- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fiantraikan'ny ady ao Okraina amin'ny toetrandro ao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Okraina, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zon'olombelona, Russia invades Ukraine
Image by Amit MachaMasi via Nepali Times. Used with permission. [1]

Sary an'i Amit MachaMasi avy amin'ny Nepali Times. Nampiasaina nahazoana alalàna.

Ity lahatsoratra an’i Sonia Awale ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times [1]. Navoaka indray ato amin’ny Global Voices ho ampahany iray amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty. Novaina ireo anarana mba ho fitandroana ny tsy fitononana anarana.

Antsoina hoe “ady momba ny solika fôsily” ny fanafihana nataon’i Rosia tamin’i Okraina [2] tamin’ny volana Febroary 2022 satria nampiseho ny fiankinandohan’i Eoropa amin'ny fanafarana solika fôsily. Saingy nanipika koa ny mahamaika ny fiampitàna amin'ireo angovo azo havaozina [3] izy io mba hanalefahana ny fiharatsian'ny toetrandro erantany.

Nitarika fiakaran'ny vidim-piainana manerantany [4] ilay ady ; nisondrotra be vidin'ireo sakafo [5] ; avo folo heny ny halafon'ny entona any Eoropa. Any Nepal, tafakatra amin'ny vidiny farany ambony [6] ny gazoala sy ny lasantsy ary nitombo izaitsizy ireo fanafarana solitany ka mety hahatonga ny governemanta hampiditra indray ilay fepetra “ankasa-tsy ankasa”, napetraka nandritra ny valanaretina.

Manosika an'ireo firenena hiala amin'ireo tanjon'ny fandefasana entona karbôna ny adin'i Rosia sy Okraina mba hamerana ny fiakaran'ny maripàna erantany ho 1,5° Celsius [7] ao anatin'ny 30 taona ho avy. Manerantany, taorian'ny valanaretina, nitombo [8] niala tamin'ny 6% ka tafakatra hatramin'ny 36.3 gigatonnes ny fitombon'ny fandefasana entona karbôna tamin'ny taona 2021, fiakarana mahery vaika indrindra avy amin'ny taona iray mankamin'ny taona iray teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona, araka ny voalazan'ny Masoivoho Iraisampirenena mikasika ny Angovo (IEA [9]).

“Mikatona haingana loatra ny varavarankelin'ny mety ho fahafahana hampihena ireo fandefasana entona – etsy andaniny, noho ny fifindràna ho amin'ireo karbôna malefaka sy ireo loharanon'angovo azo havaozina,” hoy ilay Okraniana siantifika mpahay toetrandro, Svitlana Krakovska, tamin'ny BBC [10] . “Ity ady ity dia vao mainka manatery hatrany ny varavarankelin'ny mety ho fahafahana, satria ankehitriny, mila mamaha an'io olana io aloha isika.

Graph by International Energy Agency via Nepali Times. [9]

Kisary an'ny MAsoivoho Erantany momba ny Angovo, tao amin'ny Nepali Times.

Na izany aza, mety hisarika an'ireo firenena toa an'i Alemàna sy Italia ihany koa ilay fifandonana, firenena izay miankina betsaka amin'ny entona avy any Rosia, mba hanafaingana ny fivadihana hampiasa ny angovo madio kokoa. Tamin'ity herinandro ity, nandray andraikitra ny Kômisiôna Eoropeana hampihena hatramin'ny roa ampahatelony [11] ny fiankinan-doha amin'ny entona avy any Rosia amin'ity taona ity, ary hamarana izany tanteraka hatramin'ny taona 2030. Na izany aza, mbola ilainy ny mampitombo ny fanafàrana ireo entana avy amina mpamatsy hafa  any ivelany, toa an'i Etazonia sy Katara.

Milaza ireo manampahaizana fa tokony hampiasa io fotoana io i Nepal mba hanombohana ny fanafoanana tsikelikely ireo solika fôsily, tsy hoe fotsiny mba hanatanterahany ny andraikiny manokana mikasika ny net-zéro nandritra ny [12] COP26 tany Glsgow tamin'ny taona lasa, fa mba hanavotany ny toekareny. Nandany vola 180 tapitrisa NPR (1,48 tapitrisa dolara) i Nepal tamin'ny fanafarana solitany tao anatin'ny enimbolana lasa monja, ary mbola hitombo izany.

“Tokony nianatra naka lesona isika taorian'ny Fahirano Indiana tamin'ny taona 2015 ; raha nahenantsika ny fiankinan-dohantsika tamin'ny solitany amin'izao fotoana izao, tsy dia nanimba antsika loatra ity krizy ity,” hoy Manjeet Dhakal izay Filohan'ny LDC Support Team ihany koa, tao amin'ny Climate Analytics . “Fa tsy mbola tara akory izao, mbola azontsika atao ny manova zavatra amin'ny alalan'ny fikisahana  haingana ho any amin'ny herinaratra avy amin'ny rano (hydropower) mitobaka be eto Nepal.”

Azo atao tsara io amin'ny alalan'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny famatsiana herinaratra an'ireo fitaterana sy ny fahandroan-tsakafo. Ny fampihenana ny hetra amin'ireo fitaterana mandeha herinaratra ampiasain'olontsotra dia tokony ampidirana ireo fiara fitateram-bahoaka mandeha amin'ny vatoaratra. Amin'izao fotoana izao, in-dimy avo heny amin'ny vidin'ny fitateram-bahoaka mandeha amin'ny lasantsy izay mitovy hery aminy no vidin'ny fitateram-bahoaka mandeha amin'ny herinaratra. Misy 1,5 tapitrisa izao ny kodiaran-droa mandeha lasantsy ao Nepal, na dia misy aza ireo modely mandeha vatoaratra.

Image source: Nepal Oil Corporation. Via Nepali Times. [13]

Loharanon'ny sary : Nepal Oil Corporation. Avy amin'ny Nepali Times.

Mikasa ny hanome fatana fahandroan-tsakafo “induction” ny Alternative Energy Promotion Centre [14] (APEC), saingy tsy maintsy aparitaka amin'ny alalan'ny fanentanana nasionaly izany mba hampihenana ny fampiasana LPG.

“Ho an'ireo taona vitsivitsy ho avy, tahaka ny hanilika an'ireo tanjontsika momba ny toetrandro ny krizy Okraniana”, hoy i Dhakal. “Tokony hampiasa izany Eoropa ho toy ny fotoana iray azo hararaotina ary hanome ohatra an'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fifindràna haingana ho amin'ireo angovo azo havaozina sy ireo solika madio kokoa.”

Kisendrasendra, ny tatitra farany [15] avy amin'ny Vondron'ireo Manampahaizana Iraisan'ny Governemanta mikasika ny fivoaran'ny toetrandro (GIEC), tamin'ny 28 febroary 2022 dia nampitandrina fa mitaredretra loatra sady kely ireo fepetra fampifanarahana  amin'ny toetrandro natao hanatràrana ireo tanjon'ny taona 2050.

“Ny fandriampahalemana dia fepetra takiana mialoha amin'ny fiarahamiasa manerantany, ary indrindra fa raha zavatra somary maika sy goavana toy ny krizy ara-toetrandro manerantany”, hoy ny nambaran'ilay Nepaley mpikatroka momba ny toetrandro, Shilshila Acharya, avy amin'ny Avni Center for Sustainability.

Mifanohitra amin'ny vidy miovaovan'ireo solika fôsily, midina ny vidin'ireo “PS” takelaka fakàna herin'ny masoandro, ireo vatoaratra fitehirizana ary ireo “eolienne” fakana angovo amin'ny rivotra. Raha toa ka nahatratra 127 USD ny vidina barila iray tamin'ny solika tsy voadio  iraisampirenena tamin'ity herinandro ity vokatry ny krizy Okraniana, nijanona tsy nihetsika kosa ny vidin'ireo angovo azo havaozina.

Ho an'i Nepal, tsy hitoetra mandritra ny fotoana maharitra ireo politikam-panampiana sy ireo fepetra “ad hoc”  hanatràrana ireo tanjony momba ny toetrandro. Sahala amin'ny fitsaboana fery vonjimaika fotsiny ireo fepetra raisina toy ilay fepetra “ankasa-tsy ankasa” ho an'ny fiara.

Hoy Shilshila Acharya: “Ny governemanta dia tokony hametraka ireo olom-pirenena ho eo amin'ny ivon'ny famolavolana politika, ny fahasalaman'izy ireo sy ny mahasoa azy no mandeha mialohan'ny fidirambola na ireo indostria. Izay ihany no hahafahantsika mandresy ny krizy ankehitriny sady mahita fandrosoana amin'ny resaka toetrandro.


Raha mila fanazavàna fanampiny mikasika ity lohahevitra ity, jereo ny fandrakofanay manokana an'i Rosia manani-bohitra ao Okraina [16]