- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanao diabe nanohitra ny volavolan-dalàna mifehy ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ireo mpanao fihetsiketsehana Thailandey

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Nanao diabe nankany amin'ny Minisiteran'ny Fampandrosoana Ara-tsosialy sy ny Fiarovana ny Maha-olona ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary [1] avy amin'ny Prachatai

Ny Prachatai, tranonkalam-baovao mahaleo tena ao Thailandy, no namoaka ity  lahatsoratra [1] ity voalohany ary navoakan'ny Global Voices eto indray ny lahatsoratra nahitsy noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Nivory tao amin’ny Minisiteran’ny Fampandrosoana Ara-tsosialy sy ny Fiarovana ny Maha-olona (MSDHS) ny 24 martsa lasa teo nanohitra ny volavolan-dalàna vaovaon’ny fikambanana tsy mitady tombontsoa (NPO) ireo mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena manerana ny firenena. Naneho ny ahiahiny izy ireo fa hampiasaina hamerana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fikambanana ao Thailandy ny fitsipika fanampiny navoakan’ny fanjakana ho an’ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa.

Mpanao fihetsiketsehana an-jatony no nivory teo anoloan'ny Tranobe Managkhasila tao an-drenivohitra, Bangkok [2], tokony ho tamin'ny 9:00 maraina talohan'ny nandehanana nankany amin'ny MSDHS hitaky amin'ny Kabinetra hisintona ny volavolan-dalàna.

Natolotra voalohany tamin'ny volana Jolay 2021, ny volavolan-dalàna mifehy ny fampandehanan-draharahan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa, ary raha lany, dia hanome fahefana ny tompon'andraiki-panjakana hanara-maso, ary mety hanakantsakana ireo fikambanana sivily marobe. Ilay volavolan-dalàna no mamaritra ny fikambanana ho vondrona “mikarakara, amin'ny endriny rehetra, ny fanohizana fiaraha-miasa amin'ny fiarahamonina ka tsy mitady tombontsoa ara-bola, tsy ao anatin’izany ireo vondrona manao hetsika vonjimaika ho an'ny mpikambana ao amin'ny vondrona na ny antoko politika” .

Mitaky ny fikambanana hanao fisoratana anarana amin'ny governemanta sy hanaraka ny fitsipika rehetra apetraky ny Minisiteran'ny Atitany izany. 30 andro no omena ireo fikambanana hisoratana anarana raha vantany vao manankery ny lalàna. Hiharan’ny sazy hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina na onitra hatramin'ny THB 200.000 (USD 5.950), na izy roa, ireo fikambanana miasa ka tsy misoratra anarana.

Mandrara ny fikambanana tsy hanao hetsika manohintohina ny fiarovam-pirenena, ny fahamarinan-toerana ara-toekarena, ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ny filaminam-bahoaka, ny fiarovam-bahoaka ary ny zo sy ny fahafahan'ny hafa ilay volavolan-dalàna.

Mikasa hifehy ny famatsiam-bola ataon’ny fikambanana ihany koa izy io, mandrara ny vondrona tsy hampiasa famatsiam-bola avy any ivelany hanatontosana hetsika heverin'ny Minisiteran'ny Atitany fa tsy azo atao. Manome fahefana ny mpiasam-panjakana hikaroka ny biraon'ny fikambanana sy hanao dika mitovy amin'ny fifandraisan'izy ireo amin'ny aterineto koa izany.

Mila manome ny tompon'andraikitra milazalaza momba ny bankiny izay mampiseho ny toerana itazonana ny vola sy ny tanjona ampiasaina amin'izany ireo fikambanana mahazo famatsiam-bola avy any ivelany.

Mitaky ny fikambanana samihafa hisoratra anarana amin'ny fanjakana, manambara ny tanjony, ny nty-sy-ndainy ary ny mpamatsy volany ny volavolan-dalàna izay namarana ny fotoam-pitsarana ampahibemaso tamin'ny 24 martsa.

Lalàna maromaro no efa mihatra amin’ny fikambanana tsy mitady tombontsoa, anisan'izany ny Lalàna mifehy ny Fivoriam-bahoaka sy ny Didimpanjakan'ny Hamehana. Talohan'ny diabe, novakian’i Nutchanat Thaengthong ao amin'ny Tambajotran'ny Faritra Efatra Mahantra ny fanambarana izay milaza fa nanohitra ilay volavolan-dalàna izy ireo ary nahita izany ho toy ny fikasana tsy ilaina hamerana bebe kokoa ny fahalalahana maneho hevitra sy hanao fikambanana.

The statement noted that the bill’s excessive and vaguely-worded stipulations would interfere with the work of NPOs and other civic groups, giving state authorities the power to severely punish members and suspend organisation operation on the grounds of national security, peace and order, and good morals.

Nanamarika ny fanambarana fa hanelingelina ny asan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa sy ireo vondron'olom-pirenena hafa ny fepetra tafahoatra sy manjavozavo ao amin'ilay volavolan-dalàna, ka manome fahefana ny manampahefana hanasazy mafy ireo mpikambana sy hampiato ny asan'ny fikambanana eny an-toerana noho ny fiarovam-pirenena, ny fandriam-pahalemana ary ny filaminana, ary ny fitondran-tena maodely.

Olona miisa 800 raha kely indrindra no voalaza fa nanatevin-daharana ny diabe, ny sasany mitondra sora-baventy misy hafatra toy ny hoe “Tsy mila lalàna mifehy ny fikambanan’ny vahoaka”, “Atsaharo ny volavolan-dalàna mifehy ny fikambanana,” sy ny hoe “Tsy azon’ny fanjakana fehezina ny hampijoroana fikambanana izay [anatin'ny] fahalalahana.”

Rehefa tonga tao amin'ny MSDHS ny diabe, nilaza i Chiranuch Premchaiporn ao amin'ny Constitutional Advocacy Alliance (CALL) tamin'ny lahateny nataony fa handrava ny fahalalahana maneho hevitra ny volavolan-dalàna mifehy ny fikambanana. Nanolo-kevitra izy ny hanovana ny anaran’izany ho famerana ny hetsika ataon’ny fikambanan'ny vahoaka, mba hanehoana ny tena tanjony.

Nambarany ihany koa fa tao anatin’ny valo taona izay, ny governemanta notarihan’ ny jeneralin'ny tafika Prayut Chan-o-cha [6] teo aloha no nandrava ny fahalalahana maneho hevitra sy namorona fepetra tsy ahafahan'ny olona manao fikarakarana, toy ny fitakiana ny vahoaka hampandre ny manampahefana alohan'ny hanaovana fivoriana, ny zo ara-dalàmpanorenana, ary ny fanenjehan’ny fanjakana ny mpanao fihetsiketsehana [7] amin’ny alàlan’ny fampiasana ny lalànan'ny fanalam-baraka mpanjaka, ny lalànan'ny fikomiana, ny Didimpanjakana Hamehana, ny Lalànan’ny Fivoriam-bahoaka, ary ny lalàna hafa.

Araka ny voalazan'i Chiranuch, ny volavolan-dalàna mifehy ny fikambanana tsy mitady tombontsoa no ezaka farany hifehezana ny fikambanam-bahoaka sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena, fitaovana iray hafa hamerana ny fahalalahan'ny tsirairay, na inona na inona ataony na lafiny aiza no misy azy ireo. Na dia nanao ny andraikiny tamin'ny fikarakarana fivoriana azon’ny rehetra natrehina momba ilay volavolan-dalàna aza ny MSDHS, dia nilaza izy fa ny fametrahana sehatra anjotra fotsiny ihany no nataony, ka nahatonga ny olona hanao diabe ho any amin'ny Minisitera hanehoana ny fanoherany.

What type of democratic country uses a law like this? For the past 8 years, the government has tried to destroy democracy through the unjust use of law and judicial process. The law is being used to silence us and stop us from gathering together. But we still come together in protest and are prepared for whatever charges that follow.

This [latest bill] is another tool that the government will use to stop the people from creating things themselves. It will further constrain the will of the people. It doesn’t matter which side you’re on, which kind of public interest work you do, all of us can get hurt by this bill.

Karazana firenena demaokratika inona no mampiasa lalàna tahaka izao? Nandritra ny 8 taona izay, niezaka ny handrava ny demaokrasia tamin’ny alalan’ny fampiasana tsy ara-drariny ny lalàna sy ny dingam-pitsarana ny governemanta. Ampiasaina ny lalàna hampanginana antsika sy hanakanana antsika tsy hivory. Saingy mbola miara-mivory ho fanoherana isika ary vonona amin'izay fiampangana manaraka.

Fitaovana iray hafa ity [volavolan-dalàna farany] ity hampiasain'ny governemanta hanakanana ny vahoaka tsy hamorona zavatra ho azy ireo. Vao maika hanery ny fikasan’ny vahoaka izany. Na inona na inona lafiny misy anao, na karazana asa tombontsoam-bahoaka izay ataonao, dia mety ho voakasik'ity volavolan-dalàna ity avokoa isika rehetra.

09.30. Nandeha dia an-tongotra fohy nankany amin'ny Minisiteran'ny Fampandrosoana Ara-tsosialy sy ny Fiarovana ny Maha-olona ny tambajotran'ny fiarahamonim-pirenena misy olona miisa 800, nanehoana ny fandavan'izy ireo ny volavolan-dalàna mifehy ny fampandehanana ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa.

Nijanona teo amin’ny minisitera hatramin’ny hariva ireo mpanao fihetsiketsehana. Ankoatra ny fihainoana ny lahatenin'ireo mpikatroka, naka ny hevitry ny vahoaka izy ireo ary nanasa ireo mpikambana ao amin'ny NPO sy ireo mpandray anjara amin'ny hetsi-panoherana hanome ny heviny momba ilay volavolan-dalàna. Nandefa fanangonan-tsonia ho an'ny Minisitry ny Fampandrosoana Ara-tsosialy sy ny Fiarovana ny Maha-olona Juti Krairiksh ihany koa izy ireo mitaky ny Praiminisitra sy ny Kabinetra hampiato ny fandrafetana ny lalànan’ny faneriterena atao amin’ny fikambanana tsy mitady tombontsoa (NPO) sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Niezaka nanantona sora-baventy lehibe misy soratra hoe “Tsy mila volavolan-dalàna mifehy ny NPO. Tsy mety aminay rehetra izany” teo akaikin’ny tranoben'ny ministera izy ireo saingy nosakanan'ny polisy:

Niezaka nanantona sora-baventy lehibe misy soratra hoe “Tsy mila volavolan-dalàna mifehy ny NPO. Tsy mety aminay rehetra izany” teo amin’ny lapa ireo mpanao fihetsiketsehna saingy nosakanan'ny polisy satria misy sarin’ny Mpanjaka teo amin’ilay tranobe.

Namaky fanambaràna ny mpikarakara ny hetsika, solontenan'ny Hetsiky ny Vahoaka manohitra ny Volavolan-dalàna Manohintohina ny Fahalalahan'ny Tambajotran’ny Fikambanana rehefa nifarana ny hetsi-panoherana, izay nanamarika fa iantohan’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna iraisam-pirenena ny fahalalahan'ny fikambanana. Nilaza ihany koa ny fanambaràna fa ny hetsika atao ho tombontsoan'ny besinimaro dia manomboka amin'ny hetsika fanavaozana ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny fanentanana ny fanitsiana ny lalàm-panorenana ka hatramin'ny fanoherana ny tetikasa fampandrosoana sy ny fihetsiketsehana manohitra ny lalàna tsy ara-drariny — izany hetsika izany no tian'ny manampahefana hofehezina, manohintohina ny fahalalahan'ny fikambanana noho ny ahiahy tsy mitombina hoe miteraka fandrahonana ho an’ny fiarovam-pirenena sy ny fitsipi-pitondran-tenan’ny vahoaka. Ity ny sombiny tamin'ilay fanambaràna:

The Prayut government has been tirelessly working to undermine the power of the people. This includes the promotion of this draft law. It will allow the government to determine which organisations and movements are “good” and which are “bad”.

At no previous point in our history has the state harboured such fear of, and hostility toward, the people. Their fears and hatred are based on twisted imaginings, not facts. In reality, ultimate power belongs to the people. People from all walks of life are the ones who create wealth and develop the country on the state’s behalf.

Niezaka tsy an-kijanona hanimbana ny fahefan'ny vahoaka ny governemanta Prayut. Anisan’izany ny fampiroboroboana ity volavolan-dalàna ity. Hamela ny governemanta hamaritra izay fikambanana sy hetsika heveriny ho “tsara” na “ratsy” izany.

Tsy mbola nisy fanjakana teo aloha teo amin'ny tantarantsika nampihorohoro sy nankahala vahoaka toy izany. Noho ny eritreritra mivilana, fa tsy ny zava-misy no fototry ny horohoron’izy ireo sy ny fankahalany. Raha ny marina, an'ny vahoaka ny fahefana faratampony. Ireo vahoaka olona avy amin’ny sarangam-piainana rehetra no iavian’ny harena sy mampandroso ny firenena amin’ny anaran’ny fanjakana.

Niantso ny fiarahamonim-pirenena ny tambajotra mba hanohy ny asa hitondrana fiovana ara-piarahamonina. Nangataka ihany koa izy ireo mba hanetsika ny fanoherana ny volavolan-dalàna NPO ary hanohy ny hetsika manohitra izany mandra-pisintonan’ny kabinetra ny tolokevitra.