-bolo vehivavy rasta iray nataon'ny polisy.

Ho an'ny Jamaikana marobe, tena mitovy be amin'ny ohatra miverimberina amin'ny fisavàna ny volo mainty izany. Nandritra ny taona maro, nisy ireo fifandirana tsy tapaka mikasika an'ireo volo voajanahary sy ireo dreadlocks ; ireo ankizy aza moa dia voarara tsy mahazo mianatra noho ny safidiny mikasika ny taovolony – ary tsy nino ireo mpanao aterineto sasantsasany hoe mbola misy foana izany :

Taona 2021 no misy antsika izao. @JamaicaConstab manapaka hatrany ny volon'ireo rastafariàna. Ndeha tadiavo ny lojika ao anatin'izany rehetra izany. #nzingaking

Kristen Gyles, mpianatra manana diplôma avy amin'ny Anjerimanontolon'i Antilles, no nanome hevitra fa, sarisarim-panilihan'ireo Jamaikana ny kolontsainy amantarana azy manokana ity fironana ity :

The colonialised Jamaican mind is truly a force to be reckoned with. It has parents scolding their children for speaking patois, high schoolers stocking their book-less school bags with cake soap, and schools turning away students for wearing ‘chiney bumps’ [a Bantu knot-inspired hairstyle]. Unfortunately, we are still suffering the lingering effects of our enslavement, which seems to have crippled our sense of identity. This manifests itself in the disdain we have for that which characterises our heritage and culture.

Some time ago I remember overhearing a conversation between two men within a particular corporate space. One boldly told the other that his father told him from early that as his child, there are three types of people he should forget about ever becoming: 1) a thief; 2) a homosexual; and 3) a Rasta.

Tena hery iray izay tsy maintsy asiana vidiny ny toetsaina Jamaikana voazanaka. Misy ireo ray amandreny mibedy ny zanany noho izy ireo miteny patois, ireo mpianatry ny lisea mameno savony ny kitapom-pianarany tsy misy boky, ary ireo sekoly mandà tsy handray ireo mpianatra noho izy ireo manao “bosses chinoises” [taovolo iray nalaina avy amin'ny fanaon'ny bantoue]. Indrisy, mbola mangirifirin'ny voka-dratsy maharitry ny fanandevozana antsika hatrany isika, izay toa ohatran'ny nanangoly ny retsika fahatsapantsika ny maha-isika antsika. Miseho izany amin'ny fanamavoantsika ireo marika amantarana ny lovantsika sy ny kolontsaintsika

Fotoana vitsivitsy lasa izay, tsaroako fa naheno resadresaka aho nifanaovan'ny lehilahy roa tao anaty orinasa iray. Tamim-pahasahiana no nilazàn'ilay iray tamin'ilay iray hafa fa, vao haingana, nilaza taminy ny rainy fa amin'ny maha zanany azy, misy karazana olona telo izay tsy tokony hovisavisaina mihits ny hitoviana aminy : 1) ny mpangalatra ; 2) ny mpitia ny mitovy fananahana aminy; ary 3) ny Rasta.

Nandritra izany fotoana izany, nisy ireo olona sansantsasany izay niseho ho nahafantatra an-dRamtoakely King no nanohitra manontolo ny tantara, nanamafy fa izy ihany no nanapaka ny volony. Hatreto, tsy nahazo laza betsaka ny tantaran'izy ireo.

Raha toa ny firenena mbola miandry izay valin'ireo fanadihadiana mikasika ilay raharaha, marobe ireo olona no manontany tena raha toa ka, araka ny tenin'ilay Jamaikàna maherifo nasionaly, Marcus Garvey [fr.] manao hoe, tena “nafahana tanteraka tamin'ny fanandevozana ara-tsaina” izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.