- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Atolotry ny Global Voices Advox ho anao ny tetikasany vaovao “The Unfreedom Monitor”

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Fitaovana mahery vaika amin'ny fampivoarana ny fitantanana demaokratika ny teknolojian'ny fifandraisana ankihy, saingy tato anatin'ny taona vitsivitsy izay dia nitombo ny ahiahy fa ampiasaina hanimbana ny demaokrasia ihany koa ireo teknolojia ireo. Satria mihetsika handràra ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy amin'ny ambongadiny ny firenena toa an'i Rosia, ary efa lasa ampahany efa azo novinavinaina ho dingana ara-politika any amin'ny firenena toa an'i Sodàna sy Tanzania ny fanakatonana ny media sosialy sy ny aterineto, dia zava-dehibe ny mandinika lalina ny toe-draharaha ijerena izay tokony ho atao, sy ny miezaka manopi-maso maneran-tany amin'ny fomba famalian'ireo rafitra politika isan-karazany manoloana ny firongatry ny hetsika politika ankihy. Satria maro amintsika no manao hetsi-panoherana sy manao fifandaminana anjotra, dia miezaka hatrany manohitra ireo hetsika toy izany ireo karazana governemanta amin'ny sehatra politika isan-karazany.

Ny The Unfreedom Monitor [1] dia fisantaran'andraikitra fikarohana an'ny Advox izay mandinika ny fitomboan'ny trangam-panjakazakana an-tambajotra na ny tsirefesi-mandidy ankihy. Ny “Digital authoritarianism” (tsirefesimandidy ankihy) no manoritsoritra ny fampiasana ny teknolojia hampandrosoana ny tombontsoam-pamoretana ara-politika. Tsy voafetra ho an'ny fitondrana tsy refesi-mandidy fotsiny izany. Mampiasa sy mivarotra teknolojia avo lenta ihany koa ny fanjakana demaokratika mba hanjohiana miafina sy/na hanaraha-maso olom-pirenena, hanelezana vaovao diso na fandisoam-baovao, ary hanalefahana ny herin'ny fandraisan'ny olompirenena anjara amin'ny maha-olompirenena azy sy ny fandraisana anjara ara-politika. Tsy ny fanjakana ihany no mampihatra ny tsirefesimandidy ankihy (dizitaly) —ny orinasa any amin'ny firenena demaokratika no mpamatsy lehibe ny teknolojia ampiasaina ho amin'izany.

[1]

The Unfreedom Monitor

Efa hatry ny ela ireo fitondrana tsirefesimandidy no sahirana fifandraisana amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny fifandraisana. Ny The Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraiki-pikarohan'ny Advox [2] Global Voices mamakafaka ny fitomboan'ny trangan-tsirefesimandidy mitambajotra na ankihy.

Trohy ny dosie famehezana amin'ny endrika PDF. [3]

Vakio [en] ny ranty fanambaràna >> [1]

Manasongadina fifangarihana manan-danja ny firoboroboan'ny fanjakazakana ankihy: ny aterineto, izay hita tany am-boalohany ho tetikasa nofinofy nampiroborobo ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny maha-olompirenena sy ara-politika, dia azo ampiasaina ihany koa hamotehana ireo fihetsika izay nampiany hivelatra. Amin'ny fahafantarana ny tsirefesimandidy (fanjakazakana) ho dingana fa tsy hetsika, sy amin'ny fifantohana amin'ny safidy politika izay mampiharihary io dingana io, dia azontsika halalinina ny fahatakarantsika ny fiantraikan'ny teknolojia amin'ny zon'olombelona. Tsikaritra manokana izany nandritra ny fotoan'ny valan'aretina COVID-19, raha ny teknolojia natsangana hifehezana ny fihanaky ny viriosy no nahafahan'ny fanjakana sasany ihany koa nahazo fahefana betsaka hanara-maso ny olom-pirenena.

Tanjona iray lehibe amin'ity tetikasa ity ny hanome tokotanin-tsehatra manankarena kokoa mahasahana toe-draharaham-pirenena na lohahevitra tsy manampaharoa. Mety ho fanesorana izany hifantohana fotsiny amin'ny aterineto ary tsy miraharaha ny fiantraikan'ny fitomboam-pomba famoretana amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny zon'olombelona. Ao amin'ireo firenena nofakafakainay, dia tsikaritray ny fifamatorana akaiky teo amin'ny fihenan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fitomboan'ny tsirefesimandidy ankihy (nomerika). Ny torohay no akora fototra fitantanan-draharaha, ary samy manana ny anjara asa lehibe ny habaka anjotra sy ny haino aman-jery mahazatra amin'ny fanomezana vaovao ho an'ny olona sy ny vondrom-piarahamonina ahafahan'izy ireo manao tombana mahaleo tena momba ny governemantany.  Mifandray mivantana amin'ny tosika hifehy ny vaovao zarain'ny fampitam-baovao ny tosika hifehy ny vaovao amin'ny aterineto.

Hita amin'ity dôsiem-pahalalàna ity ny topimason'ny fivoarana fototra amin'ny tsirefesimandidy ankihy any amin'ireo firenena miisa 11 sy ny fanazavana ny lasitrasa teorika sy ny fomba fiasa ao ambadiky ny tetikasa The Unfreedom Monitor. Omen'ny dôsie ihany koa ny orina hanitarana ity fikarohana ity any amin'ny firenena hafa mba handalinana ny fahatakarantsika ny tsirefesimandidy ankihy maneran-tany, sy ny fiantraikany lehibe amin'ny ho avy. Ny santionana savaranonandon'ny firenena 11 no nofidina hanehoana ireo karazan-kasinga: rafi-pitantanana, fomba fiasa amin'ny zon'olombelona (anisan'izany ny filaharana amin'ny fanondroana), ary ny fifandraisan'ny vondron'orinasa. Ireto avy ireo firenena ireo: Brezila, Ekoadaoro, Ejipta, India, Maraoka, Myanmar, Rosia, Sodàna, Tanzania, Torkia, ary Zimbaboe. 

Nofenoin'ny fikarohana lalina ireo famakafakana fehezan-drakitra misy ventiny ahitana kasingam-pampitam-baovao mandalina ireo lohahevitra, lanonana, mpiantsehatra, lasitrasa fitantarana, sy setriny, hamantarana ireo fironana sy maodelin-tsirefesimandidy ankihy. Nanao seminera isan-kerinandro niaraka tamin'ny ekipa mpikaroka ihany koa izahay mba hanondroana ireo lohahevitra mifanapaka sy ireo fitoviana iraisan'ny rehetra nisongadina. Vokatra iray mahaliana ny fahitana fa na dia mety miovaova aza ny mpanjifa sy ny tombontsoan'izy ireo, dia orinasa azo isaina amin'ny rantsan-tanana—miorina any amin'ireo firenena lazaina fa demaokratika ny maro aminy—no mivarotra ny teknolojia izay mahatonga ny fomba fanao ankihy sasany azo atao.

Mpikaroka efatra hafa ihany koa no niasa niaraka tamin'ny lohahevitra efatra mifanapaka amin'ny tsirefesimandidy ankihy mba hamolavolana fomba fiasa azo ampiasaina tsy mifidy tokotanin-tsehatra. Ireto avy izany lohahevitra izany: fitantanana angon-drakitra, kabary, fahafaha-miditra ary torohay. Ny fironana amin'ny fikarohana ara-aterineto dia ny mieritreritra ireo hevitra ireo na fampandrosoana amin'ny fitokana-monina ara-lohahevitra, ary nandrisika ireto andia mpikaroka ireto izahay mba hieritreritra malalaka sy lalina momba izay mampiray ireo hevitra misaraka ireo.

Hitan'ny tatitra fa tsy mihiboka amin'ny fanjakana tsirefesimandidy ny tsirefesimandidy ankihy (nomerika). Fa kolontsaina kokoa izy io—mampitombo ny fahefana mpanatanteraka, ny fanaovan-dalàna ary ny fikorianan'ny renivola maneran-tany—izay ahafahan'ny fanjakana hitsabaka amin'ny fiainan'ny olom-pirenena sy hanakantsakana na hanao izay hahakivy ny fanoloran-tenan'ny olom-pirenena. Tsy misy ny singa manokana filazan-javatra mialoha, fa mifandray akaiky kosa amin'ny fihenan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, sy ny fanoherana ny tetezamita ara-politika ny tsirefesimandidy ankihy. Ankoatra izany, dingana miampita firenena io, ary hisy vokany ara-politika any amin'ny faritra hafa ny fisian'ny teknolojia any amin'ny faritra iray amin'izao tontolo izao.